< 以斯帖記 4 >

1 末底改知道所做的這一切事,就撕裂衣服,穿麻衣,蒙灰塵,在城中行走,痛哭哀號。
Nony fantatr’ i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan’ ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
2 到了朝門前停住腳步,因為穿麻衣的不可進朝門。
ary tonga teo anoloan’ ny vavahadin’ ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.
3 王的諭旨所到的各省各處,猶大人大大悲哀,禁食哭泣哀號,穿麻衣躺在灰中的甚多。
Ary tany amin’ ny isan-tokony tamin’ ny fanjakana rehetra nalehan’ ny tenin’ ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin’ ny lamba fisaonana aman-davenona.
4 王后以斯帖的宮女和太監來把這事告訴以斯帖,她甚是憂愁,就送衣服給末底改穿,要他脫下麻衣,他卻不受。
Ary niditra ny ankizivavin’ i Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin’ ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin’ i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.
5 以斯帖就把王所派伺候她的一個太監,名叫哈他革召來,吩咐他去見末底改,要知道這是甚麼事,是甚麼緣故。
Ary Estera niantso an’ i Hatàka, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin’ i Mordekay, mba hahafantarany izay anton’ izany.
6 於是哈他革出到朝門前的寬闊處見末底改。
Dia nivoaka Hatàka nankany amin’ i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan’ ny vavahadin’ ny mpanjaka;
7 末底改將自己所遇的事,並哈曼為滅絕猶大人應許捐入王庫的銀數都告訴了他;
dia nambaran’ i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan’ ny vola izay nokasain’ i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.
8 又將所抄寫傳遍書珊城要滅絕猶大人的旨意交給哈他革,要給以斯帖看,又要給她說明,並囑咐她進去見王,為本族的人在王面前懇切祈求。
Ary nomeny azy koa ny kopen’ ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin’ i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin’ ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an’ ny fireneny.
9 哈他革回來,將末底改的話告訴以斯帖;
Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin’ i Mordekay tamin’ i Estera.
10 以斯帖就吩咐哈他革去見末底改,說:
Fa Estera naniraka an’ i Hatàka indray hanao amin’ i Mordekay hoe:
11 「王的一切臣僕和各省的人民都知道有一個定例:若不蒙召,擅入內院見王的,無論男女必被治死;除非王向他伸出金杖,不得存活。現在我沒有蒙召進去見王已經三十日了。」
Ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran’ ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin’ ny mpanjaka amin’ ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin’ ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
12 人就把以斯帖這話告訴末底改。
Dia nolazaina tamin’ i Mordekay ny tenin’ i Estera.
13 末底改託人回覆以斯帖說:「你莫想在王宮裏強過一切猶大人,得免這禍。
Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin’ i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon’ ny mpanjaka;
14 此時你若閉口不言,猶大人必從別處得解脫,蒙拯救;你和你父家必致滅亡。焉知你得了王后的位分不是為現今的機會嗎?」
fa raha hangina mihitsy ianao amin’ izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ ny fitoerana hafa ho an’ ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin’ izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ ny fanjakana?
15 以斯帖就吩咐人回報末底改說:
Dia nampitondra valiny ho any amin’ i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:
16 「你當去招聚書珊城所有的猶大人,為我禁食三晝三夜,不吃不喝;我和我的宮女也要這樣禁食。然後我違例進去見王,我若死就死吧!」
Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
17 於是末底改照以斯帖一切所吩咐的去行。
Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian’ i Estera azy.

< 以斯帖記 4 >