< 約書亞記 10 >

1 耶路撒冷王亞多尼‧洗德聽見約書亞奪了艾城,盡行毀滅,怎樣待耶利哥和耶利哥的王,也照樣待艾城和艾城的王,又聽見基遍的居民與以色列人立了和約,住在他們中間,
Ary rehefa ren’ i Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, fa afak’ i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’ Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin’ ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,
2 就甚懼怕;因為基遍是一座大城,如都城一般,比艾城更大,並且城內的人都是勇士。
dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin’ ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
3 所以耶路撒冷王亞多尼‧洗德打發人去見希伯崙王何咸、耶末王毗蘭、拉吉王雅非亞,和伊磯倫王底璧,說:
Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, ho any amin’ i Hohama mpanjakan’ i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan’ i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan’ i Lakisy, ary Debira, mpanjakan’ i Eglona, ka nanao hoe:
4 「求你們上來幫助我,我們好攻打基遍,因為他們與約書亞和以色列人立了和約。」
Miakara atỳ amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an’ i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely izy.
5 於是五個亞摩利王,就是耶路撒冷王、希伯崙王、耶末王、拉吉王、伊磯倫王,大家聚集,率領他們的眾軍上去,對着基遍安營,攻打基遍。
Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin’ ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin’ i Gibeona ka namely azy.
6 基遍人就打發人往吉甲的營中去見約書亞,說:「你不要袖手不顧你的僕人,求你速速上來拯救我們,幫助我們,因為住山地亞摩利人的諸王都聚集攻擊我們。」
Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin’ i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita izay monina any amin’ ny tany havoana.
7 於是約書亞和他一切兵丁,並大能的勇士,都從吉甲上去。
Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.
8 耶和華對約書亞說:「不要怕他們;因為我已將他們交在你手裏,他們無一人能在你面前站立得住。」
Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
9 約書亞就終夜從吉甲上去,猛然臨到他們那裏。
Ary tonga tampoka tamin’ ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.
10 耶和華使他們在以色列人面前潰亂。約書亞在基遍大大地殺敗他們,追趕他們,在伯‧和崙的上坡路擊殺他們,直到亞西加和瑪基大。
Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan’ ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin’ ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
11 他們在以色列人面前逃跑,正在伯‧和崙下坡的時候,耶和華從天上降大冰雹在他們身上,直降到亞西加,打死他們。被冰雹打死的,比以色列人用刀殺死的還多。
Ary nony nandositra teo anoloan’ ny Isiraely teo am-pidinan’ i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin’ ny havandra noho izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra.
12 當耶和華將亞摩利人交付以色列人的日子,約書亞就禱告耶和華,在以色列人眼前說: 日頭啊,你要停在基遍; 月亮啊,你要止在亞雅崙谷。
Ary tamin’ izany Josoa dia niteny tamin’ i Jehovah tamin’ ny andro nanoloran’ i Jehovah ny Amorita teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ka nanao teo imason’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’ i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan’ i Aialona.
13 於是日頭停留,月亮止住, 直等國民向敵人報仇。 這事豈不是寫在雅煞珥書上嗎?日頭在天當中停住,不急速下落,約有一日之久。
Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin’ ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin’ ny Bokin’ i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan’ ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra.
14 在這日以前,這日以後,耶和華聽人的禱告,沒有像這日的,是因耶和華為以色列爭戰。
Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan’ i Jehovah ny feon’ olona; fa Jehovah niady ho an’ ny Isiraely.
15 約書亞和以色列眾人回到吉甲的營中。
Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
16 那五王逃跑,藏在瑪基大洞裏。
Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin’ ilay zohy any Makeda.
17 有人告訴約書亞說:「那五王已經找到了,都藏在瑪基大洞裏。」
Dia nolazaina tamin’ i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin’ ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.
18 約書亞說:「你們把幾塊大石頭滾到洞口,派人看守,
Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan’ ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;
19 你們卻不可耽延,要追趕你們的仇敵,擊殺他們儘後邊的人,不容他們進自己的城邑,因為耶和華-你們的上帝已經把他們交在你們手裏。」
fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.
20 約書亞和以色列人大大殺敗他們,直到將他們滅盡;其中剩下的人都進了堅固的城。
Ary rehefa voaringan’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin’ ny tanàna mimanda,
21 眾百姓就安然回瑪基大營中,到約書亞那裏。沒有一人敢向以色列人饒舌。
dia niverina soa aman-tsara ho any amin’ i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin’ ny Zanak’ Isiraely intsony.
