< 耶利米書 50 >

1 耶和華藉先知耶利米論巴比倫和迦勒底人之地所說的話。
Izao no teny nampilazain’ i Jehovah an’ i Jeremia mpaminany ny amin’ i Babylona dia ny tanin’ ny Kaldeana.
2 你們要在萬國中傳揚報告, 豎立大旗; 要報告,不可隱瞞,說: 巴比倫被攻取, 彼勒蒙羞, 米羅達驚惶。 巴比倫的神像都蒙羞; 她的偶像都驚惶。
Ambaraonareo, eny, torio any amin’ ny firenena, ary manangàna faneva, torio, fa aza afenina, ataovy hoe: Afaka Babylona! Mangaihay Bela, raiki-tahotra Merodaka! Eny, mangaihay ny sampiny, Raiki-tahotra ny sarin-javatra!
3 「因有一國從北方上來攻擊她,使她的地荒涼,無人居住,連人帶牲畜都逃走了。」
Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; Fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa.
4 耶和華說:「當那日子、那時候,以色列人要和猶大人同來,隨走隨哭,尋求耶和華-他們的上帝。
Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia ho avy ny Zanak’ Isirsely, dia izy mbamin’ ny taranak’ i Joda, eny, handeha izy sady hitomany eny am-pandehanana ka hitady an’ i Jehovah Andriamaniny.
5 他們必訪問錫安,又面向這裏,說:『來吧,你們要與耶和華聯合為永遠不忘的約。』
Hanontany ny lalana mankany Ziona izy sady hanatrika hankany ka hanao hoe: Avia, ka maneke ho an’ i Jehovah amin’ ny fanekena mandrakizay izay tsy hohadinoina.
6 「我的百姓作了迷失的羊,牧人使他們走差路,使他們轉到山上。他們從大山走到小山,竟忘了安歇之處。
Ondry very ny oloko, fa ny mpiandry azy nampirenireny azy, eny, nampirenireny azy teny an-tendrombohitra izy; Nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny an-kavoana ireny. Ka hadinony ny tany fandriany.
7 凡遇見他們的,就把他們吞滅。敵人說:『我們沒有罪;因他們得罪那作公義居所的耶和華,就是他們列祖所仰望的耶和華。』
Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony nanao hoe: Tsy manan-keloka izahay, satria izy efa nanota tamin’ i Jehovah, fonenan’ ny fahamarinana, dia Jedovah, fanantenan’ ny razany.
8 「我民哪,你們要從巴比倫中逃走,從迦勒底人之地出去,要像羊群前面走的公山羊。
Mandosira hila an’ i Babylona, eny, mialà amin’ ny tanin’ ny Kaldeana, ary aoka ianareo ho tahaka ny anankiray izay tari-dalan’ ny ondry aman’ osy andiany.
9 因我必激動聯合的大國從北方上來攻擊巴比倫,他們要擺陣攻擊她;她必從那裏被攻取。他們的箭好像善射之勇士的箭,一枝也不徒然返回。
Fa, indro, Izaho hamporisika sy hampiakatra firenena lehibe manao andiany avy any avaratra hamely an’ i Babylona; Ary hilahatra hamely azy ireo, ka avy ao no hanafahany azy; Ny zana-tsipìkany ho tahaka ny lehilahy mahery sady mahay, izay tsy miverina foana.
10 迦勒底必成為掠物;凡擄掠她的都必心滿意足。這是耶和華說的。」
Ary Kaldea ho voababo; Izay rehetra mamabo azy dia ho afa-po, hoy Jehovah.
11 搶奪我產業的啊, 你們因歡喜快樂, 且像踹穀撒歡的母牛犢, 又像發嘶聲的壯馬。
Satria, mifaly sy miravoravo ianareo, ry mpamabo ny lovako, eny, mifalihavanja toy ny ombivavy kely mively vary ianareo sady maneno toy ny soavaly matanjaka;
12 你們的母巴比倫就極其抱愧, 生你們的必然蒙羞。 她要列在諸國之末, 成為曠野、旱地、沙漠。
Dia ho menatra indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; Indro, ny faran’ ny firenena, efitra sy tany karankaina ary tani-hay!
