< 創世記 46 >

1 以色列帶着一切所有的,起身來到別是巴,就獻祭給他父親以撒的上帝。
Ary niainga Isiraely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Beri-sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitr’ Isaka rainy izy.
2 夜間,上帝在異象中對以色列說:「雅各!雅各!」他說:「我在這裏。」
Ary Andriamanitra niteny tamin’ Isiraely tao amin’ ny fahitana nony alina ka nanao ho: Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Ary hoy kosa izy: Inty aho.
3 上帝說:「我是上帝,就是你父親的上帝。你下埃及去不要害怕,因為我必使你在那裏成為大族。
Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao; aza matahotra hidina any Egypta ianao, fa hataoko firenena lehibe any ianao.
4 我要和你同下埃及去,也必定帶你上來;約瑟必給你送終。」
Izaho hiara-midìna aminao ho any Egypta; ary Izaho hitondra anao hiakatra indray tokoa ary ny tànan’ i Josefa no hanirina ny masonao.
5 雅各就從別是巴起行。以色列的兒子們使他們的父親雅各和他們的妻子、兒女都坐在法老為雅各送來的車上。
Dia niainga Jakoba ka niala tao Beri-sheba; ary ny zanak’ Isiraely nitondra an’ i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny teo anatin’ ny sariety, izay efa nampitondrain’ i Farao hitondrana azy.
6 他們又帶着迦南地所得的牲畜、貨財來到埃及。雅各和他的一切子孫都一同來了。
Ary nentin’ izy ireo ny omby aman’ ondriny sy ny fananany, izay efa nohariny tany amin’ ny tany Kanana, dia tonga tany Egypta Jakoba sy ny zanany rehetra nomba azy:
7 雅各把他的兒子、孫子、女兒、孫女,並他的子子孫孫,一同帶到埃及。
ny zananilahy sy ny zafini-lahy nomba azy, ary ny zananivavy sy ny zafini-vavy; eny, nentiny nomba azy ho any Egypta avokoa ny zanany rehetra.
8 來到埃及的以色列人名字記在下面。雅各和他的兒孫:雅各的長子是呂便。
Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy:
9 呂便的兒子是哈諾、法路、希斯倫、迦米。
Robena, lahimatoan’ i Jakoba. Ary ny zanakalahin-dRobena dia Hanoka sy Palo sy Hezrona ary Karmy
10 西緬的兒子是耶母利、雅憫、阿轄、雅斤、瑣轄,還有迦南女子所生的掃羅。
Ary ny zanakalahin’ i Simeona dia Jemoela sy Jamina sy Ohada sy Jakina sy Zohara ary Saoly, zanakalahin’ ny vehivavy Kananita.
11 利未的兒子是革順、哥轄、米拉利。
Ary ny zanakalahin’ i Levy dia Gersona sy Kehata atỳ Merary.
12 猶大的兒子是珥、俄南、示拉、法勒斯、謝拉;惟有珥與俄南死在迦南地。法勒斯的兒子是希斯崙、哈母勒。
Ary ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana sy Sela sy Fareza ary Zera; ary Era sy Onana anefa dia maty tany amin’ ny tany Kanana ihany. Ary ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.
13 以薩迦的兒子是陀拉、普瓦、約伯、伸崙。
Ary ny zanakalahin’ Isakara dia Tola sy Pova sy Joba ary Simrona.
14 西布倫的兒子是西烈、以倫、雅利。
Ary ny zanakalahin’ i Zebolona dia Sereda sy Elona ary Jahalela.
15 這是利亞在巴旦‧亞蘭給雅各所生的兒子,還有女兒底拿。兒孫共有三十三人。
lreo no zanakalahin’ i Lea izay naterany tamin’ i Jakoba tany Mesopotamia, ary Dina zananivavy; ny isan’ ny zananilahy rehetra mbamin’ ny zananivavy dia telo amby telo-polo.
16 迦得的兒子是洗非芸、哈基、書尼、以斯本、以利、亞羅底、亞列利。
Ary ny zanakalahin’ i Gada dia Zifiona sy Hagy sy Sony sy Ezbona sy Erỳ sy Aroda ary Arely.
17 亞設的兒子是音拿、亦施瓦、亦施韋、比利亞,還有他們的妹子西拉。比利亞的兒子是希別、瑪結。
Ary ny zanak’ i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria ary Sera, anabavin’ ireo; ary ny zanakalahin’ i Beria dia Hebera sy Malkiela.
