< 約書亞記 8 >

1 耶和華對約書亞說:「不要懼怕,也不要驚惶。你起來,率領一切兵丁上艾城去,我已經把艾城的王和他的民、他的城,並他的地,都交在你手裏。
Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra na mivadi-po ianao, ento miaraka aminao ny vahoaka rehetra mpanafika, ka miaingà, iakaro Ay; indro, efa natolotro eo an-tananao ny mpanjakan’ i Ay mbamin’ ny vahoakany sy ny tanànany ary ny taniny.
2 你怎樣待耶利哥和耶利哥的王,也當照樣待艾城和艾城的王。只是城內所奪的財物和牲畜,你們可以取為自己的掠物。你要在城後設下伏兵。」
Dia tahaka ny nataonao tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no hataonao koa amin’ i Ay sy sy mpanjakany; nefa ny fananana rehetra sy ny biby fiompy ao dia halainareo ho babo ho anareo ihany; asio otrika eo ankoatry ny tanàna.
3 於是,約書亞和一切兵丁都起來,要上艾城去。約書亞選了三萬大能的勇士,夜間打發他們前往,
Dia niainga Josoa sy ny mpanafika rehetra hiakatra any Ay, ary nifidy lehilahy mahery telo alina Josoa ka nandefa ireo tamin’ ny alina.
4 吩咐他們說:「你們要在城後埋伏,不可離城太遠,都要各自準備。
Dia nandidy azy izy ka nanao hoe: Indro, ianareo hanotrika eo ivohon’ ny tanàna hamely azy, ka aza manalavitra azy loatra, fa miomàna ianareo rehetra.
5 我與我所帶領的眾民要向城前往。城裏的人像初次出來攻擊我們的時候,我們就在他們面前逃跑,
Ary izaho sy ny vahoaka rehetra izay miaraka amiko kosa dia hanatona ny tanàna; ary rehefa mivoaka hamely anay tahaka ny teo ny olona, dia handositra eo anoloany izahay.
6 他們必出來追趕我們,直到我們引誘他們離開城;因為他們必說:『這些人像初次在我們面前逃跑。』所以我們要在他們面前逃跑,
Dia hivoaka hanenjika anay izy mandra-pitarikay azy hiala ao an-tanàna; fa izy hanao hoe: Mandositra eo anoloantsika tahaka ny teo izy; dia hanao tari-dositra eo anoloany izahay.
7 你們就從埋伏的地方起來,奪取那城,因為耶和華-你們的上帝必把城交在你們手裏。
Ary dia hiroatra avy ao amin’ ny fanotrehana kosa ianareo, ka ho azonareo ny tanàna; fa atolotr’ i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo izy.
8 你們奪了城以後,就放火燒城,要照耶和華的話行。這是我吩咐你們的。」
Ary rehefa afakareo ny tanàna, dia dory amin’ ny afo; araka ny didin’ i Jehovah no hataonareo; indro, efa nandidy anareo aho.
9 約書亞打發他們前往,他們就上埋伏的地方去,住在伯特利和艾城的中間,就是在艾城的西邊。這夜約書亞卻在民中住宿。
Dia nampandehanin’ i Josoa izy ireo, ary nandeha hanotrika ka nitoetra teo andrefan’ i Ay, teo anelanelan’ i Betela sy Ay; fa Josoa kosa nitoetra teo amin’ ny vahoaka ihany tamin’ izany alina izany.
10 約書亞清早起來,點齊百姓,他和以色列的長老在百姓前面上艾城去。
Dia nifoha maraina koa Josoa ka nandamina ny vahoaka, ary niakatra teo alohan’ ny vahoaka hankany Ay izy sy ny loholon’ ny Isiraely.
11 眾民,就是他所帶領的兵丁,都上去,向前直往,來到城前,在艾城北邊安營。在約書亞和艾城中間有一山谷。
Ary ny vahoaka rehetra mpanafika, izay niaraka tamin’ i Josoa, dia niakatra ka nanakaiky sy nanandrify ny tanàna; ary nitoby teo avaratr’ i Ay izy, ka ny lohasaha no teo anelanelan’ izy sy Ay.
