< 利未記 13 >

1 耶和華曉諭摩西、亞倫說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 「人的肉皮上若長了癤子,或長了癬,或長了火斑,在他肉皮上成了大痲瘋的災病,就要將他帶到祭司亞倫或亞倫作祭司的一個子孫面前。
Raha misy mamontsina eo amin’ ny hoditry ny nofon’ ny olona, na misy manako-pery na misy mifaritra mangirana, ka eo amin’ ny hoditry ny nofony tahaka ny habokana izany, dia ho entina ho eo amin’ i Arona mpisorona izy, na ho eo amin’ izay iray amin’ ny mpisorona, zanak’ i Arona;
3 祭司要察看肉皮上的災病,若災病處的毛已經變白,災病的現象深於肉上的皮,這便是大痲瘋的災病。祭司要察看他,定他為不潔淨。
koa raha zahan’ ny mpisorona ny aretina eo amin’ ny hoditry ny nofo, ka efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ ny aretina, ary efa lalina noho ny hoditry ny nofo no fijeriny ny aretina, dia habokana izany; ary raha zahan’ ny mpisorona izy, dia hataony hoe maloto.
4 若火斑在他肉皮上是白的,現象不深於皮,其上的毛也沒有變白,祭司就要將有災病的人關鎖七天。
Fa raha misy mifaritra fotsy mangirana kosa eo amin’ ny hoditry ny nofony, nefa tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary tsy niova ho fotsy ny volony, dia hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana ilay marary.
5 第七天,祭司要察看他,若看災病止住了,沒有在皮上發散,祭司還要將他關鎖七天。
Ary raha zahan’ ny mpisorona amin’ ny andro fahafito izy, ka hitany fa tsy mitombo ny aretina sady tsy manitatra eo amin’ ny hoditra, dia hatokany toerana hafitoana indray izy;
6 第七天,祭司要再察看他,若災病發暗,而且沒有在皮上發散,祭司要定他為潔淨,原來是癬;那人就要洗衣服,得為潔淨。
ary raha zahan’ ny mpisorona indray amin’ ny andro fahafito izy, ka hitany fa matromatroka ny aretina sady tsy manitatra eo amin’ ny hoditra, dia hataony hoe madio izy: manako-pery ihany izany, ka hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
7 但他為得潔淨,將身體給祭司察看以後,癬若在皮上發散開了,他要再將身體給祭司察看。
Fa raha nanitatra teo amin’ ny hodiny kosa ny manako-pery, taorian’ ny nisehoany tamin’ ny mpisorona ny amin’ ny fanadiovana azy, dia hiseho amin’ ny mpisorona indray izy.
8 祭司要察看,癬若在皮上發散,就要定他為不潔淨,是大痲瘋。
Ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa manitatra eo amin’ ny hoditra ny manako-pery, dia hataony hoe maloto izy: habokana izany.
9 「人有了大痲瘋的災病,就要將他帶到祭司面前。
Raha misy habokana amin’ ny olona, dia ho entina any amin’ ny mpisorona izy;
10 祭司要察看,皮上若長了白癤,使毛變白,在長白癤之處有了紅瘀肉,
ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa misy mamontsina fotsy eo amin’ ny hoditra, sady efa niova ho fotsy ny volo, ary misy nofo mangenahena hita eo amin’ ny mamontsina,
11 這是肉皮上的舊大痲瘋,祭司要定他為不潔淨,不用將他關鎖,因為他是不潔淨了。
dia habokana efa ela teo amin’ ny hoditry ny nofony izany, ka hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy; tsy hatokany toerana akory izy, fa efa maloto.
12 大痲瘋若在皮上四外發散,長滿了患災病人的皮,據祭司察看,從頭到腳無處不有,
Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin’ ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr’ ilay marary hatramin’ ny lohany ka hatramin’ ny tongony, na aiza na aiza zahan’ ny mpisorona,
13 祭司就要察看,全身的肉若長滿了大痲瘋,就要定那患災病的為潔淨;全身都變為白,他乃潔淨了。
ary zahan’ ny mpisorona, ka hitany fa manenika ny tenany rehetra ny habokana, dia hataony hoe madio ilay marary; fa efa niova ho fotsy avokoa izy, ka dia madio.
14 但紅肉幾時顯在他的身上就幾時不潔淨。
Fa raha misy nofo mangenahena miseho eo aminy, dia haloto izy.
15 祭司一看那紅肉就定他為不潔淨。紅肉本是不潔淨,是大痲瘋。
Ary raha zahan’ ny mpisorona ny nofo mangenahena, dia hataony hoe maloto izy; fa maloto ny nofo mangenahena: habokana izany.
