< 申命記 23 >

1 「凡外腎受傷的,或被閹割的,不可入耶和華的會。
Tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.
2 「私生子不可入耶和華的會;他的子孫,直到十代,也不可入耶和華的會。
Ny zazasary tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
3 「亞捫人或是摩押人不可入耶和華的會;他們的子孫,雖過十代,也永不可入耶和華的會。
Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah hatramin’ ny mandrakizay ireny,
4 因為你們出埃及的時候,他們沒有拿食物和水在路上迎接你們,又因他們雇了美索不達米亞的毗奪人比珥的兒子巴蘭來咒詛你們。
satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an’ i Balama, zanak’ i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.
5 然而耶和華-你的上帝不肯聽從巴蘭,卻使那咒詛的言語變為祝福的話,因為耶和華-你的上帝愛你。
Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an’ i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.
6 你一生一世永不可求他們的平安和他們的利益。
Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ ny andronao rehetra mandrakizay.
7 「不可憎惡以東人,因為他是你的弟兄。不可憎惡埃及人,因為你在他的地上作過寄居的。
Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ ny taniny ianao.
8 他們第三代子孫可以入耶和華的會。」
Ny zafiafin’ ireo dia hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.
9 「你出兵攻打仇敵,就要遠避諸惡。
Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.
10 「你們中間,若有人夜間偶然夢遺,不潔淨,就要出到營外,不可入營;
Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ ny alina, dia hivoaka eny ivelan’ ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.
11 到傍晚的時候,他要用水洗澡,及至日落了才可以入營。
Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin’ ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin’ ny toby indray izy.
12 「你在營外也該定出一個地方作為便所。
Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan’ ny toby ho fivoahanao;
13 在你器械之中當預備一把鍬,你出營外便溺以後,用以鏟土,轉身掩蓋。
ary mitondrà fantaka miaraka amin’ ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin’ ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.
14 因為耶和華-你的上帝常在你營中行走,要救護你,將仇敵交給你,所以你的營理當聖潔,免得他見你那裏有污穢,就離開你。」
Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masìna ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.
15 「若有奴僕脫了主人的手,逃到你那裏,你不可將他交付他的主人。
Aza atolotrao amin’ ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.
16 他必在你那裏與你同住,在你的城邑中,要由他選擇一個所喜悅的地方居住;你不可欺負他。
Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.
17 「以色列的女子中不可有妓女;以色列的男子中不可有孌童。
Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.
18 娼妓所得的錢,或孌童所得的價,你不可帶入耶和華-你上帝的殿還願,因為這兩樣都是耶和華-你上帝所憎惡的。
Aza mitondra ny tangin’ ny vehivavy janga, na ny karaman’ alika, ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
19 「你借給你弟兄的,或是錢財或是糧食,無論甚麼可生利的物,都不可取利。
Aza mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.
20 借給外邦人可以取利,只是借給你弟兄不可取利。這樣,耶和華-你上帝必在你所去得為業的地上和你手裏所辦的一切事上賜福與你。
Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.
21 「你向耶和華-你的上帝許願,償還不可遲延;因為耶和華-你的上帝必定向你追討,你不償還就有罪。
Raha mivoady amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.
22 你若不許願,倒無罪。
Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany.
23 你嘴裏所出的,就是你口中應許甘心所獻的,要照你向耶和華-你上帝所許的願謹守遵行。
Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin’ i Jehovah ihany, dia izay nolazain’ ny vavanao.
24 「你進了鄰舍的葡萄園,可以隨意吃飽了葡萄,只是不可裝在器皿中。
Raha mankany amin’ ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.
25 你進了鄰舍站着的禾稼,可以用手摘穗子,只是不可用鐮刀割取禾稼。」
Raha mankany amin’ ny tanimbarin’ ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin’ ny namanao.

< 申命記 23 >