12 他挑了約有五千人,使他們埋伏在伯特利和艾城的中間,就是在艾城的西邊,
Dia naka olona tokony ho dimy arivo lahy izy ka nampanotrika azy teo anelanelan’ i Betela sy Ay, andrefan’ ny tanàna.
13 於是安置了百姓,就是城北的全軍和城西的伏兵。這夜約書亞進入山谷之中。
Ary rehefa voalahatry ny vahoaka ny toby rehetra izay teo avaratry ny tanàna sy ny otrika teo andrefan’ ny tanàna, dia nandeha nankeo amin’ ny lohasaha Josoa tamin’ izany alina izany.
14 艾城的王看見這景況,就和全城的人,清早急忙起來,按所定的時候,出到亞拉巴前,要與以色列人交戰;王卻不知道在城後有伏兵。
Ary rehefa hitan’ ny mpanjakan’ i Ay izany, dia nifoha maraina koa ny olona tao an-tanàna ka nivoaka faingana hiady tamin’ ny Isiraely, teo amin’ ny tany nifamotoanany tandrifin’ ny tani-hay, dia ny mpanjaka sy ny vahoakany: fa tsy fantany ho nisy otrika hamely azy tao ankoatry ny tanàna.
15 約書亞和以色列眾人在他們面前裝敗,往那通曠野的路逃跑。
Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra nody resy teo anoloany ka nanao tari-dositra tamin’ ny lalana mankany an-efitra.
16 城內的眾民都被招聚,追趕他們;艾城人追趕的時候,就被引誘離開城。
Dia nifampiantso hanenjika azy ny vahoaka rehetra izay tao an-tanàna; ary nanenjika an’ i Josoa izy, ka dia voatarika ho tafavoaka ny tanàna.
17 艾城和伯特利城沒有一人不出來追趕以色列人的,撇了敞開的城門,去追趕以色列人。
Ary tsy nisy lehilahy sisa, na tao Ay na tao Betela, izay tsy nivoaka hanenjika ny Isiraely; ary nilaozany mbola nivoha ny tanàna, ka lasa nanenjika ny Isiraely izy.
18 耶和華吩咐約書亞說:「你向艾城伸出手裏的短槍,因為我要將城交在你手裏。」約書亞就向城伸出手裏的短槍。
Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Atondroy an’ i Ay ny lefona izay eny an-tananao; fa hatolotro eo an-tananao Ay. Dia natondron’ i Josoa ny tanàna ny lefona izay teny an-tànany.
19 他一伸手,伏兵就從埋伏的地方急忙起來,奪了城,跑進城去,放火焚燒。
Dia niroatra faingana ny otrika avy tao amin’ ny nitoerany ka nihazakazaka, raha vao natondrony ny tànany; dia niditra tao an-tanàna izy ka nahafaka azy ary nandoro azy faingana tamin’ ny afo.
20 艾城的人回頭一看,不料,城中煙氣沖天,他們就無力向左向右逃跑。那往曠野逃跑的百姓便轉身攻擊追趕他們的人。
Ary niherika ny mponina tao Ay, ka hitany fa, indro, ny setroky ny tanàna niakatra ho any an-danitra, sady tsy nisy handosirany akory, na ho etỳ, na ho erỳ; fa ny Isiraely izay nanao tari-dositra ho any an-efitra dia nifotitra namely ny mpanenjika kosa.
21 約書亞和以色列眾人見伏兵已經奪了城,城中煙氣飛騰,就轉身回去,擊殺艾城的人。
Fa rehefa hitan’ i Josoa sy ny Isiraely rehetra fa efa azon’ ny otrika ny tanàna, ka niakatra ny setroky ny tanàna, dia nifotitra izy ka namely ny mponina tao Ay.
22 伏兵也出城迎擊艾城人,艾城人就困在以色列人中間,前後都是以色列人。於是以色列人擊殺他們,沒有留下一個,也沒有一個逃脫的,
Ary ireo tao an-tanàna nivoaka hamely azy, ka dia latsaka teo afovoan’ ny Isiraely ny olona, fa ny Isiraely sasany teo an-daniny iray, ary ny sasany teo an-daniny iray koa; dia nifandafaran’ ny Isiraely teo izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
23 生擒了艾城的王,將他解到約書亞那裏。
Ary ny mpanjakan’ i Ay nataony sambo-belona ka nentiny teo amin’ i Josoa.
