< 約伯記 2 >

1 又有一天,上帝的眾子來侍立在耶和華面前,撒但也來在其中。
Ary tamin’ ny indray andro koa dia avy ireo zanak’ Andriamanitra hiseho teo anatrehan’ i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan’ i Jehovah.
2 耶和華問撒但說:「你從哪裏來?」撒但回答說:「我從地上走來走去,往返而來。」
Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin’ ny tany aho ka nivezivezy teny.
3 耶和華問撒但說:「你曾用心察看我的僕人約伯沒有?地上再沒有人像他完全正直,敬畏上帝,遠離惡事。你雖激動我攻擊他,無故地毀滅他,他仍然持守他的純正。」
Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Efa nandinika an’ i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an’ Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
4 撒但回答耶和華說:「人以皮代皮,情願捨去一切所有的,保全性命。
Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ ny olona dia homeny ho-fefin’ ny ainy.
5 你且伸手傷他的骨頭和他的肉,他必當面棄掉你。」
Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza Izy e!
6 耶和華對撒但說:「他在你手中,只要存留他的性命。」
Dia hoy Jehovah tamin’ i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
7 於是撒但從耶和華面前退去,擊打約伯,使他從腳掌到頭頂長毒瘡。
Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan’ i Jehovah ka namely vay ratsy an’ i Joba hatramin’ ny faladiany ka hatramin’ ny tampon-dohany.
8 約伯就坐在爐灰中,拿瓦片刮身體。
Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
9 他的妻子對他說:「你仍然持守你的純正嗎?你棄掉上帝,死了吧!」
Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an’ Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
10 約伯卻對她說:「你說話像愚頑的婦人一樣。噯!難道我們從上帝手裏得福,不也受禍嗎?」在這一切的事上約伯並不以口犯罪。
Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin’ ny anankiray amin’ ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin’ Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota tamin’ ny molony Joba.
11 約伯的三個朋友-提幔人以利法、書亞人比勒達、拿瑪人瑣法-聽說有這一切的災禍臨到他身上,各人就從本處約會同來,為他悲傷,安慰他。
Ary rehefa ren’ ny sakaizan’ i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin’ ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
12 他們遠遠地舉目觀看,認不出他來,就放聲大哭。各人撕裂外袍,把塵土向天揚起來,落在自己的頭上。
Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin’ ny lanitra hiraraka amin’ ny lohany.
13 他們就同他七天七夜坐在地上,一個人也不向他說句話,因為他極其痛苦。
Ary niara-nipetraka teo aminy tamin’ ny tany hafitoan’ andro sy hafitoan’ alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.

< 約伯記 2 >