< 約書亞記 12 >

1 以色列人在約旦河外向日出之地擊殺二王,得他們的地,就是從亞嫩谷直到黑門山,並東邊的全亞拉巴之地。
Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ ny Zanak’ Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan’ i Jordana hatramin’ ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin’ ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ ny tani-hay
2 這二王,有住希實本、亞摩利人的王西宏。他所管之地是從亞嫩谷邊的亞羅珥和谷中的城,並基列一半,直到亞捫人的境界,雅博河
Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan’ ny lohasaha sy ny antsasak’ i Gileada, dia hatramin’ ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin’ ny taranak’ i Amona,
3 與約旦河東邊的亞拉巴,直到基尼烈海,又到亞拉巴的海,就是鹽海,通伯‧耶西末的路,以及南方,直到毗斯迦的山根。
ary ny ilany atsinanan’ ny tani-hay hatramin’ ny Ranomasina Kinerota ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin’ ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin’ ny tany atsimo eo am-bodin’ i Pisga.
4 又有巴珊王噩。他是利乏音人所剩下的,住在亞斯他錄和以得來。
Ary azony koa ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, isan’ ny Refaïta sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,
5 他所管之地是黑門山、撒迦、巴珊全地,直到基述人和瑪迦人的境界,並基列一半,直到希實本王西宏的境界。
sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’ i Gileada, fari-tanin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona.
6 這二王是耶和華僕人摩西和以色列人所擊殺的;耶和華僕人摩西將他們的地賜給呂便人、迦得人,和瑪拿西半支派的人為業。
Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, sy ny Zanak’ Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, ho lovan’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
7 約書亞和以色列人在約旦河西擊殺了諸王。他們的地是從黎巴嫩平原的巴力‧迦得,直到上西珥的哈拉山。約書亞就將那地按着以色列支派的宗族分給他們為業,
Ary izao no mpanjakan’ ny tany izay resin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan’ i Libanona, ka hatramin’ ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seïra, ka ny taniny nomen’ i Josoa ny firenen’ ny Isiraely araka ny fizarany,
8 就是赫人、亞摩利人、迦南人、比利洗人、希未人、耶布斯人的山地、高原亞拉巴、山坡、曠野,和南地。
dia ny any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin’ ny tani-hay sy amin’ ny tany am-bodin’ ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin’ ny tany atsimo, dia ny an’ ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:
9 他們的王:一個是耶利哥王,一個是靠近伯特利的艾城王,
Ny mpanjakan’ i Jeriko, iray; ny mpanjakan’ i Ay, izay eo anilan’ i Betela, iray;
10 一個是耶路撒冷王,一個是希伯崙王,
ny mpanjakan’ i Jerosalema, iray; ny mpanjakan’ i Hebrona, iray;
11 一個是耶末王,一個是拉吉王,
ny mpanjakan’ i Jarmota, iray; ny mpanjakan’ i Lakisy, iray;
12 一個是伊磯倫王,一個是基色王,
ny mpanjakan’ i Eglona, iray; ny mpanjakan’ i Gazera, iray;
13 一個是底璧王,一個是基德王,
ny mpanjakan’ i Debira, iray; ny mpanjakan’ i Gadera, iray;
14 一個是何珥瑪王,一個是亞拉得王,
ny mpanjakan’ i Horma, iray; ny mpanjakan’ i Arada, iray;
15 一個是立拿王,一個是亞杜蘭王,
ny mpanjakan’ i Libna, iray; ny mpanjakan’ i Adolama, iray;
16 一個是瑪基大王,一個是伯特利王,
ny mpanjakan’ i Makeda, iray; ny mpanjakan’ i Betela, iray;
17 一個是他普亞王,一個是希弗王,
ny mpanjakan’ i Tapoa, iray; ny mpanjakan’ i Hefera, iray;
18 一個是亞弗王,一個是拉沙崙王,
ny mpanjakan’ i Afeka, iray; ny mpanjakan’ i Lasarona, iray;
19 一個是瑪頓王,一個是夏瑣王,
ny mpanjakan’ i Madona, iray; ny mpanjakan’ i Hazora, iray;
20 一個是伸崙‧米崙王,一個是押煞王,
ny mpanjakan’ i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan’ i Aksafa, iray;
21 一個是他納王,一個是米吉多王,
ny mpanjakan’ i Tanaka, iray; ny mpanjakan’ i Megido, iray;
22 一個是基低斯王,一個是靠近迦密的約念王,
ny mpanjakan’ i Kadesy, iray; ny mpanjakan’ i Jokneama any Karmela, iray;
23 一個是多珥山岡的多珥王,一個是吉甲的戈印王,
ny mpanjakan’ i Dora eo amin’ ny havoan’ i Dora, iray; ny mpanjakan’ ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;
24 一個是得撒王;共計三十一個王。
ny mpanjakan’ i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan’ ny mpanjaka rehetra.

< 約書亞記 12 >