24 以色列人在田間和曠野殺盡所追趕一切艾城的居民。艾城人倒在刀下,直到滅盡;以色列眾人就回到艾城,用刀殺了城中的人。
Ary rehefa namono ny mponina rehetra tao Ay tany an-tsaha ny Isiraely, dia tany amin’ ny efitra nanenjehany azy, ka lavo tamin’ ny lelan-tsabatra avokoa izy rehetra mandra-pahalany ritrany, dia niverina tany Ay ny Isiraely rehetra ka namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra.
25 當日殺斃的人,連男帶女共有一萬二千,就是艾城所有的人。
Ary izay rehetra maty tamin’ izany andro izany, na lehilahy na vehivavy, dia roa arivo amby iray alina, dia ny mponina rehetra tao Ay.
26 約書亞沒有收回手裏所伸出來的短槍,直到把艾城的一切居民盡行殺滅。
Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin’ ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay.
27 惟獨城中的牲畜和財物,以色列人都取為自己的掠物,是照耶和華所吩咐約書亞的話。
Nefa ny biby fiompy mbamin’ ny fananana rehetra tao amin’ izany tanàna izany dia nalain’ ny Isiraely ho babony ihany, araka ny tenin’ i Jehovah izay nandidiany an’ i Josoa.
28 約書亞將艾城焚燒,使城永為高堆、荒場,直到今日;
Ary Ay dia nodoran’ i Josoa ka nofoanany ho tanànaolo mandrakizay, dia toy izany mandraka androany izy.
29 又將艾城王掛在樹上,直到晚上。日落的時候,約書亞吩咐人把屍首從樹上取下來,丟在城門口,在屍首上堆成一大堆石頭,直存到今日。
Ary ny mpanjakan’ i Ay nahantony tamin’ ny hazo mandra-paharivan’ ny andro; ary rehefa tokony ho maty masoandro, dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo ny fatiny ka nariana teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna ary notsindriany antontam-bato avo mandraka androany.
30 那時,約書亞在以巴路山上為耶和華-以色列的上帝築一座壇,
Ary tamin’ izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely,
31 是用沒有動過鐵器的整石頭築的,照着耶和華僕人摩西所吩咐以色列人的話,正如摩西律法書上所寫的。眾人在這壇上給耶和華奉獻燔祭和平安祭。
araka izay nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah, ny Zanak’ Isiraely, dia araka ny voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Mosesy dia alitara vato tsy voavoatra, izay tsy nopehim-by; ary dia nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an’ i Jehovah izy sady namono zavatra hatao fanati-pihavanana.
32 約書亞在那裏,當着以色列人面前,將摩西所寫的律法抄寫在石頭上。
Dia nosoratany teo amin’ ny vato ny dikan’ ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nosoratany teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely.
33 以色列眾人,無論是本地人、是寄居的,和長老、官長,並審判官,都站在約櫃兩旁,在抬耶和華約櫃的祭司利未人面前,一半對着基利心山,一半對着以巴路山,為以色列民祝福,正如耶和華僕人摩西先前所吩咐的。
Ary ny Isiraely rehetra sy ny loholony sy ny mpifehy azy ary ny mpitsara azy dia nitsangana teo an-daniny roa amin’ ny fiara, teo anatrehan’ ny Levita mpisorona, izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, na olona hafa firenena, na Isiraely: ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Gerizima, ary ny antsasany nanandrify ny tendrombohitra Ebala, araka izay efa nandidian’ i Mosesy mpanompon’ i Jehovah fahiny, mba hitso-drano ny olona Isiraely.
34 隨後,約書亞將律法上祝福、咒詛的話,照着律法書上一切所寫的,都宣讀了一遍。
Ary rehefa afaka izany, dia namaky ny tenin’ ny lalàna rehetra izy, dia ny fitahiana sy ny fanozonana, araka izay rehetra voasoratra eo amin’ ny bokin’ ny lalàna.
35 摩西所吩咐的一切話,約書亞在以色列全會眾和婦女、孩子,並他們中間寄居的外人面前,沒有一句不宣讀的。
Tsy nisy teny tamin’ izay rehetra nandidian’ i Mosesy, izay tsy novakin’ i Josoa teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin’ ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.

< 約書亞記 8 >