< 耶利米書 40 >

1 耶利米鎖在耶路撒冷和猶大被擄到巴比倫的人中,護衛長尼布撒拉旦將他從拉瑪釋放以後,耶和華的話臨到耶利米。
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah, taorian’ ny nandefasan’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin’ ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin’ ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona.
2 護衛長將耶利米叫來,對他說:「耶和華-你的上帝曾說要降這禍與此地。
An’ ny lehiben’ ny mpiambina dia naka an’ i Jeremia ka nanao taminy hoe: Jehovah Andriamanitrao nanambara izao loza izao, izay nanjo ity tanàna ity.
3 耶和華使這禍臨到,照他所說的行了;因為你們得罪耶和華,沒有聽從他的話,所以這事臨到你們。
Ary Jehovah nahatonga izany ka nanao araka izay nolazainy, noho ny nanotanareo tamin’ i Jehovah sy ny tsy nihainoanareo ny feony, dia izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.
4 現在我解開你手上的鍊子,你若看與我同往巴比倫去好,就可以去,我必厚待你;你若看與我同往巴比倫去不好,就不必去。看哪,全地在你面前,你以為哪裏美好,哪裏合宜,只管上那裏去吧!」
Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin’ ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.
5 耶利米還沒有回去,護衛長說:「你可以回到沙番的孫子亞希甘的兒子基大利那裏去;現在巴比倫王立他作猶大城邑的省長。你可以在他那裏住在民中,不然,你看哪裏合宜就可以上那裏去。」於是護衛長送他糧食和禮物,釋放他去了。
Ary raha tsy mbola nety nandeha izy, dia hoy Nebozaradana: Miverena indray any amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, izay voatendrin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho mpanapaka ny tanànan’ ny Joda ka tomoera aminy ao amin’ ny olona, na mandehana any amin’ izay tianao haleha na aiza na aiza. Dia nomen’ ny lehiben’ ny mpiambina vatsy sy fanomezana izy ka nalefany handeha.
6 耶利米就到米斯巴見亞希甘的兒子基大利,在他那裏住在境內剩下的民中。
Ary Jeremia nankany amin’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin’ ny vahoaka izay sisa velona tamin’ ny tany.
7 在田野的一切軍長和屬他們的人聽見巴比倫王立了亞希甘的兒子基大利作境內的省長,並將沒有擄到巴比倫的男人、婦女、孩童,和境內極窮的人全交給他。
Ary raha ren’ ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha sy ny olom-peheziny fa ny mpanjakan’ i Babylona efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, ho mpanapaka ny tany sy ho mpitandrina ny lehilahy mbamin’ ny zaza amim-behivavy ary ny malahelo sasany teo amin’ ny tany izay tsy mbola lasan-ko babo tany Babylona,
8 於是軍長尼探雅的兒子以實瑪利,加利亞的兩個兒子約哈難和約拿單,單戶篾的兒子西萊雅,並尼陀法人以斐的眾子,瑪迦人的兒子耶撒尼亞和屬他們的人,都到米斯巴見基大利。
dia tonga tany amin’ i Gedalia tany Mizpa izy, dia Isimaela, zanak’ i Netania, sy Johanana sy Jonatana, zanak’ i Karea, sy Seraia, zanak’ i Tanometa, sy ny zanak’ i Efay Netofatita ary Jazania, zanak’ ilay Makatita, dia izy ireny sy ny olom-peheziny avy.
9 沙番的孫子亞希甘的兒子基大利向他們和屬他們的人起誓說:「不要怕服事迦勒底人,只管住在這地,服事巴比倫王,就可以得福。
Ary Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, dia nianiana taminy sy tamin’ ny olona-peheziny nanao hoe: Aza matahotra hanompo ny Kaldeana; monena amin’ ny tany, ka manompoa ny mpanjakan’ i Babylona, dia hahita soa ianareo.
10 至於我,我要住在米斯巴,伺候那到我們這裏來的迦勒底人;只是你們當積蓄酒、油,和夏天的果子,收在器皿裏,住在你們所佔的城邑中。」
Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa ianareo dia manangona divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin’ ny fitehirizanareo, dia monena amin’ izay tanàna nidiranareo.
11 在摩押地和亞捫人中,在以東地和各國的一切猶大人,聽見巴比倫王留下些猶大人,並立沙番的孫子亞希甘的兒子基大利管理他們。
Ary koa, ny Jiosy rehetra izay tany Moaba sy tany amin’ ny taranak’ i Amona sy tany Edoma ary izay tany amin’ ny tany rehetra dia nahare fa ny mpanjakan i Babylona efa namela ny Joda hisy sisa sady efa nanendry an’ i Gedalia, zanak’ i Ahikama, zanak’ i Safana, ho mpanapaka azy,
12 這一切猶大人就從所趕到的各處回來,到猶大地米斯巴的基大利那裏,又積蓄了許多的酒,並夏天的果子。
dia niverina ny Jiosy rehetra avy tany amin’ ny tany rehetra izay efa nandroahana azy ka tonga tany amin’ ny tanin’ ny Joda ho any amin’ i Gedalia tao Mizpa, ka nanangona divay sy voankazo sesehena masaka fahavaratra izy.
13 加利亞的兒子約哈難和在田野的一切軍長來到米斯巴見基大利,
Ary Johanana, zanak’ i Karea, sy ny mpifehy ny miaramila rehetra izay tany an-tsaha dia tonga tany amin’ i Gedalia tany Mizpa
14 對他說:「亞捫人的王巴利斯打發尼探雅的兒子以實瑪利來要你的命,你知道嗎?」亞希甘的兒子基大利卻不信他們的話。
ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, dia naniraka an’ Isimaela, zanak’ i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama.
15 加利亞的兒子約哈難在米斯巴私下對基大利說:「求你容我去殺尼探雅的兒子以實瑪利,必無人知道。何必讓他要你的命,使聚集到你這裏來的猶大人都分散,以致猶大剩下的人都滅亡呢?」
Ary Johanana, zanak’ i Karea, nilaza mangingina tamin’ i Gedalia tao Mizpa nanao hoe: masìna ianao, aoka aho handeha hamono an’ Isimaela, zanak’ i Netania, fa tsy hisy olona hahalala izany tsy akory; fa nahoana no havela hamono anao izy ka hampiely ny Jiosy rehetra izay tafangona eto aminao ary hahalany ringana ny sisa amin’ ny Joda?
16 亞希甘的兒子基大利對加利亞的兒子約哈難說:「你不可行這事,你所論以實瑪利的話是假的。」
Fa hoy Gedalia, zanak’ i Ahikama, tamin’ i Johanana, zanak’ i Karea: Aza manao izany ianao, fa miampanga lainga foana an’ Isimaela ianao.

< 耶利米書 40 >