< 約伯記 12 >

1 約伯回答說:
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 你們真是子民哪, 你們死亡,智慧也就滅沒了。
Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3 但我也有聰明,與你們一樣, 並非不及你們。 你們所說的,誰不知道呢?
Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
4 我這求告上帝、蒙他應允的人 竟成了朋友所譏笑的; 公義完全人竟受了人的譏笑。
Tonga fihomehezan’ ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an’ Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
5 安逸的人心裏藐視災禍; 這災禍常常等待滑腳的人。
Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin’ izay ela mangozohozo ny latsa.
6 強盜的帳棚興旺, 惹上帝的人穩固, 上帝多將財物送到他們手中。
Mandry fahizay ny lain’ ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an’ Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin’ ny tànany ho andriamaniny
7 你且問走獸,走獸必指教你; 又問空中的飛鳥,飛鳥必告訴你;
Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
8 或與地說話,地必指教你; 海中的魚也必向你說明。
Ary makà saina amin’ ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.
9 看這一切, 誰不知道是耶和華的手做成的呢?
Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny, fa ny nanao izany dia ny tanan’ i Jehovah,
10 凡活物的生命和人類的氣息都在他手中。
Izay mitana ny ain’ ny zava-manan’ aina rehetra sy ny fofonain’ ny olombelona rehetra?
11 耳朵豈不試驗言語, 正如上膛嘗食物嗎?
Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
12 年老的有智慧; 壽高的有知識。
Ao amin’ ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
13 在上帝有智慧和能力; 他有謀略和知識。
Ao amin’ Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.
14 他拆毀的,就不能再建造; 他捆住人,便不得開釋。
Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
15 他把水留住,水便枯乾; 他再發出水來,水就翻地。
Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
16 在他有能力和智慧, 被誘惑的與誘惑人的都是屬他。
Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
17 他把謀士剝衣擄去, 又使審判官變成愚人。
Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan’ ny mpitsara.
18 他放鬆君王的綁, 又用帶子捆他們的腰。
Vahany ny fifehezan’ ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
19 他把祭司剝衣擄去, 又使有能的人傾敗。
Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
20 他廢去忠信人的講論, 又奪去老人的聰明。
Koroiny ny laha-tenin’ ny mahay, ary ny fahazavan-tsain’ ny anti-panahy dia esoriny.
21 他使君王蒙羞被辱, 放鬆有力之人的腰帶。
Mandatsaka fanamavoana amin’ ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon’ ny matanjaka.
22 他將深奧的事從黑暗中彰顯, 使死蔭顯為光明。
Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin’ ny mazava.
23 他使邦國興旺而又毀滅; 他使邦國開廣而又擄去。
Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.
24 他將地上民中首領的聰明奪去, 使他們在荒廢無路之地漂流;
Mahavery saina ny loholona amin’ ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
25 他們無光,在黑暗中摸索, 又使他們東倒西歪,像醉酒的人一樣。
Mitsapatsapa amin’ ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.

< 約伯記 12 >