< 利未記 19 >

1 耶和華對摩西說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 「你曉諭以色列全會眾說:你們要聖潔,因為我耶和華-你們的上帝是聖潔的。
Mitenena amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masìna ianareo, satria masìna Aho, Jehovah Andriamanitrareo.
3 你們各人都當孝敬父母,也要守我的安息日。我是耶和華-你們的上帝。
Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
4 你們不可偏向虛無的神,也不可為自己鑄造神像。我是耶和華-你們的上帝。
Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
5 你們獻平安祭給耶和華的時候,要獻得可蒙悅納。
Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah ianareo, dia ataovy amin’ izay hankasitrahana anareo izany.
6 這祭物要在獻的那一天和第二天吃,若有剩到第三天的,就必用火焚燒。
Amin’ izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin’ ny ampitson’ ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin’ ny afo izany.
7 第三天若再吃,這就為可憎惡的,必不蒙悅納。
Ary raha hanina amin’ ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana;
8 凡吃的人必擔當他的罪孽;因為他褻瀆了耶和華的聖物,那人必從民中剪除。
fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin’ i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izany olona izany.
9 「在你們的地收割莊稼,不可割盡田角,也不可拾取所遺落的。
Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao.
10 不可摘盡葡萄園的果子,也不可拾取葡萄園所掉的果子;要留給窮人和寄居的。我是耶和華-你們的上帝。
Ary aza otazana avokoa ny eo amin’ ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ ny sahanao; fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
11 「你們不可偷盜,不可欺騙,也不可彼此說謊。
Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga.
12 不可指着我的名起假誓,褻瀆你上帝的名。我是耶和華。
Aza mianian-tsy tò amin’ ny anarako, na manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
13 「不可欺壓你的鄰舍,也不可搶奪他的物。雇工人的工價,不可在你那裏過夜,留到早晨。
Aza manao an-keriny amin’ ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman’ izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.
14 不可咒罵聾子,也不可將絆腳石放在瞎子面前,只要敬畏你的上帝。我是耶和華。
Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan’ ny jamba; fa matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
15 「你們施行審判,不可行不義;不可偏護窮人,也不可重看有勢力的人,只要按着公義審判你的鄰舍。
Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana; aza miandany foana amin’ ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
16 不可在民中往來搬弄是非,也不可與鄰舍為敵,置之於死。我是耶和華。
Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ ny namanao: Izaho no Jehovah.
17 「不可心裏恨你的弟兄;總要指摘你的鄰舍,免得因他擔罪。
Aza mankahala ny rahalahinao amin’ ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
18 不可報仇,也不可埋怨你本國的子民,卻要愛人如己。我是耶和華。
Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
19 「你們要守我的律例。不可叫你的牲畜與異類配合;不可用兩樣攙雜的種種你的地,也不可用兩樣攙雜的料做衣服穿在身上。
Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin’ ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin’ ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho.
20 「婢女許配了丈夫,還沒有被贖、得釋放,人若與她行淫,二人要受刑罰,卻不把他們治死,因為婢女還沒有得自由。
Ary raha misy mandry amin’ ny andevovavy izay voafofon’ olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy.
21 那人要把贖愆祭,就是一隻公綿羊牽到會幕門口、耶和華面前。
Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;
22 祭司要用贖愆祭的羊在耶和華面前贖他所犯的罪,他的罪就必蒙赦免。
ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin’ ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan’ i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany.
23 「你們到了迦南地,栽種各樣結果子的樹木,就要以所結的果子如未受割禮的一樣。三年之久,你們要以這些果子,如未受割禮的,是不可吃的。
Ary raha tonga any amin’ ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina;
24 但第四年所結的果子全要成為聖,用以讚美耶和華。
ary amin’ ny taona fahefatra dia ho masìna ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an’ i Jehovah;
25 第五年,你們要吃那樹上的果子,好叫樹給你們結果子更多。我是耶和華-你們的上帝。
fa amin’ ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan’ ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
26 「你們不可吃帶血的物;不可用法術,也不可觀兆。
Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro.
27 頭的周圍不可剃,鬍鬚的周圍也不可損壞。
Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.
28 不可為死人用刀劃身,也不可在身上刺花紋。我是耶和華。
Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin’ ny tenanareo: Izaho no Jehovah.
29 「不可辱沒你的女兒,使她為娼妓,恐怕地上的人專向淫亂,地就滿了大惡。
Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana.
30 你們要守我的安息日,敬我的聖所。我是耶和華。
Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masìna: Izaho no Jehovah.
31 「不可偏向那些交鬼的和行巫術的;不可求問他們,以致被他們玷污了。我是耶和華-你們的上帝。
Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
32 「在白髮的人面前,你要站起來;也要尊敬老人,又要敬畏你的上帝。我是耶和華。
Mitsangàna raha eo anatrehan’ ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan’ ny anti-panahy, ary matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
33 「若有外人在你們國中和你同居,就不可欺負他。
Ary raha misy mivahiny aminao eo amin’ ny taninareo, aza manao sarotra aminy.
34 和你們同居的外人,你們要看他如本地人一樣,並要愛他如己,因為你們在埃及地也作過寄居的。我是耶和華-你們的上帝。
Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
35 「你們施行審判,不可行不義;在尺、秤、升、斗上也是如此。
Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana, na amin’ ny fandrefesana, na amin’ ny fandanjana, na amin’ ny famarana.
36 要用公道天平、公道法碼、公道升斗、公道秤。我是耶和華-你們的上帝,曾把你們從埃及地領出來的。
Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
37 你們要謹守遵行我一切的律例典章。我是耶和華。」
Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah.

< 利未記 19 >