< 利未記 11 >

1 耶和華對摩西、亞倫說:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe:
2 「你們曉諭以色列人說,在地上一切走獸中可吃的乃是這些:
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izao no ho fihinanareo amin’ ny biby rehetra ambonin’ ny tany:
3 凡蹄分兩瓣、倒嚼的走獸,你們都可以吃。
Izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony, sady mandinika izy, no ho fihinanareo.
4 但那倒嚼或分蹄之中不可吃的乃是:駱駝-因為倒嚼不分蹄,就與你們不潔淨;
Kanefa amin’ izay mandinika sy mivaky kitro dia izao kosa no tsy ho fihinanareo: Ny rameva, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
5 沙番-因為倒嚼不分蹄,就與你們不潔淨;
ary ny hyraka, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro: maloto aminareo izy;
6 觠子-因為倒嚼不分蹄,就與你們不潔淨;
ary ny rabitro, satria mandinika ihany izy, nefa tsy mba mivaky kitro; maloto aminareo izy;
7 豬-因為蹄分兩瓣,卻不倒嚼,就與你們不潔淨。
ary ny kisoa, satria mivaky kitro ihany izy ka misaraka tsara ny kitrony, nefa tsy mba mandinika izy: maloto aminareo izy.
8 這些獸的肉,你們不可吃;死的,你們不可摸,都與你們不潔淨。
Ny henan’ ireny tsy ho fihinanareo, ary ny fatiny tsy hokasihinareo akory; zava-maloto aminareo ireny.
9 「水中可吃的乃是這些:凡在水裏、海裏、河裏、有翅有鱗的,都可以吃。
Ary amin’ izay rehetra ao anatin’ ny rano dia izao no ho fihinanareo: Izay rehetra misy vombony sy kirany ao anaty rano, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, no ho fihinanareo;
10 凡在海裏、河裏,並一切水裏游動的活物,無翅無鱗的,你們都當以為可憎。
fa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany kosa, na ao anatin’ ny ranomasina, na ao anatin’ ny ony, na amin’ izay rehetra mihetsiketsika ao anaty rano sy amin’ ny zava-manan’ aina izay ao anaty rano; fahavetavetana aminareo ireny;
11 這些無翅無鱗、以為可憎的,你們不可吃牠的肉;死的也當以為可憎。
eny, ho fahavetavetana aminareo ireny; tsy ho fihinanareo ny nofony, ary hataonareo ho zava-betaveta ny fatiny.
12 凡水裏無翅無鱗的,你們都當以為可憎。
Izay rehetra tsy misy vombony na kirany ao anaty rano dia ho zava-betaveta aminareo.
13 「雀鳥中你們當以為可憎、不可吃的乃是:鵰、狗頭鵰、紅頭鵰、
Ary izao no ho zava-betaveta aminareo amin’ ny vorona ka tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta izy: ny voltora sy ny gypa sy ny ankoay
14 鷂鷹、小鷹與其類;
ary ny papango sy ny voromahery, isan-karazany,
15 烏鴉與其類;
ary ny goaika rehetra, isan-karazany,
16 鴕鳥、夜鷹、魚鷹、鷹與其類;
ary ny ostritsa sy ny tararaka sy ny vorondriaka sy ny hitsikitsika, isan-karazany,
17 鴞鳥、鸕鶿、貓頭鷹、
ary ny vorondolo sy ny manarana sy ny vorondolo lehibe
18 角鴟、鵜鶘、禿鵰、
ary ny ibisa sy ny sama ary ny voltora madinika
19 鸛、鷺鷥與其類;戴鵀與蝙蝠。
sy ny vano sy ny vanobe, isan-karazany, ary ny takidara sy ny manavy.
20 「凡有翅膀用四足爬行的物,你們都當以為可憎。
Ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho zava-betaveta aminareo;
21 只是有翅膀用四足爬行的物中,有足有腿,在地上蹦跳的,你們還可以吃。
nefa izao kosa no ho fihinanareo amin’ ny zava-mandady izay manana elatra sady mandia tongotra efatra, dia izay manam-pingotra ambonin’ ny faladiany hitsipihany eo amin’ ny tany.
22 其中有蝗蟲、螞蚱、蟋蟀與其類;蚱蜢與其類;這些你們都可以吃。
Amin’ ireny dia izao no ho fihinanareo; ny valala, isan-karazany, ny solama, isan-karazany, ary ny hargola, isan-karazany, ary ny hagaba, isan-karazany.
23 但是有翅膀有四足的爬物,你們都當以為可憎。
Fa ny zava-mandady rehetra izay manana elatra sady mandia tongotra efatra afa-tsy ireo dia ho zava-betaveta aminareo.
24 「這些都能使你們不潔淨。凡摸了死的,必不潔淨到晚上。
Dia Ireo no ho zava-maloto aminareo; ary izay rehetra mikasika ny fatiny dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
25 凡拿了死的,必不潔淨到晚上,並要洗衣服。
Ary izay rehetra mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ary haloto mandra-paharivan’ ny andro.
26 凡走獸分蹄不成兩瓣、也不倒嚼的,是與你們不潔淨;凡摸了的就不潔淨。
Ny biby rehetra izay mivaky kitro, nefa tsy mba misara-kitro tsara sady tsy mandinika, dia ho zava-maloto aminareo; haloto izay rehetra mikasika azy.
27 凡四足的走獸,用掌行走的,是與你們不潔淨;摸其屍的,必不潔淨到晚上。
Ary izay rehetra mandeha amin’ ny faladiany, amin’ ny biby rehetra izay mandia tongotra efatra, dia zava-maloto aminareo; haloto mandra-paharivan’ ny andro izay rehetra mikasika ny fatiny.
