< 尼希米記 2 >

1 亞達薛西王二十年尼散月,在王面前擺酒,我拿起酒來奉給王。我素來在王面前沒有愁容。
Ary tamin’ ny volana Nisana tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko ka natolotro ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehany.
2 王對我說:「你既沒有病,為甚麼面帶愁容呢?這不是別的,必是你心中愁煩。」於是我甚懼怕。
Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao, fa alahelom-po mihitsy. Dia raiki-tahotra indrindra aho
3 我對王說:「願王萬歲!我列祖墳墓所在的那城荒涼,城門被火焚燒,我豈能面無愁容嗎?」
ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Ho velona mandrakizay anie ny mpanjaka; nahoana no tsy halahelo tarehy aho, fa rava ny tanàna misy ny fasan-drazako, sady efa levon’ ny afo ny vavahadiny?
4 王問我說:「你要求甚麼?」於是我默禱天上的上帝。
Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Inona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin’ Andriamanitry ny lanitra aho aloha,
5 我對王說:「僕人若在王眼前蒙恩,王若喜歡,求王差遣我往猶大,到我列祖墳墓所在的那城去,我好重新建造。」
dia vao niteny tamin’ ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.
6 那時王后坐在王的旁邊。王問我說:「你去要多少日子?幾時回來?」我就定了日期。於是王喜歡差遣我去。
Ary hoy ny mpanjaka tamiko (ny vadin’ ny mpanjaka koa nipetraka teo anilany): Haharitra hoatrinona any anefa ianao, ary rahoviana no hiverina? Ka dia sitraky ny mpanjaka ny handefa ahy; ary dia nilaza fotoana taminy aho.
7 我又對王說:「王若喜歡,求王賜我詔書,通知大河西的省長准我經過,直到猶大;
Ary hoy koa aho tamin’ ny mpanjaka: Raha sitraky ny mpanjaka, aoka homena taratasy ho amin’ ireo governora any an-dafin’ ny ony aho, mba hamelany ahy handeha hatrany Joda,
8 又賜詔書,通知管理王園林的亞薩,使他給我木料,做屬殿營樓之門的橫樑和城牆,與我自己房屋使用的。」王就允准我,因我上帝施恩的手幫助我。
sy taratasy ho amin’ i Asafa, mpitandrina ny alan’ i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin’ ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan’ ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen’ ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitro tamiko.
9 王派了軍長和馬兵護送我。我到了河西的省長那裏,將王的詔書交給他們。
Dia tonga tany amin’ ireo governora any an-dafin’ ny ony aho, ka natolotro azy ny taratasin’ ny mpanjaka. Ary ny mpanjaka efa naniraka manamboninahitra sy mpitaingin-tsoavaly hanatitra ahy.
10 和倫人參巴拉,並為奴的亞捫人多比雅,聽見有人來為以色列人求好處,就甚惱怒。
Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’ Isiraely.
11 我到了耶路撒冷,在那裏住了三日。
Dia tonga tany Jerosalema aho ka nitoetra tany hateloana.
12 我夜間起來,有幾個人也一同起來;但上帝使我心裏要為耶路撒冷做甚麼事,我並沒有告訴人。除了我騎的牲口以外,也沒有別的牲口在我那裏。
Ary nifoha tamin’ ny alina aho, dia izaho sy ny olom-bitsy nomba ahy; nefa tsy nisy olona nilazako izay natsindrin’ Andriamanitra ny foko hatao any Jerosalema; ary tsy nisy biby nentiko afa-tsy ilay nitaingenako ihany.
13 當夜我出了谷門,往野狗井去,到了糞廠門,察看耶路撒冷的城牆,見城牆拆毀,城門被火焚燒。
Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, tandrifin’ ny loharanon’ ny dragona, sy tamin’ ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan’ i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon’ ny afo.
14 我又往前,到了泉門和王池,但所騎的牲口沒有地方過去。
Dia nankany amin’ ny vavahadin-doharano sy ny farihin’ ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon’ ilay biby nitaingenako naleha akory.
15 於是夜間沿溪而上,察看城牆,又轉身進入谷門,就回來了。
Dia niakatra teo amin’ ny lohasahan-driaka aho tamin’ ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, dia niverina.
16 我往哪裏去,我做甚麼事,官長都不知道。我還沒有告訴猶大平民、祭司、貴冑、官長,和其餘做工的人。
Nefa ireo mpanapaka tsy nahalala izay nalehako, na izay nataoko; fa hatramin’ izay dia tsy mbola nolazaiko tamin’ ny Jiosy izany, na tamin’ ny mpisorona, na tamin’ ny manan-kaja, na tamin’ ny mpanapaka, na tamin’ ny vahoaka sisa izay nanao ny asa.
17 以後,我對他們說:「我們所遭的難,耶路撒冷怎樣荒涼,城門被火焚燒,你們都看見了。來吧,我們重建耶路撒冷的城牆,免得再受凌辱!」
Ary hoy izaho taminy: Hianareo mahita ny fahoriantsika, fa rava Jerosalema ary nodoran’ ny afo ny vavahadiny; koa andeha isika hanangana ny mandan’ i Jerosalema, mba tsy ho latsa intsony isika.
18 我告訴他們我上帝施恩的手怎樣幫助我,並王對我所說的話。他們就說:「我們起來建造吧!」於是他們奮勇做這善工。
Dia nambarako azy ny tànan’ Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin’ ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.
19 但和倫人參巴拉,並為奴的亞捫人多比雅和阿拉伯人基善聽見就嗤笑我們,藐視我們,說:「你們做甚麼呢?要背叛王嗎?」
Fa nony ren’ i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin’ ny mpanjaka angaha ianareo?
20 我回答他們說:「天上的上帝必使我們亨通。我們作他僕人的,要起來建造;你們卻在耶路撒冷無分、無權、無紀念。」
Dia namaly azy aho ka nanao taminy hoe: Andriamanitry ny lanitra, Izy no hanambina anay, ka dia hitsangana handrafitra izahay mpanompony; fa ianareo tsy manana anjara, na rariny, na fahatsiarovana akory, atỳ Jerosalema.

< 尼希米記 2 >