16 紅肉若復原,又變白了,他就要來見祭司。
Ary raha miova ny nofo mangenahena ka tonga fotsy, dia hankeo amin’ ny Mpisorona izy;
17 祭司要察看,災病處若變白了,祭司就要定那患災病的為潔淨,他乃潔淨了。
ary raha zahan’ ny mpisorona ilay marary, ka hitany fa tonga fotsy ny aretina, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio izy, fa efa madio.
18 「人若在皮肉上長瘡,卻治好了,
Ary raha misy fery sitrana eo amin’ ny hoditry ny nofo,
19 在長瘡之處又起了白癤,或是白中帶紅的火斑,就要給祭司察看。
ary misy fotsy mamontsina eo amin’ ny holatry ny fery, na misy holamena, dia hiseho amin’ ny mpisorona izy.
20 祭司要察看,若現象窪於皮,其上的毛也變白了,就要定他為不潔淨,是大痲瘋的災病發在瘡中。
Ary raha zahan’ ny mpisorona izy, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary efa niova ho fotsy ny volony, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy: habokana efa mipoitra eo amin’ ny fery izany.
21 祭司若察看,其上沒有白毛,也沒有窪於皮,乃是發暗,就要將他關鎖七天。
Fa raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana izy;
22 若在皮上發散開了,祭司就要定他為不潔淨,是災病。
ary raha nanitra mihitsy teo amin’ ny hoditra izany, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy: habokana izany.
23 火斑若在原處止住,沒有發散,便是瘡的痕跡,祭司就要定他為潔淨。
Fa raha tsy mitombo ny faritra mangirana, ka tsy manitatra, dia fahamaimaizana eo amin’ ny fery izany; ary hataon’ ny mpisorona hoe madio.
24 「人的皮肉上若起了火毒,火毒的瘀肉成了火斑,或是白中帶紅的,或是全白的,
Ary raha misy main’ ny afo eo amin’ ny hoditry ny nofo, ary hita ny may, fa mitarehi-kola-mena,
25 祭司就要察看,火斑中的毛若變白了,現象又深於皮,是大痲瘋在火毒中發出,就要定他為不潔淨,是大痲瘋的災病。
ary zahan’ ny mpisorona ka hitany fa efa niova ho fotsy ny volo eo amin’ ny itoeran’ ny mifaritra mangirana, ary lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia habokana efa mipoipoitra eo amin’ ny may izany, ka hataon’ ny mpisorona hoe maloto, habokana izany.
26 但是祭司察看,在火斑中若沒有白毛,也沒有窪於皮,乃是發暗,就要將他關鎖七天。
Fa raha zahan’ ny mpisorona izy, ka hitany fa tsy misy volo fotsy eo amin’ ny mifaritra mangirana, ary tsy lalina noho ny hoditra izy sady matromatroka ihany, dia hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana izy,
27 到第七天,祭司要察看他,火斑若在皮上發散開了,就要定他為不潔淨,是大痲瘋的災病。
ary raha zahan’ ny mpisorona amin’ ny andro fahafito izy, ka nanitatra mihitsy teo amin’ ny hoditra izany, dia hataony hoe maloto: habokana izany.
28 火斑若在原處止住,沒有在皮上發散,乃是發暗,是起的火毒,祭司要定他為潔淨,不過是火毒的痕跡。
Ary raha tsy mitombo ny faritra fotsy mangirana ka tsy nanitatra teo amin’ ny hoditra, fa matromatroka ihany, dia mamontsina eo amin’ ny may izany; ary hataon’ ny mpisorona hoe madio izy fa fahamaimaizana ihany izany.
29 「無論男女,若在頭上有災病,或是男人鬍鬚上有災病,
Ary raha misy lehilahy na vehivavy manana aretina eo amin’ ny lohany na eo amin’ ny saokany,
30 祭司就要察看;這災病現象若深於皮,其間有細黃毛,就要定他為不潔淨,這是頭疥,是頭上或是鬍鬚上的大痲瘋。
ary zahan’ ny mpisorona ny aretina, ka lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, ary misy volo madinika tomamotamo eo, dia hataon’ ny mpisorona hoe maloto izy, olona kongonina izany, dia habokana eo amin’ ny loha na eo amin’ ny saoka izy.
31 祭司若察看頭疥的災病,現象不深於皮,其間也沒有黑毛,就要將長頭疥災病的關鎖七天。
Fa raha zahan’ ny mpisorona ny kongonina, ka tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, nefa tsy misy volo mainty eo, dia hatokany toerana hafitoana ilay olona kongonina.
