< 利未記 25 >

1 耶和華在西奈山對摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
2 「你曉諭以色列人說:你們到了我所賜你們那地的時候,地就要向耶和華守安息。
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah.
3 六年要耕種田地,也要修理葡萄園,收藏地的出產。
Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;
4 第七年,地要守聖安息,就是向耶和華守的安息,不可耕種田地,也不可修理葡萄園。
fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah; aza mamafy amin’ ny taninao ianao, ary aza mamboatra ny sahanao.
5 遺落自長的莊稼不可收割;沒有修理的葡萄樹也不可摘取葡萄。這年,地要守聖安息。
Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’ izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ ny tany izany.
6 地在安息年所出的,要給你和你的僕人、婢女、雇工人,並寄居的外人當食物。
Ary izay maniry ho azy amin’ ny sabatan’ ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
7 這年的土產也要給你的牲畜和你地上的走獸當食物。」
sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo amin’ ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny.
8 「你要計算七個安息年,就是七七年。這便為你成了七個安息年,共是四十九年。
Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron’ ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona.
9 當年七月初十日,你要大發角聲;這日就是贖罪日,要在遍地發出角聲。
Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito; dia amin’ ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ ny taninareo.
10 第五十年,你們要當作聖年,在遍地給一切的居民宣告自由。這年必為你們的禧年,各人要歸自己的產業,各歸本家。
Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ ny tany ho an’ ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ ny taninareo avy ianareo sy any amin’ ny mpianakavinareo avy.
11 第五十年要作為你們的禧年。這年不可耕種;地中自長的,不可收割;沒有修理的葡萄樹也不可摘取葡萄。
Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’ izay tsy namboarinareo;
12 因為這是禧年,你們要當作聖年,吃地中自出的土產。
fa Jobily izany ka ho masìna ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.
13 「這禧年,你們各人要歸自己的地業。
Amin’ izany taona Jobily izany dia samy hody amin’ ny taninareo avy ianareo.
14 你若賣甚麼給鄰舍,或是從鄰舍的手中買甚麼,彼此不可虧負。
Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin’ ny namanao ianao, aza misy manao sarotra:
15 你要按禧年以後的年數向鄰舍買;他也要按年數的收成賣給你。
araka ny isan’ ny taona aorian’ ny Jobily no hividiananao amin’ ny namanao; ary araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao.
16 年歲若多,要照數加添價值;年歲若少,要照數減去價值,因為他照收成的數目賣給你。
Araka ny hamaron’ ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin’ ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao.
17 你們彼此不可虧負,只要敬畏你們的上帝,因為我是耶和華-你們的上帝。」
Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa matahora an’ Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
18 「我的律例,你們要遵行,我的典章,你們要謹守,就可以在那地上安然居住。
Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin’ ny tany ianareo.
19 地必出土產,你們就要吃飽,在那地上安然居住。
Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
20 你們若說:『這第七年我們不耕種,也不收藏土產,吃甚麼呢?』
Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin’ ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray;
21 我必在第六年將我所命的福賜給你們,地便生三年的土產。
dia hataoko aminareo ny fitahiako amin’ ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin’ ny telo taona.
22 第八年,你們要耕種,也要吃陳糧,等到第九年出產收來的時候,你們還吃陳糧。」
Ary hamafy amin’ ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan’ ny taona fahasivy; mandra-pahatongan’ ny vao no hihinananareo ny tranainy.
23 「地不可永賣,因為地是我的;你們在我面前是客旅,是寄居的。
Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
24 在你們所得為業的全地,也要准人將地贖回。
Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin’ ny tany rehetra izay lovanareo.
25 你的弟兄若漸漸窮乏,賣了幾分地業,他至近的親屬就要來把弟兄所賣的贖回。
Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin’ ny rahalahiny.
26 若沒有能給他贖回的,他自己漸漸富足,能夠贖回,
Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,
27 就要算出賣地的年數,把餘剩年數的價值還那買主,自己便歸回自己的地業。
dia aoka hanisa ny taona hatramin’ ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an’ ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin’ ny taniny izy.
28 倘若不能為自己得回所賣的,仍要存在買主的手裏直到禧年;到了禧年,地業要出買主的手,自己便歸回自己的地業。
Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan’ ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan’ ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin’ ny Jobily, ka hody amin’ ny taniny ralehilahy.
29 「人若賣城內的住宅,賣了以後,一年之內可以贖回;在一整年,必有贖回的權柄。
Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin’ ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin’ izany no hahazoany manavotra azy.
