< 約珥書 2 >

1 你們要在錫安吹角, 在我聖山吹出大聲。 國中的居民都要發顫; 因為耶和華的日子將到, 已經臨近。
Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masìna! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin’ ny tany; Fa avy ny andron’ i Jehovah, eny, efa antomotra izany,
2 那日是黑暗、幽冥、 密雲、烏黑的日子, 好像晨光鋪滿山嶺。 有一隊蝗蟲又大又強; 從來沒有這樣的, 以後直到萬代也必沒有。
Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan’ ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin’ ny taonan’ ny taranaka fara mandimby.
3 牠們前面如火燒滅, 後面如火焰燒盡。 未到以前,地如伊甸園; 過去以後,成了荒涼的曠野; 沒有一樣能躲避牠們的。
Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
4 牠們的形狀如馬, 奔跑如馬兵。
Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
5 在山頂蹦跳的響聲如車輛的響聲, 又如火焰燒碎詡的響聲, 好像強盛的民擺陣預備打仗。
Tahaka ny figorodon’ ny kalesy any an-tampon’ ny tendrombohitra no figorodon’ ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin’ ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
6 牠們一來,眾民傷慟, 臉都變色。
Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika;
7 牠們如勇士奔跑, 像戰士爬城; 各都步行,不亂隊伍。
Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin’ izay hitsiny ka tsy vaky laharana;
8 彼此並不擁擠,向前各行其路, 直闖兵器,不偏左右。
Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin’ izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra.
9 牠們蹦上城,躥上牆, 爬上房屋, 進入窗戶如同盜賊。
Mifamoivoy eran’ ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin’ ny manda izy, mananika ny trano izy, miditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.
10 牠們一來, 地震天動, 日月昏暗, 星宿無光。
Eo alohany dia mihorohoro ny tany, ary mihozongozona ny lanitra; Ny masoandro sy ny volana tonga maizina, ary ny kintana tsy mamirapiratra.
11 耶和華在他軍旅前發聲, 他的隊伍甚大; 成就他命的是強盛者。 因為耶和華的日子大而可畏, 誰能當得起呢?
Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan’ ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’ i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
12 耶和華說:雖然如此, 你們應當禁食、哭泣、悲哀, 一心歸向我。
Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin’ ny fonareo rehetra ary amin’ ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.
13 你們要撕裂心腸, 不撕裂衣服。 歸向耶和華-你們的上帝; 因為他有恩典,有憐憫, 不輕易發怒, 有豐盛的慈愛, 並且後悔不降所說的災。
Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’ ny loza,
14 或者他轉意後悔,留下餘福, 就是留下獻給耶和華-你們上帝的素祭和奠祭, 也未可知。
Fandrao mba hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo.
15 你們要在錫安吹角, 分定禁食的日子, 宣告嚴肅會。
Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masìna.
16 聚集眾民,使會眾自潔: 招聚老者, 聚集孩童和吃奶的; 使新郎出離洞房, 新婦出離內室。
Angony ny vahoaka, manamasìna fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin’ ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
17 事奉耶和華的祭司 要在廊子和祭壇中間哭泣,說: 耶和華啊,求你顧惜你的百姓, 不要使你的產業受羞辱, 列邦管轄他們。 為何容列國的人說: 「他們的上帝在哪裏」呢?
Eo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian’ ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin’ ny jentilisa; Fa nahoana no hataony any amin’ ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny?
18 耶和華就為自己的地發熱心, 憐恤他的百姓。
Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.
19 耶和華應允他的百姓說: 我必賜給你們五穀、新酒,和油, 使你們飽足; 我也不再使你們受列國的羞辱;
Eny, Jehovah namaly ka nanao amin’ ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin’ izany ianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin’ ny Jentilisa intsony ianareo.
20 卻要使北方來的軍隊遠離你們, 將他們趕到乾旱荒廢之地: 前隊趕入東海, 後隊趕入西海; 因為他們所行的大惡, 臭氣上升,腥味騰空。
Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin’ ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin’ ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin’ ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
21 地土啊,不要懼怕; 要歡喜快樂, 因為耶和華行了大事。
Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.
22 田野的走獸啊,不要懼怕; 因為,曠野的草發生, 樹木結果, 無花果樹、葡萄樹也都效力。
Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.
23 錫安的民哪,你們要快樂, 為耶和華-你們的上帝歡喜; 因他賜給你們合宜的秋雨, 為你們降下甘霖, 就是秋雨、春雨,和先前一樣。
Ary ianareo, ry zanak’ i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin’ i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha.
24 禾場必滿了麥子; 酒醡與油醡必有新酒和油盈溢。
Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.
25 我打發到你們中間的大軍隊, 就是蝗蟲、蝻子、螞蚱、剪蟲, 那些年所吃的,我要補還你們。
Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin’ ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.
26 你們必多吃而得飽足, 就讚美為你們行奇妙事之耶和華-你們上帝的名。 我的百姓必永遠不致羞愧。
Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran’ i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.
27 你們必知道我是在以色列中間, 又知道我是耶和華-你們的上帝; 在我以外並無別神。 我的百姓必永遠不致羞愧。
Dia ho fantatrareo fa ao afovoan’ Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
28 以後,我要將我的靈澆灌凡有血氣的。 你們的兒女要說預言; 你們的老年人要做異夢, 少年人要見異象。
Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;
29 在那些日子, 我要將我的靈澆灌我的僕人和使女。
Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany.
30 「在天上地下,我要顯出奇事,有血,有火,有煙柱。
Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra sy etỳ amin’ ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina.
31 日頭要變為黑暗,月亮要變為血,這都在耶和華大而可畏的日子未到以前。
Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.
32 到那時候,凡求告耶和華名的就必得救;因為照耶和華所說的,在錫安山,耶路撒冷必有逃脫的人,在剩下的人中必有耶和華所召的。」
Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan’ i Jehovah, ary izay antsoin’ i Jehovah dia ho isan’ izay afa-mandositra.

< 約珥書 2 >