< 以斯拉記 9 >

1 這事做完了,眾首領來見我,說:「以色列民和祭司並利未人,沒有離絕迦南人、赫人、比利洗人、耶布斯人、亞捫人、摩押人、埃及人、亞摩利人,仍效法這些國的民,行可憎的事。
Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin’ ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.
2 因他們為自己和兒子娶了這些外邦女子為妻,以致聖潔的種類和這些國的民混雜;而且首領和官長在這事上為罪魁。」
Fa efa naka tamin’ ny zanakavavin’ ireo ho vadiny sy ho vadin’ ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin’ ny olona tompon-tany ny taranaka masìna; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin’ izany fahadisoana izany.
3 我一聽見這事,就撕裂衣服和外袍,拔了頭髮和鬍鬚,驚懼憂悶而坐。
Ary nony nandre izany zavatra izany aho, dia nandriatra ny lambako sy ny akanjoko sady nandrompotra ny volon-dohako sy ny somotro, dia nipetraka tahaka ilay torana iny aho.
4 凡為以色列上帝言語戰兢的,都因這被擄歸回之人所犯的罪聚集到我這裏來。我就驚懼憂悶而坐,直到獻晚祭的時候。
Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin’ Andriamanitry ny Isiraely ny amin’ ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.
5 獻晚祭的時候我起來,心中愁苦,穿着撕裂的衣袍,雙膝跪下向耶和華-我的上帝舉手,
Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin’ i Jehovah Andriamanitro aho
6 說:「我的上帝啊,我抱愧蒙羞,不敢向我上帝仰面;因為我們的罪孽滅頂,我們的罪惡滔天。
ka nanao hoe: Andriamanitro ô, menatra sy mangaihay aho, raha miandrandra aminao, ry Andriamanitro ô; fa efa nihamaro mihoatra ny lohanay ny helokay, ary ny fahotanay dia lehibe manakatra ny lanitra;
7 從我們列祖直到今日,我們的罪惡甚重;因我們的罪孽,我們和君王、祭司都交在外邦列王的手中,殺害、擄掠、搶奪、臉上蒙羞正如今日的光景。
fa hatramin’ ny andron’ ny razanay ka mandraka androany dia lehibe ny helokay; ary ny helokay no nanolorana anay sy ny mpanjakanay ary ny mpisoronay ho eo an-tànan’ ny mpanjakan’ ny tany hafa, hovonoin-tsabatra sy ho babo sy ho voaroba ary hangaihay tahaka ny amin’ izao anio izao.
8 現在耶和華-我們的上帝暫且施恩與我們,給我們留些逃脫的人,使我們安穩如釘子釘在他的聖所,我們的上帝好光照我們的眼目,使我們在受轄制之中稍微復興。
Koa ankehitriny vao niseho vetivety ny fahasoavana avy tamin’ i Jehovah Andriamanitray tamin’ ny namelany anay ho nisy sisa afaka sy tamin’ ny nanomezany anay fihantonana eo amin’ ny fitoerany masìna, mba hohazavain’ Andriamanitray ny masonay ka homena famelombelomana kely amin’ ny fahandevozanay izahay.
9 我們是奴僕,然而在受轄制之中,我們的上帝仍沒有丟棄我們,在波斯王眼前向我們施恩,叫我們復興,能重建我們上帝的殿,修其毀壞之處,使我們在猶大和耶路撒冷有牆垣。
Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin’ Andriamanitray, na dia tamin’ ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason’ ireo mpanjakan’ i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon’ Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.
10 「我們的上帝啊,既是如此,我們還有甚麼話可說呢?因為我們已經離棄你的命令,
Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin’ izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,
11 就是你藉你僕人眾先知所吩咐的說:『你們要去得為業之地是污穢之地;因列國之民的污穢和可憎的事,叫全地從這邊直到那邊滿了污穢。
dia ilay nampilazainao ny mpaminany mpanomponao hoe: Ny tany izay efa hidiranareo holovana dia tany maloto noho ny fahalotoan’ ny tompon-tany sy ny fahavetavetany, izay efa nataony manenika azy noho ny fahalotoany;
12 所以不可將你們的女兒嫁他們的兒子,也不可為你們的兒子娶他們的女兒,永不可求他們的平安和他們的利益,這樣你們就可以強盛,吃這地的美物,並遺留這地給你們的子孫永遠為業。』
koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin’ ny tany, dia hamela izany ho lovan’ ny taranakareo mandrakizay.
13 上帝啊,我們因自己的惡行和大罪,遭遇了這一切的事,並且你刑罰我們輕於我們罪所當得的,又給我們留下這些人。
Ary na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsinay sy ny fahadisoanay betsaka, dia tsy nampijaly anay araka ny helokay Hianao Andriamanitray, fa efa namela anay ho nisy sisa afaka toy izao ihany,
14 我們豈可再違背你的命令,與這行可憎之事的民結親呢?若這樣行,你豈不向我們發怒,將我們滅絕,以致沒有一個剩下逃脫的人嗎?
fa raha handika ny didinao indray izahay ka hifanambady amin’ ireny olom-betaveta ireny, moa tsy ho tezitra aminay mandra-pahalany ritranay va Hianao, ka tsy hisy sisa afaka akory?
15 耶和華-以色列的上帝啊,因你是公義的,我們這剩下的人才得逃脫,正如今日的光景。看哪,我們在你面前有罪惡,因此無人在你面前站立得住。」
Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin’ izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin’ ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.

< 以斯拉記 9 >