13 因耶和華的忿怒,必無人居住, 要全然荒涼。 凡經過巴比倫的要受驚駭, 又因她所遭的災殃嗤笑。
Noho ny fahatezeran’ i Jehovah dia tsy honenana Babylona. Fa ho tonga tany lao avokoa; Izay rehetra mandalo azy dia ho gaga ka hisitrisitra noho ny loza rehetra namelezana azy.
14 所有拉弓的,你們要在巴比倫的四圍擺陣, 射箭攻擊她。 不要愛惜箭枝, 因她得罪了耶和華。
Milahara manodidina hamely an’ i Babylona, ianareo rehetra izay manenjana tsipìka; Asio izy, fa aza tsitsina ny zana-tsipìka, fa tamin’ i Jehovah no nanotany.
15 你們要在她四圍吶喊; 她已經投降。 外郭坍塌了, 城牆拆毀了, 因為這是耶和華報仇的事。 你們要向巴比倫報仇; 她怎樣待人,也要怎樣待她。
Akoray manodidina izy! Fa efa nikoy; Nirodana ny bateriny, rava ny mandany; Fa famalian’ i Jehovah izany. Valio izy, eny, toy ny efa nataony no mba ataovinareo aminy kosa.
16 你們要將巴比倫撒種的 和收割時拿鐮刀的都剪除了。 他們各人因怕欺壓的刀劍, 必歸回本族,逃到本土。
Aringano tsy ho any Babylona ny mpamafy sy izay mitana fijinjana amin’ ny fararano; Fa noho ny sabatra mandoza dia samy hihodina ho any amin’ ny fireneny avy izy, ary samy handositra ho any amin’ ny taniny avy.
17 「以色列是打散的羊,是被獅子趕出的。首先是亞述王將他吞滅,末後是巴比倫王尼布甲尼撒將他的骨頭折斷。」
Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan’ i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.
18 所以萬軍之耶和華-以色列的上帝如此說:「我必罰巴比倫王和他的地,像我從前罰亞述王一樣。
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hovaliko ny mpanjakan’ i Babylona sy ny taniny toy ny efa namaliako ny mpanjakan’ i Asyria.
19 我必再領以色列回他的草場,他必在迦密和巴珊吃草,又在以法蓮山上和基列境內得以飽足。」
Ary hampodiko ho any amin’ ny saha fiandrasana azy indray ny Isiraely, ka hihinana ao Karmela sy Basana izy; Ary any an-tany havoan’ i Daima sy Gileada no hahavoky azy.
20 耶和華說:「當那日子、那時候,雖尋以色列的罪孽,一無所有;雖尋猶大的罪惡,也無所見;因為我所留下的人,我必赦免。」
Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany, hoy Jehovah, dia hotadiavina izay heloky ny Isiraely, fa tsy hisy; Ary izay fahotan’ ny Joda, fa tsy ho hita; Satria havelako ny helok’ izay sisa narovako.
21 耶和華說:上去攻擊米拉大翁之地, 又攻擊比割的居民。 要追殺滅盡, 照我一切所吩咐你的去行。
Iakaro Ibefikomiana sy ny mponina ao Arapamaliana; Ravao sy aringano manarakaraka azy, hoy Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.
22 境內有打仗和大毀滅的響聲。
Misy tabataban’ ady amin’ ny tany sy fandringanana be.
23 全地的大錘何竟砍斷破壞? 巴比倫在列國中何竟荒涼?
Indrisy! tapaka sy torotoro ilay fampohazan’ ny tany rehetra; Indrisy! Babylona efa tonga figagana any amin’ ny firenena.