28 拿其屍的,必不潔淨到晚上,並要洗衣服。這些是與你們不潔淨的。
Ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany ka haloto mandra-paharivan’ ny andro; ho zava-maloto aminareo ireny.
29 「地上爬物與你們不潔淨的乃是這些:鼬鼠、鼫鼠、蜥蜴與其類;
Ary izao no haloto aminareo amin’ ny biby izay mandady na mikisaka amin’ ny tany: ny kionkiona sy ny totozy ary ny sitry, isan-karazany,
30 壁虎、龍子、守宮、蛇醫、蝘蜓。
ary ny anakà sy ny koaha sy ny letaha sy ny hometa ary ny tana.
31 這些爬物都是與你們不潔淨的。在牠死了以後,凡摸了的,必不潔淨到晚上。
Ireo no maloto aminareo amin’ ny biby rehetra izay mandady na mikisaka; izay rehetra mikasika ny fatin’ ireo dia haloto mandra-paharivan’ ny andro.
32 其中死了的,掉在甚麼東西上,這東西就不潔淨,無論是木器、衣服、皮子、口袋,不拘是做甚麼工用的器皿,須要放在水中,必不潔淨到晚上,到晚上才潔淨了。
Ary izay zavatra rehetra ilatsahan’ ny fatin’ Ireo, na fanaka hazo, na fitafiana, na hoditra, na lasaka, izay mety ho fanaovan-javatra na inona na inona, dia haloto, ka tsy maintsy hatao anaty rano izany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy vao hadio.
33 若有死了掉在瓦器裏的,其中不拘有甚麼,就不潔淨,你們要把這瓦器打破了。
Ary ny amin’ ny vilany tany rehetra izay ilatsahan’ ny fatin’ ireo, dia haloto izay ao anatiny na inona na inona, ary ny vilany dia hovakinareo.
34 其中一切可吃的食物,沾水的就不潔淨,並且那樣器皿中一切可喝的,也必不潔淨。
Ary ny hanina fihinana rehetra, izay asian-drano, sy ny fisotro rehetra izay sotroina dia haloto koa, na tamin’ ny fanaka inona na tamin’ ny fanaka inona.
35 其中已死的,若有一點掉在甚麼物件上,那物件就不潔淨,不拘是爐子,是鍋臺,就要打碎,都不潔淨,也必與你們不潔淨。
Ary haloto izay zavatra rehetra ilatsahan’ ny fatin’ ireo, na fanendasana, na vilany mirakotra, dia hovakivakina izany; fa maloto ireny, ary ho zava-maloto aminareo.
36 但是泉源或是聚水的池子仍是潔淨;惟挨了那死的,就不潔淨。
Kanefa ny loharano na ny lavaka famorian-drano izay misy rano be dia hadio ihany; fa izay mikasika ny fatin-javatra eo no haloto.
37 若是死的,有一點掉在要種的子粒上,子粒仍是潔淨;
Ary raha misy fatin’ ireo latsaka amin’ ny voan-javatra famafy, izay efa hafafy, dia hadio ihany izany.
38 若水已經澆在子粒上,那死的有一點掉在上頭,這子粒就與你們不潔淨。
Fa raha misy voan-javatra nalona tamin’ ny rano ka ilatsahan’ ny fatiny, dia ho zava-maloto aminareo izany.
39 「你們可吃的走獸若是死了,有人摸牠,必不潔淨到晚上;
Ary raha misy maty izay biby fihinanareo, dia haloto mandra-paharivan’ ny andro izay mikasika ny fatiny.
40 有人吃那死了的走獸,必不潔淨到晚上,並要洗衣服;拿了死走獸的,必不潔淨到晚上,並要洗衣服。
Ary izay mihinana amin’ ny fatiny dia hanasa ny fitafiany, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro; ary izay mitondra ny fatiny dia hanasa ny fitafiany sady haloto mandra-paharivan’ ny andro
41 「凡地上的爬物是可憎的,都不可吃。
Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.
42 凡用肚子行走的和用四足行走的,或是有許多足的,就是一切爬在地上的,你們都不可吃,因為是可憎的。
Izay rehetra mandady amin’ ny kibony sy Izay rehetra mandia tongotra efatra ary izay rehetra maro tongotra, dia ny biby tehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia tsy ho fihinanareo, fa zava-betaveta ireny.
43 你們不可因甚麼爬物使自己成為可憎的,也不可因這些使自己不潔淨,以致染了污穢。
Aza mametaveta ny tenanareo amin’ izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.
44 我是耶和華-你們的上帝;所以你們要成為聖潔,因為我是聖潔的。你們也不可在地上的爬物污穢自己。
Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, dia manamasìna ny tenanareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho; ary aza mandoto ny tenanareo amin’ izay zavatra mandady na mikisaka amin’ ny tany.
45 我是把你們從埃及地領出來的耶和華,要作你們的上帝;所以你們要聖潔,因為我是聖潔的。」
Fa Izaho no Jehovah Izay nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, mba ho Andriamanitrareo, ka dia ho masìna ianareo, satria masìna Aho.
46 這是走獸、飛鳥,和水中游動的活物,並地上爬物的條例。
Izany no lalàna ny amin’ ny biby sy ny vorona sy ny zava-manan’ aina rehetra izay mihetsiketsika ao anaty rano ary ny zava-manan’ aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany,
47 要把潔淨的和不潔淨的,可吃的與不可吃的活物,都分別出來。
mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny biby izay ho fihinana sy ny biby izay tsy ho fihinana.

< 利未記 11 >