< 以賽亞書 63 >

1 這從以東的波斯拉來, 穿紅衣服, 裝扮華美, 能力廣大, 大步行走的是誰呢? 就是我, 是憑公義說話, 以大能施行拯救。
Iza moa Ity avy any Edoma, dia avy any Bozra, ka mena mangatrakatraka ny fitafiany, dia Ity Izay mareva-pitafiana sy miandranandrana amin’ ny haben ny heriny? Izaho Izay mitory fahamarinana sady manan-kery hamonjy.
2 你的裝扮為何有紅色? 你的衣服為何像踹酒醡的呢?
Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an’ izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?
3 我獨自踹酒醡; 眾民中無一人與我同在。 我發怒將他們踹下, 發烈怒將他們踐踏。 他們的血濺在我衣服上, 並且污染了我一切的衣裳。
Nanosihosy ny famiazam-boaloboka irery Aho; fa tsy mba nisy niaraka tamiko ny avy tamin’ ny firenena na dia iray akory aza; nanitsaka ireny tamin’ ny fahatezerako Aho sy nanosihosy azy tamin’ ny fahavinirako, dia nipitipitihan’ ny ràny ny fitafiako, ka voalotoko ny akanjoko rehetra.
4 因為,報仇之日在我心中; 救贖我民之年已經來到。
Fa efa ato am-poko ny andro hamaliako, ary tonga ny taonan’ ny voavotro.
5 我仰望,見無人幫助; 我詫異,沒有人扶持。 所以,我自己的膀臂為我施行拯救; 我的烈怒將我扶持。
Nitsinjo Aho, nefa tsy nisy hamonjy, ary talaniona Aho, satria tsy nisy hanohana, ka dia ny sandriko ihany no nanao famonjena ho Ahy, ary ny fahavinirako no nanohana Ahy.
6 我發怒,踹下眾民; 發烈怒,使他們沉醉, 又將他們的血倒在地上。
Nanitsaka firenena tamin’ ny fahatezerako Aho sady nampahaleony azy tamin’ ny fahavinirako ary nandatsaka ny ràny tamin’ ny tany.
7 我要照耶和華一切所賜給我們的, 提起他的慈愛和美德, 並他向以色列家所施的大恩; 這恩是照他的憐恤 和豐盛的慈愛賜給他們的。
Ny famindram-pon’ i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an’ i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben’ ny fahasoavana tamin’ ny taranak’ Isiraely. Izay nomeny azy araka ny fiantrany sy araka ny haben’ ny famindram-pony.
8 他說:他們誠然是我的百姓, 不行虛假的子民; 這樣,他就作了他們的救主。
Fa hoy Izy: Oloko tokoa ireo, dia zanaka tsy mba handainga; ka dia tonga Mpamonjy azy Izy.
9 他們在一切苦難中, 他也同受苦難; 並且他面前的使者拯救他們; 他以慈愛和憐憫救贖他們; 在古時的日子常保抱他們,懷搋他們。
Tamin’ ny fahoriany rehetra dia niory koa Izy, ary Ilay Anjelin’ ny tavany no namonjy ireo; ny fitiavany sy ny famindram-pony no nanavotany azy sy nivimbinany azy ary nitondrany azy tamin’ ny andro taloha ela rehetra.
10 他們竟悖逆,使主的聖靈擔憂。 他就轉作他們的仇敵, 親自攻擊他們。
Fa ireo kosa dia niodina ka nanome alahelo ny Fanahy Masiny; dia tonga fahavalony Izy ka niady taminy.
11 那時,他們想起古時的日子- 摩西和他百姓,說: 將百姓和牧養他全群的人 從海裏領上來的在哪裏呢? 將他的聖靈降在他們中間的在哪裏呢?
Ary ny olony dia nahatsiaro ny andro taloha ela, dia ny tamin’ i Mosesy. Aiza Ilay nitondra azy mbamin’ ny mpiandry ondriny niakatra avy tamin’ ny ranomasina? Aiza Ilay nametraka ny Fanahy Masiny tao aminy,
12 使他榮耀的膀臂在摩西的右手邊行動, 在他們前面將水分開, 要建立自己永遠的名,
Dia Ilay nampandeha ny sandriny be voninahitra teo ankavanan’ i Mosesy ka nampisaraka ny ranomasina teo anoloany, mba hanaovany anarana mandrakizay ho Azy,
13 帶領他們經過深處, 如馬行走曠野, 使他們不致絆跌的在哪裏呢?
Dia Ilay nitondra azy nita ny rano lalina, tahaka ny fandehan’ ny soavaly eny an-tany lemaka, ka tsy tafintohina izy?
14 耶和華的靈使他們得安息, 彷彿牲畜下到山谷; 照樣,你也引導你的百姓, 要建立自己榮耀的名。
Tahaka ny fidinan’ ny biby fiompy ho any an-dohasaha no nanomezan’ ny Fanahin’ i Jehovah fitsaharana ho azy: Tahaka izany no nitondranao ny olonao, Mba hanaovana anarana be voninahitra ho Anao.
15 求你從天上垂顧, 從你聖潔榮耀的居所觀看。 你的熱心和你大能的作為在哪裏呢? 你愛慕的心腸和憐憫向我們止住了。
Mitsinjova eny an-danitra, ary mijere eny amin’ ny fonenan’ ny fahamasinanao sy ny voninahitrao; aiza ny fahasaro-piaronao sy ny asanao lehibe? Ny fandevilevin’ ny kibonao sy ny famindram-ponao dia voasakana tsy ho amiko.
16 亞伯拉罕雖然不認識我們, 以色列也不承認我們, 你卻是我們的父。 耶和華啊,你是我們的父; 從萬古以來,你名稱為「我們的救贖主」。
Kanefa Hianao no Rainay, fa Abrahama tsy mahalala anay, Ary Isiraely tsy mahafantatra anay, Jehovah ô, Hianao no Rainay, ary Mpanavotra anay no anaranao hatrizay hatrizay.
17 耶和華啊,你為何使我們走差離開你的道, 使我們心裏剛硬、不敬畏你呢? 求你為你僕人, 為你產業支派的緣故,轉回來。
Jehovah ô, nahoana no nampiala anay tamin’ ny lalanao Hianao ka nampaniasia anay sady nanamafy ny fonay tsy hatahotra Anao? Miverena noho ny amin’ ny mpanomponao, dia ny firenena lovanao.
18 你的聖民不過暫時得這產業; 我們的敵人已經踐踏你的聖所。
Vetivety foana no nananan’ ny olonao masìna ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masìna.
19 我們好像你未曾治理的人, 又像未曾得稱你名下的人。
Efa tonga hoatra izay tsy notapahinao hatrizay hatrizay izahay sady tsy mba nantsoina tamin’ ny anaranao akory.

< 以賽亞書 63 >