< 以斯帖記 2 >

1 這事以後,亞哈隨魯王的忿怒止息,就想念瓦實提和她所行的,並怎樣降旨辦她。
Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran’ i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an’ i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.
2 於是王的侍臣對王說:「不如為王尋找美貌的處女。
Ka dia hoy ireo zatovon’ ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;
3 王可以派官在國中的各省招聚美貌的處女到書珊城的女院,交給掌管女子的太監希該,給她們當用的香品。
ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin’ ny isan-tokony eran’ ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin’ ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin’ ny fehin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
4 王所喜愛的女子可以立為王后,代替瓦實提。」王以這事為美,就如此行。
koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an’ i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.
5 書珊城有一個猶大人,名叫末底改,是便雅憫人基士的曾孫,示每的孫子,睚珥的兒子。
Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak’ i Jaïra, zanak’ i Simey, zanak’ i Kisy, avy tamin’ ny taranak’ i Benjamina,
6 從前巴比倫王尼布甲尼撒將猶大王耶哥尼雅和百姓從耶路撒冷擄去,末底改也在其內。
izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin’ ny babo izay nentina niaraka tamin’ i Jekonia, mpanjakan’ ny Joda, izay nobaboin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona.
7 末底改撫養他叔叔的女兒哈大沙(後名以斯帖),因為她沒有父母。這女子又容貌俊美;她父母死了,末底改就收她為自己的女兒。
Ary izy nitaiza an’ i Hadasa (Estera izany), zanakavavin’ ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin’ i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
8 王的諭旨傳出,就招聚許多女子到書珊城,交給掌管女子的希該;以斯帖也送入王宮,交付希該。
Koa nony re ny tenin’ ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin’ ny fehin’ i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon’ ny mpanjaka koa Estera ho amin’ ny fehin’ i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
9 希該喜悅以斯帖,就恩待她,急忙給她需用的香品和她所當得的分,又派所當得的七個宮女服事她,使她和她的宮女搬入女院上好的房屋。
Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon’ ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin’ ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
10 以斯帖未曾將籍貫宗族告訴人,因為末底改囑咐她不可叫人知道。
Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan’ i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.
11 末底改天天在女院前邊行走,要知道以斯帖平安不平安,並後事如何。
Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan’ ny kianjan’ ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran’ i Estera sy izay anaovana azy.
12 眾女子照例先潔淨身體十二個月:六個月用沒藥油,六個月用香料和潔身之物。滿了日期,然後挨次進去見亞哈隨魯王。
Ary nony tonga ny andro hidiran’ ny zazavavy tsirairay isan’ andro tany amin’ i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin’ ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin’ izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin’ ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin’ ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan’ ny vehivavy),
13 女子進去見王是這樣:從女院到王宮的時候,凡她所要的都必給她。
koa nony hiditra ao amin’ ny mpanjaka ny zazavavy tamin’ izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin’ ny tranom-behivavy ho ao an-tranon’ ny mpanjaka.
14 晚上進去,次日回到女子第二院,交給掌管妃嬪的太監沙甲;除非王喜愛她,再提名召她,就不再進去見王。
Tamin’ ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran’ ny vehivavy, ho amin’ ny fehin’ i Sasegaza, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin’ ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian’ ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
15 末底改叔叔亞比孩的女兒,就是末底改收為自己女兒的以斯帖,按次序當進去見王的時候,除了掌管女子的太監希該所派定給她的,她別無所求。凡看見以斯帖的都喜悅她。
Ary rehefa tonga ny anjara-andron’ i Estera, zanakavavin’ i Abihaila, rahalahin-drain’ i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon’ ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason’ ny olona rehetra izay nijery azy.
16 亞哈隨魯王第七年十月,就是提別月,以斯帖被引入宮見王。
Dia nentina ho ao amin’ i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon’ ny fanjakana, tamin’ ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin’ ny taona fahafito nanjakany.
17 王愛以斯帖過於愛眾女,她在王眼前蒙寵愛比眾處女更甚。王就把王后的冠冕戴在她頭上,立她為王后,代替瓦實提。
Ary tian’ ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’ i Vasty.
18 王因以斯帖的緣故給眾首領和臣僕設擺大筵席,又豁免各省的租稅,並照王的厚意大頒賞賜。
Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an’ ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan’ i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an’ ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
19 第二次招聚處女的時候,末底改坐在朝門。
Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka Mordekay.
20 以斯帖照着末底改所囑咐的,還沒有將籍貫宗族告訴人;因為以斯帖遵末底改的命,如撫養她的時候一樣。
Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan’ i Mordekay azy ihany; fa ny tenin’ i Mordekay dia nankatoavin’ i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany.
21 當那時候,末底改坐在朝門,王的太監中有兩個守門的,辟探和提列,惱恨亞哈隨魯王,想要下手害他。
Tamin’ izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ ny tsindranolahin’ i ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an’ i Ahasoerosy mpanjaka izy.
22 末底改知道了,就告訴王后以斯帖。以斯帖奉末底改的名,報告於王;
Ary fantatr’ i Mordekay izany ka nambarany tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka; dia nambaran’ i Estera tamin’ ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain’ i Mordekay azy.
23 究察這事,果然是實,就把二人掛在木頭上,將這事在王面前寫於歷史上。
Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin’ ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin’ ny bokin’ ny tantara teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.

< 以斯帖記 2 >