< 傳道書 12 >

1 你趁着年幼、衰敗的日子尚未來到,就是你所說,我毫無喜樂的那些年日未曾臨近之先,當記念造你的主。
Ary tsarovy ny Mpanao anao amin’ ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe; Tsy sitrako izao;
2 不要等到日頭、光明、月亮、星宿變為黑暗,雨後雲彩反回,
dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana;
3 看守房屋的發顫,有力的屈身,推磨的稀少就止息,從窗戶往外看的都昏暗;
fa amin’ izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely,
4 街門關閉,推磨的響聲微小,雀鳥一叫,人就起來,唱歌的女子也都衰微。
ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe, rehefa malemy ny feon’ ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voronkely, ary halemy feo ny zazavavy mpihira rehetra;
5 人怕高處,路上有驚慌,杏樹開花,蚱蜢成為重擔,人所願的也都廢掉;因為人歸他永遠的家,弔喪的在街上往來。
ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin’ ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe
6 銀鍊折斷,金罐破裂,瓶子在泉旁損壞,水輪在井口破爛,
dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano,
7 塵土仍歸於地,靈仍歸於賜靈的上帝。
ka ny vovoka dia hiverina amin’ ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin’ Andriamanitra, Izay nanome iny.
8 傳道者說:「虛空的虛空,凡事都是虛空。」
Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
9 再者,傳道者因有智慧,仍將知識教訓眾人;又默想,又考查,又陳說許多箴言。
Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy.
10 傳道者專心尋求可喜悅的言語,是憑正直寫的誠實話。
Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin’ ny fahamarinana.
11 智慧人的言語好像刺棍;會中之師的言語又像釘穩的釘子,都是一個牧者所賜的。
Ny tenin’ ny hendry dia toy ny fanindronan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen’ ny mpiandry iray izy;
12 我兒,還有一層,你當受勸戒:著書多,沒有窮盡;讀書多,身體疲倦。
ary he koa, anaka! minoa anatra ianao; fa tsy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be.
13 這些事都已聽見了,總意就是:敬畏上帝,謹守他的誡命,這是人所當盡的本分。
Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran’ ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ ny olona rehetra.
14 因為人所做的事,連一切隱藏的事,無論是善是惡,上帝都必審問。
Fa ny atao rehetra dia ho entin’ Andriamanitra ho amin’ ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy.

< 傳道書 12 >