24 巴比倫哪,我為你設下網羅, 你不知不覺被纏住。 你被尋着,也被捉住; 因為你與耶和華爭競。
Nofandrihako ianao, ry Babylona, ka voa, nefa tsy fantatrao akory; Hita ka voasambotra koa ianao, Satria nila ady tamin’ i Jehovah.
25 耶和華已經開了武庫, 拿出他惱恨的兵器; 因為主-萬軍之耶和華 在迦勒底人之地有當做的事。
Novohan’ i Jehovah ny firaketany. Ka navoakany ny fitaovan’ ny fahatezerany; Fa misy hataon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, any amin’ ny tanin’ ny Kaldeana.
26 你們要從極遠的邊界來攻擊她, 開她的倉廩, 將她堆如高堆, 毀滅淨盡,絲毫不留。
Avia avokoa ianareo rehetra hamely azy; Vohay ny trano fitoeran-kanina, atobitobio toy ny antontan-bary, ka levony avokoa izay ao; Fa aza avela hisy sisa ho azy.
27 要殺她的一切牛犢, 使他們下去遭遇殺戮。 他們有禍了, 因為追討他們的日子已經來到。 (
Vonoy ireo ombilahy rehetra, ary aoka hidina ho any amin’ ny famonoana izy. Mahita loza izy, fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamaliana azy.
28 有從巴比倫之地逃避出來的人,在錫安揚聲報告耶和華-我們的上帝報仇,就是為他的殿報仇。)
Injany! misy feon’ izay mandositra sy izay afaka avy any amin’ ny tany Babylona, hanambara ny famalian’ i Jehovah Andriamanitsika ao Ziona, dia ny famaliana noho ny tempoliny.
29 「招集一切弓箭手來攻擊巴比倫。要在巴比倫四圍安營,不要容一人逃脫,照着她所做的報應她;她怎樣待人,也要怎樣待她,因為她向耶和華-以色列的聖者發了狂傲。
Antsoy ny mpandefa zana-tsipìka hamely an’ i Babylona. Dia ny mpanenjana tsipìka rehetra; Mitobia manodidina hamely azy; Aoka tsy hisy ho afaka izy; Valio araka ny asany izy, eny, araka ny asa rehetra nataony, no mba ataovy aminy kosa; Fa niavonavona tamin’ i Jehovah izy, dia tamin’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
30 所以她的少年人必仆倒在街上。當那日,一切兵丁必默默無聲。這是耶和華說的。」
Koa hiampatrampatra eny an-kalalahana ny zatovony, ary ho ringana ny miaramilany rehetra amin’ izany andro izany, hoy Jehovah.
31 主-萬軍之耶和華說: 你這狂傲的啊,我與你反對, 因為我追討你的日子已經來到。
Indro, hiatrika aminao Aho, ry Ifiavonavonana, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; Fa tonga ny andronao, dia ny fotoana hamaliako anao.
32 狂傲的必絆跌仆倒,無人扶起。 我也必使火在他的城邑中着起來, 將他四圍所有的盡行燒滅。
Ho tafintohina Ifiavonavonana, dia ho lavo, ka tsy hisy hanarina azy; Ary handrehitra afo ao an-tanànany Aho, ka handevona ny manodidina azy rehetra izany.
33 萬軍之耶和華如此說:「以色列人和猶大人一同受欺壓;凡擄掠他們的都緊緊抓住他們,不肯釋放。
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Niara-nampahorina ny Zanak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda; Ary izay rehetra namabo azy dia mihazona azy mafy ka tsy mety mandefa azy.
34 他們的救贖主大有能力,萬軍之耶和華是他的名。他必伸清他們的冤,好使全地得平安,並攪擾巴比倫的居民。」
Mahery ny Mpanavotra azy, Jehovah, Tompon’ ny maro, no anarany; Handahatra ny adiny tokoa Izy, mba hampiadana ny tany sy hampangovitra ny mponina any Babylona kosa.