30 若在一整年之內不贖回,這城內的房屋就定准永歸買主,世世代代為業;在禧年也不得出買主的手。
Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin’ ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an’ izay nividy azy sy ho an’ ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin’ ny Jobily aza.
31 但房屋在無城牆的村莊裏,要看如鄉下的田地一樣,可以贖回;到了禧年,都要出買主的手。
Fa ny trano ao amin’ ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin’ ny Jobily.
32 然而利未人所得為業的城邑,其中的房屋,利未人可以隨時贖回。
Kanefa ny amin’ ny tanànan’ ny Levita, ny trano ao amin’ ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon’ ny Levita avotana ihany na oviana na oviana.
33 若是一個利未人不將所賣的房屋贖回,是在所得為業的城內,到了禧年就要出買主的手,因為利未人城邑的房屋是他們在以色列人中的產業。
Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin’ ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan’ ny Levita dia lovany ao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
34 只是他們各城郊野之地不可賣,因為是他們永遠的產業。」
Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
35 「你的弟兄在你那裏若漸漸貧窮,手中缺乏,你就要幫補他,使他與你同住,像外人和寄居的一樣。
Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
36 不可向他取利,也不可向他多要;只要敬畏你的上帝,使你的弟兄與你同住。
Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an’ Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
37 你借錢給他,不可向他取利;借糧給他,也不可向他多要。
Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
38 我是耶和華-你們的上帝,曾領你們從埃及地出來,為要把迦南地賜給你們,要作你們的上帝。」
Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
39 「你的弟兄若在你那裏漸漸窮乏,將自己賣給你,不可叫他像奴僕服事你。
Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
40 他要在你那裏像雇工人和寄居的一樣,要服事你直到禧年。
fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan’ ny taona Jobily no hanompoany anao.
41 到了禧年,他和他兒女要離開你,一同出去歸回本家,到他祖宗的地業那裏去。
Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin’ ny mpianakaviny sy amin’ ny tanin-drazany koa.
42 因為他們是我的僕人,是我從埃及地領出來的,不可賣為奴僕。
Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo.
43 不可嚴嚴地轄管他,只要敬畏你的上帝。
Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an’ Andriamanitrao.
44 至於你的奴僕、婢女,可以從你四圍的國中買。
Ary ny amin’ izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin’ ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy.
45 並且那寄居在你們中間的外人和他們的家屬,在你們地上所生的,你們也可以從其中買人;他們要作你們的產業。
Ary amin’ ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin’ ny taranany izay haterany eo amin’ ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.
46 你們要將他們遺留給你們的子孫為產業,要永遠從他們中間揀出奴僕;只是你們的弟兄以色列人,你們不可嚴嚴地轄管。
Ary hataonareo lovan’ ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra.
47 「住在你那裏的外人,或是寄居的,若漸漸富足,你的弟兄卻漸漸窮乏,將自己賣給那外人,或是寄居的,或是外人的宗族,
Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin’ ny vahiny eo aminao, na amin’ ny taranaky ny vahiny;
48 賣了以後,可以將他贖回。無論是他的弟兄,
na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin’ ny rahalahiny no mahazo manavotra azy:
49 或伯叔、伯叔的兒子,本家的近支,都可以贖他。他自己若漸漸富足,也可以自贖。
na ny rahalahin-drainy, na ny zanak’ olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin’ ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
50 他要和買主計算,從賣自己的那年起,算到禧年;所賣的價值照着年數多少,好像工人每年的工價。
Ary dia hisainy amin’ izay nividy azy hatramin’ ny taona nivarotana azy ka hatramin’ ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan’ ny taona; dia ara-kevitry ny andron’ ny mpikarama no hiheverana azy.
51 若缺少的年數多,就要按着年數從買價中償還他的贖價。
Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin’ ny vola vidiny teo aloha.
52 若到禧年只缺少幾年,就要按着年數和買主計算,償還他的贖價。
Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan’ ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony.
53 他和買主同住,要像每年雇的工人,買主不可嚴嚴地轄管他。
Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy.
54 他若不這樣被贖,到了禧年,要和他的兒女一同出去。
Ary raha tsy voavotra amin’ izay izy, dia ho afaka amin’ ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.
55 因為以色列人都是我的僕人,是我從埃及地領出來的。我是耶和華-你們的上帝。」
Fa mpanompoko ny Zanak’ Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

< 利未記 25 >