32 第七天,祭司要察看災病,若頭疥沒有發散,其間也沒有黃毛,頭疥的現象不深於皮,
Ary raha zahan’ ny mpisorona ny aretina amin’ ny andro fahafito, ka hitany fa tsy nanitatra ny aretina, atỳ tsy misy volo tomamotamo eo, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy,
33 那人就要剃去鬚髮,但他不可剃頭疥之處。祭司要將那長頭疥的,再關鎖七天。
dia hiharatra izy, fa ny misy ny aretina tsy hoharatany; ary hatokan’ ny mpisorona toerana hafitoana indray ilay olona kongonina.
34 第七天,祭司要察看頭疥,頭疥若沒有在皮上發散,現象也不深於皮,就要定他為潔淨,他要洗衣服,便成為潔淨。
Ary raha zahan’ ny mpisorona amin’ ny andro fahafito ny kongonina, ka hitany fa tsy nanitatra teo amin’ ny hoditra ny aretina, ary tsy lalina noho ny hoditra no fijeriny azy, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio izy; ary hanasa ny fitafiany izy, dia hadio.
35 但他得潔淨以後,頭疥若在皮上發散開了,
Fa raha nanitatra teo amin’ ny hoditra mihitsy ny aretina, rehefa natao hoe madio izy,
36 祭司就要察看他。頭疥若在皮上發散,就不必找那黃毛,他是不潔淨了。
dia hozahan’ ny mpisorona izy, ka raha nitany fa nanitatra teo amin’ ny hoditra ny aretina, dia tsy hitady ny volo tomamotamo intsony ny mpisorona; efa maloto izy.
37 祭司若看頭疥已經止住,其間也長了黑毛,頭疥已然痊癒,那人是潔淨了,就要定他為潔淨。
Nefa raha hitany fa tsy mitombo ny aretina, ka misy volo mainty maniry eo, dia sitrana ny kongonina, ka madio izy; ary hataon’ ny mpisorona hoe madio.
38 「無論男女,皮肉上若起了火斑,就是白火斑,
Ary raha misy lehilahy na vehivavy misy mifaritra mangirana eo amin’ ny hoditry ny nofony, dia mifaritra fotsy mangirana,
39 祭司就要察看,他們肉皮上的火斑若白中帶黑,這是皮上發出的白癬,那人是潔淨了。
ary zahan’ ny mpisorona, ka hitany fa misy mifaritra fotsy eo amin’ ny hoditry ny nofony mangirana, nefa matromatroka, dia aretina mamentimpetina fotsy mipoipoitra eo amin’ ny hoditra izany, madio izany.
40 「人頭上的髮若掉了,他不過是頭禿,還是潔淨。
Ary ny amin’ ny lehilahy mihintsam-bolon-doha, dia sola ihany izy ka madio.
41 他頂前若掉了頭髮,他不過是頂門禿,還是潔淨。
Ary raha mihintsana ny volony eo ambonin’ ny handriny, dia mazavaray ihany izy ka madio.
42 頭禿處或是頂門禿處若有白中帶紅的災病,這就是大痲瘋發在他頭禿處或是頂門禿處,
Fa raha misy aretina tera-mena sady fotsy, na eo amin’ ny loha sola, na eo amin’ ny mazavaray, dia boka mipoipoitra amin’ ny loha sola, na amin’ ny mazavaray izany
43 祭司就要察看,他起的那災病若在頭禿處或是頂門禿處有白中帶紅的,像肉皮上大痲瘋的現象,
Ary raha zahan’ ny mpisorona izy ka hitany fa tera-mena somary fotsy no famontsin’ ny aretina eo amin’ ny loha sola, na eo amin’ ny mazavaray, tahaka ny fisehon’ ny habokana eo amin’ ny hoditry ny nofo,
44 那人就是長大痲瘋,不潔淨的,祭司總要定他為不潔淨,他的災病是在頭上。
dia lehilahy boka izy ka maloto; hataon’ ny mpisorona hoe maloto tokoa izy: eo amin’ ny lohany ny aretina.
45 「身上有長大痲瘋災病的,他的衣服要撕裂,也要蓬頭散髮,蒙着上唇,喊叫說:『不潔淨了!不潔淨了!』
Ary ny amin’ izay efa boka mihitsy, dia lamba triatra no ho fitafiany, ary hirakaraka ny volony, dia hisarom-bava izy sady hiantsoantso hoe: Maloto e! maloto e!