35 耶和華說:「 有刀劍臨到迦勒底人和巴比倫的居民, 並她的首領與智慧人。
Indro! hisy sabatra hamely ny Kaldeana mbamin’ ny mponina any Babylona sy ny mpanapaka azy sy ny olon-kendriny, hoe Jehovah.
36 有刀劍臨到矜誇的人, 他們就成為愚昧; 有刀劍臨到她的勇士, 他們就驚惶。
Indro! hisy sabatra hamely ny mpibedibedy, ka ho very saina izy; Indro! hisy sabatra hamely ny lehilahy maheriny, ka hivadi-po izy.
37 有刀劍臨到她的馬匹、車輛, 和其中雜族的人民; 他們必像婦女一樣。 有刀劍臨到她的寶物, 就被搶奪。
Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin’ ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany.
38 有乾旱臨到她的眾水, 就必乾涸; 因為這是有雕刻偶像之地, 人因偶像而顛狂。
Ny fihantonan’ ny andro no mahatankina ny ranony; Fa tany be sarin-javatra voasokitra izy, ary ny sampiny mahatahotra mahadala azy.
39 所以曠野的走獸和豺狼必住在那裏,鴕鳥也住在其中,永無人煙,世世代代無人居住。」
Koa ny bibi-dia any an-efitra sy ny kary sy ny ostritsa no honina ao; Tsy honenana intsony mandrakizay izy ary tsy hitoerana hatramin’ ny taranaka fara-mandimby.
40 耶和華說:「必無人住在那裏,也無人在其中寄居,要像我傾覆所多瑪、蛾摩拉,和鄰近的城邑一樣。
Toy ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora mbamin’ ny tanàna eny akaikiny, hoy Jehovah, no tsy hisian’ olona honina any na zanak’ olombelona hivahiny any.
41 看哪,有一種民從北方而來, 並有一大國和許多君王被激動,從地極來到。
Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin’ ny faran’ ny tany.
42 他們拿弓和槍, 性情殘忍,不施憐憫; 他們的聲音像海浪匉訇。 巴比倫城啊, 他們騎馬, 都擺隊伍如上戰場的人, 要攻擊你。
Tsipika sy lefona no entiny; Lozabe sy tsy mamindra fo izy, ny feony dia mirohondrohona toy ny ranomasina, sady mitaingin-tsoavaly izy ary voaomana tahaka ny lehilahy ho amin’ ny ady, hamely anao, ry Babylona zanakavavy.
43 巴比倫王聽見他們的風聲, 手就發軟, 痛苦將他抓住, 疼痛彷彿產難的婦人。
Efa ren’ ny mpanjakan’ i Babylona ny lazany, ka miraviravy tànany izy; Fahoriana no mahazo azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
44 「仇敵必像獅子從約旦河邊的叢林上來,攻擊堅固的居所。轉眼之間,我要使他們逃跑,離開這地。誰蒙揀選,我就派誰治理這地。誰能比我呢?誰能給我定規日期呢?有何牧人能在我面前站立得住呢?
Indro, toy ny fiakatry ny liona avy ao amin’ ny kirihitrala eny amoron’ i Jordana no hiakarany ho any amin’ ny misy ahitra mateza; Nefa hampandosiriko tampoka hiala ao aminy izy, ary izay olona anankiray voafidy no hotendreko hanapaka azy; Fa iza no tahaka Ahy, ary iza no hifandahatra amiko? Ary iza moa no mpiandry ondry mahajanona eo anatrehako?
45 你們要聽耶和華攻擊巴比倫所說的謀略和他攻擊迦勒底人之地所定的旨意。仇敵定要將他們群眾微弱的拉去,定要使他們的居所荒涼。
Koa henoy ny saina avy amin’ i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an’ i Babylona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin’ ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.
46 因巴比倫被取的聲音,地就震動,人在列邦都聽見呼喊的聲音。」
Noho ny antsoantso hoe: “Efa afaka Babylona”, dia mihorohoro ny tany, ary ny fitarainana dia re any amin’ ny firenena.

< 耶利米書 50 >