< 士師記 7 >

1 耶路‧巴力就是基甸,他和一切跟隨的人早晨起來,在哈律泉旁安營。米甸營在他們北邊的平原,靠近摩利岡。
Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin’ ny loharano Haroda; ary ny tobin’ ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan’ ny havoana More.
2 耶和華對基甸說:「跟隨你的人過多,我不能將米甸人交在他們手中,免得以色列人向我誇大,說:『是我們自己的手救了我們。』
Ary hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
3 現在你要向這些人宣告說:『凡懼怕膽怯的,可以離開基列山回去。』」於是有二萬二千人回去,只剩下一萬。
Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan’ ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin’ ny tany havoan’ i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.
4 耶和華對基甸說:「人還是過多;你要帶他們下到水旁,我好在那裏為你試試他們。我指點誰說:『這人可以同你去』,他就可以同你去;我指點誰說:『這人不可同你去』,他就不可同你去。」
Fa hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin’ ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
5 基甸就帶他們下到水旁。耶和華對基甸說:「凡用舌頭舔水,像狗舔的,要使他單站在一處;凡跪下喝水的,也要使他單站在一處。」
Ary dia nampidinin’ i Gideona ho eo amin’ ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin’ ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.
6 於是用手捧着舔水的有三百人,其餘的都跪下喝水。
Ary telon-jato lahy no isan’ izay nanainga ny tànany tamin’ ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.
7 耶和華對基甸說:「我要用這舔水的三百人拯救你們,將米甸人交在你手中;其餘的人都可以各歸各處去。」
Ary hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin’ ny fonenany avy.
8 這三百人就帶着食物和角;其餘的以色列人,基甸都打發他們各歸各的帳棚,只留下這三百人。米甸營在他下邊的平原裏。
Ary ny olona nitondra vatsy sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin’ ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin’ ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.
9 當那夜,耶和華吩咐基甸說:「起來,下到米甸營裏去,因我已將他們交在你手中。
Ary tamin’ izany alina izany dia hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Mitsangàna, midìna ho any amin’ ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io.
10 倘若你怕下去,就帶你的僕人普拉下到那營裏去。
Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin’ ny toby Pora zatovonao;
11 你必聽見他們所說的,然後你就有膽量下去攻營。」於是基甸帶着僕人普拉下到營旁。
dia ho renao izay lazain’ ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin’ ny toby. Dia nidina niaraka tamin’ i Pora zatovony izy ho any an-tsisin’ ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin’ ny toby.
12 米甸人、亞瑪力人,和一切東方人都布散在平原,如同蝗蟲那樣多。他們的駱駝無數,多如海邊的沙。
Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
13 基甸到了,就聽見一人將夢告訴同伴說:「我做了一夢,夢見一個大麥餅滾入米甸營中,到了帳幕,將帳幕撞倒,帳幕就翻轉傾覆了。」
Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin’ ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin’ ny tobin’ ny Midìna ka nankamin’ ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
14 那同伴說:「這不是別的,乃是以色列人約阿施的兒子基甸的刀;上帝已將米甸和全軍都交在他的手中。」
Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr’ i Gideona, zanak’ i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr’ Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
15 基甸聽見這夢和夢的講解,就敬拜上帝,回到以色列營中,說:「起來吧!耶和華已將米甸的軍隊交在你們手中了。」
Ary rehefa ren’ i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin’ ny tobin’ ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tananareo ny tobin’ ny Midiana.
16 於是基甸將三百人分作三隊,把角和空瓶交在各人手裏(瓶內都藏着火把),
Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin’ ny siny.
17 吩咐他們說:「你們要看我行事:我到了營的旁邊怎樣行,你們也要怎樣行。
Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin’ ny sisin’ ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.
18 我和一切跟隨我的人吹角的時候,你們也要在營的四圍吹角,喊叫說:『耶和華和基甸的刀!』」
Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An’ i Jehovah sy Gideona!
19 基甸和跟隨他的一百人,在三更之初才換更的時候,來到營旁,就吹角,打破手中的瓶。
Dia nankany amin’ ny sisin’ ny toby tamin’ ny fiandohan’ ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
20 三隊的人就都吹角,打破瓶子,左手拿着火把,右手拿着角,喊叫說:「耶和華和基甸的刀!」
Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr’ i Jehovah sy Gideona!
21 他們在營的四圍各站各的地方;全營的人都亂竄。三百人吶喊,使他們逃跑。
Ary samy nijanona teo amin’ ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.
22 三百人就吹角,耶和華使全營的人用刀互相擊殺,逃到西利拉的伯‧哈示他,直逃到靠近他巴的亞伯‧米何拉。
Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin’ i Jehovah tamin’ ny sabatra ny miaramila eran’ ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin’ ny fari-tanin’ i Abela-mehola akaiky an’ i Tabata.
23 以色列人就從拿弗他利、亞設,和瑪拿西全地聚集來追趕米甸人。
Dia nivory ny lehilahy amin’ ny Isiraely avy tamin’ ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.
24 基甸打發人走遍以法蓮山地,說:「你們下來攻擊米甸人,爭先把守約旦河的渡口,直到伯‧巴拉。」於是以法蓮的眾人聚集,把守約旦河的渡口,直到伯‧巴拉,
Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan’ i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midìna hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.
25 捉住了米甸人的兩個首領:一名俄立,一名西伊伯;將俄立殺在俄立磐石上,將西伊伯殺在西伊伯酒醡那裏;又追趕米甸人,將俄立和西伊伯的首級帶過約旦河,到基甸那裏。
Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin’ ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin’ ny vatolampin’ i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin’ ny famiazam-boalobok’ i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan’ i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin’ i Gideona tany an-dafin’ i Jordana.

< 士師記 7 >