< 耶利米書 43 >

1 耶利米向眾百姓說完了耶和華-他們上帝的一切話,就是耶和華-他們上帝差遣他去所說的一切話。
Ary rehefa tapitra voalazan’ i Jeremia tamin’ ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin’ i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan’ i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,
2 何沙雅的兒子亞撒利雅和加利亞的兒子約哈難,並一切狂傲的人,就對耶利米說:「你說謊言!耶和華-我們的上帝並沒有差遣你來說:『你們不可進入埃及,在那裏寄居。』
dia niteny Azaria, zanak’ i Hosaia, sy Johanana, zanak’ i Karea, mbamin’ ny olona mpirehareha rehetra ka niteny tamin’ i Jeremia hoe: Mandainga ianao; fa tsy naniraka anao Jehovah Andriamanitsika hilaza hoe: Aza mandeha hivahiny any Egypta;
3 這是尼利亞的兒子巴錄挑唆你害我們,要將我們交在迦勒底人的手中,使我們有被殺的,有被擄到巴比倫去的。」
fa Baroka, zanak’ i Neria, no nanome fo anao hamely anay mba hanolotra anay ho eo an-tànan’ ny Kaldeana hahafaty anay sy hahalasa anay ho babo any Babylona.
4 於是加利亞的兒子約哈難和一切軍長,並眾百姓,不聽從耶和華的話住在猶大地。
Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra ary ny vahoaka rehetra dia tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ny amin’ ny honenany ao amin’ ny tanin’ ny Joda.
5 加利亞的兒子約哈難和一切軍長卻將所剩下的猶大人,就是從被趕到各國回來在猶大地寄居的男人、婦女、孩童,和眾公主,並護衛長尼布撒拉旦所留在沙番的孫子亞希甘的兒子基大利那裏的眾人,與先知耶利米,以及尼利亞的兒子巴錄,
Fa Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra dia nitondra ny sisa rehetra tamin’ ny Joda, izay niverina avy tany amin’ ny firenena rehetra nandroahana azy honina ao amin’ ny tanin’ ny Joda,
6
dia ny lehilahy sy ny zaza amim-behivavy sy ny vehivavy zanak’ andriana ary ny olona rehetra izay navelan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, tao amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, sy tao amin’ i Jeremia mpaminany sy Baroka, zanak’ i Neria
7 都帶入埃及地,到了答比匿。這是因他們不聽從耶和華的話。
ka dia nankany amin’ ny tany Egypta izy ireny, fa tsy nihaino ny feon’ i Jehovah, ary dia tonga hatrany Tapanesa.
8 在答比匿,耶和華的話臨到耶利米說:
Dia tonga tamin’ i Jeremia tao Tapanesa ny tenin’ i Jehovah hoe:
9 「你在猶大人眼前要用手拿幾塊大石頭,藏在砌磚的灰泥中,就是在答比匿法老的宮門那裏,
Mitondrà vato lehibe eny an-tananao, ka afeno ao amin’ ny feta ao amin’ ny gorodona taila, izay eo akaikin’ ny vavahady amin’ ny tranon’ i Farao ao Tapanesa, eo imason’ ny lehilahy amin’ ny Joda,
10 對他們說:『萬軍之耶和華-以色列的上帝如此說:我必召我的僕人巴比倫王尼布甲尼撒來。在所藏的石頭上我要安置他的寶座;他必將光華的寶帳支搭在其上。
ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro Aho haniraka haka an’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, mpanompoko, ka haoriko amin’ ireto vato nafeniko ireto ny seza fiandrianany; ary hamelatra ny lambany tsara tarehy hatao alokaloka eo amboniny izy.
11 他要來攻擊埃及地,定為死亡的,必致死亡;定為擄掠的,必被擄掠;定為刀殺的,必交刀殺。
Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin’ ny areti-mandringana dia ho amin’ ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ ny fahababoana dia ho amin’ ny fahababoana, ary izay ho amin’ ny sabatra dia ho amin’ ny sabatra.
12 我要在埃及神的廟中使火着起,巴比倫王要將廟宇焚燒,神像擄去;他要得埃及地,好像牧人披上外衣,從那裏安然而去。
Ary handrehitra afo ao amin’ ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta Aho, ka dia hodorany sy hobaboiny ireo, ary hitafy ny tany Egypta izy toy ny fitafin’ ny mpiandry ondry ny lambany; ary hiala any amin’ ny fiadanana izy.
13 他必打碎埃及地伯‧示麥的柱像,用火焚燒埃及神的廟宇。』」
Ary hotorotoroiny ny tsangam-baton-tsampy ao Beti-semesy, izay any amin’ ny tany Egypta; ary hodorany amin’ ny afo ny tranon’ ny andriamanitr’ i Egypta.

< 耶利米書 43 >