18 這是拉班給他女兒利亞的婢女悉帕從雅各所生的兒孫,共有十六人。
Ireo no zanak’ i Zilpa, izay nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy, ary ireo no naterany tamin’ i Jakoba, dia enina ambin’ ny folo izy.
19 雅各之妻拉結的兒子是約瑟和便雅憫。
Ny zanakalahin-dRahely, vadin’ i Jakoba dia Josefa sy Benjamina.
20 約瑟在埃及地生了瑪拿西和以法蓮,就是安城的祭司波提非拉的女兒亞西納給約瑟生的。
Ary ny zanakalahin’ i Asenata, zanakavavin’ i Poti-fera, mpisorona tao Ona, izay naterak’ i Josefa tany amin’ ny tany Egypta, dia Manase sy Efraima.
21 便雅憫的兒子是比拉、比結、亞實別、基拉、乃幔、以希、羅實、母平、戶平、亞勒。
Ary ny zanakalahin’ i Benjamina dia Bela sy Bakera sy Asbela sy Gera sy Namana sy Ehy sy Rosy sy Mopima sy Hopima ary Arda.
22 這是拉結給雅各所生的兒孫,共有十四人。
Ireo no zanakalahin-dRahely, izay naterany tamin’ i Jakoba; efatra ambin’ ny folo ny isan’ izy rehetra.
23 但的兒子是戶伸。
Ary ny zanakalahin’ i Dana dia Hosima.
24 拿弗他利的兒子是雅薛、沽尼、耶色、示冷。
Ary ny zanakalahin’ i Naftaly dia Jaziela sy Gony sy Jezera ary Silema.
25 這是拉班給他女兒拉結的婢女辟拉從雅各所生的兒孫,共有七人。
Ireo no zanakalahin’ i Bila, izay nomen’ i Labana an-dRahely zananivavy, ary ireo no naterak’ i Jakoba; fito no isan’ izy rehetra.
26 那與雅各同到埃及的,除了他兒婦之外,凡從他所生的,共有六十六人。
Ny isan’ izay rehetra nankany Egypta niaraka tamin’ i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin’ ny zanakalahin’ i Jakoba dia enina amby enim-polo.
27 還有約瑟在埃及所生的兩個兒子。雅各家來到埃及的共有七十人。
Ary ny zanakalahin’ i Josefa, izay naterany tany Egypta, dia roa lahy; ny isan’ ny terak’ i Jakoba rehetra, izay tonga tany Egypta, dia fito-polo.
28 雅各打發猶大先去見約瑟,請派人引路往歌珊去;於是他們來到歌珊地。
Ary Joda nirahiny nialoha azy hankany amin’ i Josefa mba hanoro lalana azy ho any Gosena; dia tonga tany amin’ ny tany Gosena izy.
29 約瑟套車往歌珊去,迎接他父親以色列,及至見了面,就伏在父親的頸項上,哭了許久。
Ary Josefa nampanamboatra ny kalesiny, dia niakatra hitsena an’ Isiraely rainy tany Gosena izy; ary raha niseho taminy izy, dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo amin’ ny vozony.
30 以色列對約瑟說:「我既得見你的面,知道你還在,就是死我也甘心。」
Ary hoy Isiraely tamin’ i Josefa: Aoka ho faty amin’ izao aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao.
31 約瑟對他的弟兄和他父的全家說:「我要上去告訴法老,對他說:『我的弟兄和我父的全家從前在迦南地,現今都到我這裏來了。
Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny sy ny ankohonan’ ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin’ i Farao ka hanao aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan’ ny raiko, izay tany amin’ ny tany Kanana, dia efa tonga atỳ amiko.
32 他們本是牧羊的人,以養牲畜為業;他們把羊群牛群和一切所有的都帶來了。』
Ary mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, fa mpiompy omby aman’ ondry izy; ary ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny mbamin’ izay rehetra ananany dia nentiny avokoa.
33 等法老召你們的時候,問你們說:『你們以何事為業?』
Ary raha hiantso anareo Farao ka hanao hoe: Inona no raharaha fanaonareo?
34 你們要說:『你的僕人,從幼年直到如今,都以養牲畜為業,連我們的祖宗也都以此為業。』這樣,你們可以住在歌珊地,因為凡牧羊的都被埃及人所厭惡。」
dia izao no havalinareo: Miompy omby aman’ ondry no raharaha fanaon’ ny mpanomponao, hatry ny fony vao zaza ka ambaraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay koa mba hahazoanareo monina ao amin’ ny tany Gosena, satria fahavetavetana amin’ ny Egyptiana ny mpiandry ondry rehetra.

< 創世記 46 >