46 災病在他身上的日子,他便是不潔淨;他既是不潔淨,就要獨居營外。」
Amin’ ny andro rehetra izay haharariany amin’ izany aretina izany dia haloto izy; eny, maloto izy, dia hitoetra mitokana, ka eny ivelan’ ny toby no itoerany.
47 「染了大痲瘋災病的衣服,無論是羊毛衣服、是麻布衣服,
Amin’ ny fitafiana izay misy habokana, na fitafiana volon’ ondry, na fitafiana rongony,
48 無論是在經上、在緯上,是麻布的、是羊毛的,是在皮子上,或在皮子做的甚麼物件上,
sy izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na rongony, na volon’ ondry, ary ny hoditra, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra,
49 或在衣服上、皮子上,經上、緯上,或在皮子做的甚麼物件上,這災病若是發綠,或是發紅,是大痲瘋的災病,要給祭司察看。
raha maitsomaitso na menamena eo amin’ ny fitafiana ny aretina, na eo amin’ ny hoditra, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia habokana izany ka haseho amin’ ny mpisorona.
50 祭司就要察看那災病,把染了災病的物件關鎖七天。
Ary hozahan’ ny mpisorona ny aretina ka hatokana toerana hafitoana ilay zavatra misy azy.
51 第七天,他要察看那災病,災病或在衣服上,經上、緯上,皮子上,若發散,這皮子無論當作何用,這災病是蠶食的大痲瘋,都是不潔淨了。
Ary raha zahany ny aretina amin’ ny andro fahafito, ka nanitatra teo amin’ ny fitafiana ny aretina, na teo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia habokana mafy izany, ka dia maloto.
52 那染了災病的衣服,或是經上、緯上,羊毛上,麻衣上,或是皮子做的甚麼物件上,他都要焚燒;因為這是蠶食的大痲瘋,必在火中焚燒。
Dia hodorana ny fiafiana, na izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na volon’ ondry, na rongony, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra, izay misy aretina; fa habokana mafy izany, ka dia hodorana amin’ ny afo.
53 「祭司要察看,若災病在衣服上,經上、緯上,或是皮子做的甚麼物件上,沒有發散,
Ary raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa ny aretina tsy nanitatra teo amin’ ny fitafiana, na teo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na teo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra,
54 祭司就要吩咐他們,把染了災病的物件洗了,再關鎖七天。
dia hasain’ mpisorona hosasana izay misy izany, ary hatokana toerana hafitoana indray izy;
55 洗過以後,祭司要察看,那物件若沒有變色,災病也沒有消散,那物件就不潔淨,是透重的災病,無論正面反面,都要在火中焚燒。
ary rehefa voasasa izy, dia hozahan’ ny mpisorona indray ny aretina; ka raha hitany fa tsy niova tarehy ny aretina, na dia tsy nanitatra aza, dia maloto izy ka hodoranao amin’ ny afo; aretina mafy izany, na amin’ ny atiny, na amin’ ny ivelany.
56 洗過以後,祭司要察看,若見那災病發暗,他就要把那災病從衣服上,皮子上,經上、緯上,都撕去。
Fa raha mizaha azy ny mpisorona, ka hitany fa matromatroka ny aretina, rehefa voasasa izy, dia hesorina ho afaka amin’ ny fitafiana ny misy izany, na ho afaka amin’ ny hoditra, na ho afaka amin’ ny tenany, na izay ho fahany.
57 若仍現在衣服上,或是經上、緯上、皮子做的甚麼物件上,這就是災病又發了,必用火焚燒那染災病的物件。
Ary raha mbola misy miseho eo amin’ ny fitafiana indray izy, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, dia aretina mipoipoitra izany, ka hodorana amin’ ny afo izay misy izany.
58 所洗的衣服,或是經,或是緯,或是皮子做的甚麼物件,若災病離開了,要再洗,就潔淨了。」
Ary ny fitafiana, na izay ho an’ ny tenany, na izay ho fahany, na izay zavatra natao tamin’ ny hoditra, izay hosasanao, raha afaka taminy ny aretina, dia hosasana fanindroany izy ka hadio.
59 這就是大痲瘋災病的條例,無論是在羊毛衣服上,麻布衣服上,經上、緯上,和皮子做的甚麼物件上,可以定為潔淨或是不潔淨。
Izany no lalàna ny amin’ ny habokana eo amin’ ny fitafiana volon’ ondry na rongony, na eo amin’ izay ho tenany, na izay ho fahany, na eo amin’ ny zavatra natao tamin’ ny hoditra, hanaovana azy hoe madio, na hanaovana azy hoe maloto.

< 利未記 13 >