22 約書亞說:「打開洞口,將那五王從洞裏帶出來,領到我面前。」
Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan’ ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankatỳ amiko.
23 眾人就這樣行,將那五王,就是耶路撒冷王、希伯崙王、耶末王、拉吉王、伊磯倫王,從洞裏帶出來,領到約書亞面前。
Dia nataon’ ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona.
24 帶出那五王到約書亞面前的時候,約書亞就召了以色列眾人來,對那些和他同去的軍長說:「你們近前來,把腳踏在這些王的頸項上。」他們就近前來,把腳踏在這些王的頸項上。
Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin’ i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely Josoa ka nanao tamin’ ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin’ ny vozon’ ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin’ ny vozon’ ireo.
25 約書亞對他們說:「你們不要懼怕,也不要驚惶。應當剛強壯膽,因為耶和華必這樣待你們所要攻打的一切仇敵。」
Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon’ i Jehovah amin’ ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
26 隨後約書亞將這五王殺死,掛在五棵樹上。他們就在樹上直掛到晚上。
Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin’ ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin’ ny hazo izy mandra-paharivan’ ny andro.
27 日頭要落的時候,約書亞一吩咐,人就把屍首從樹上取下來,丟在他們藏過的洞裏,把幾塊大石頭放在洞口,直存到今日。
Ary tamin’ ny nilentehan’ ny masoandro dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin’ ny vavan’ ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
28 當日,約書亞奪了瑪基大,用刀擊殺城中的人和王;將其中一切人口盡行殺滅,沒有留下一個。他待瑪基大王,像從前待耶利哥王一樣。
Ary Makeda dia afak’ i Josoa tamin’ izany andro izany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko, no nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Makeda koa.
29 約書亞和以色列眾人從瑪基大往立拿去,攻打立拿。
Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
30 耶和華將立拿和立拿的王也交在以色列人手裏。約書亞攻打這城,用刀擊殺了城中的一切人口,沒有留下一個。他待立拿王,像從前待耶利哥王一樣。
dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy mbamin’ ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko no nataony tamin’ ny mpanjakany koa.
31 約書亞和以色列眾人從立拿往拉吉去,對着拉吉安營,攻打這城。
Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
32 耶和華將拉吉交在以色列人的手裏。第二天約書亞就奪了拉吉,用刀擊殺了城中的一切人口,是照他向立拿一切所行的。
Dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin’ ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Libna koa.
33 那時基色王荷蘭上來幫助拉吉,約書亞就把他和他的民都擊殺了,沒有留下一個。
Dia niakatra Horama, mpanjakan’ i Gazera, hamonjy an’ i Lakisy; dia nasian’ i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
34 約書亞和以色列眾人從拉吉往伊磯倫去,對着伊磯倫安營,攻打這城。
Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;
35 當日就奪了城,用刀擊殺了城中的人。那日,約書亞將城中的一切人口盡行殺滅,是照他向拉吉一切所行的。
dia afany tamin’ izany andro izany koa izy ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin’ izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Lakisy.
36 約書亞和以色列眾人從伊磯倫上希伯崙去,攻打這城,
Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
37 就奪了希伯崙和屬希伯崙的諸城邑,用刀將城中的人與王,並那些城邑中的人口,都擊殺了,沒有留下一個,是照他向伊磯倫所行的,把城中的一切人口盡行殺滅。
dia afany koa izy, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
38 約書亞和以色列眾人回到底璧,攻打這城,
Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
39 就奪了底璧和屬底璧的城邑,又擒獲底璧的王,用刀將這些城中的人口盡行殺滅,沒有留下一個。他待底璧和底璧王,像從前待希伯崙和立拿與立拿王一樣。
dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin’ i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin’ i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin’ i Libna sy ny mpanjakany koa.
40 這樣,約書亞擊殺全地的人,就是山地、南地、高原、山坡的人,和那些地的諸王,沒有留下一個。將凡有氣息的盡行殺滅,正如耶和華-以色列的上帝所吩咐的。
Dia nasian’ i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any am-bodin’ ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin’ i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely,
41 約書亞從加低斯‧巴尼亞攻擊到迦薩,又攻擊歌珊全地,直到基遍。
Dia nasian’ i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.
42 約書亞一時殺敗了這些王,並奪了他們的地,因為耶和華-以色列的上帝為以色列爭戰。
Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’ i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an’ ny Isiraely.
43 於是約書亞和以色列眾人回到吉甲的營中。
Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.

< 約書亞記 10 >