< 申命記 17 >

1 「凡有殘疾,或有甚麼惡病的牛羊,你都不可獻給耶和華-你的上帝,因為這是耶和華-你上帝所憎惡的。
Aza vonoina hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao izay misy kilema maharatsy azy, na omby na ondry na, fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ny manao izany.
2 「在你們中間,在耶和華-你上帝所賜你的諸城中,無論哪座城裏,若有人,或男或女,行耶和華-你上帝眼中看為惡的事,違背了他的約,
Raha misy hita ao aminao ao an-tanànanao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, na lehilahy na vehivavy manao izay ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ka mivadika ny fanekeny
3 去事奉敬拜別神,或拜日頭,或拜月亮,或拜天象,是主不曾吩咐的;
ka lasa mandeha manompo andriamani-kafa ary mivavaka aminy na amin’ ny masoandro, na amin’ ny volana, na amin’ ny kintana, izay zavatra efa nandrarako azy,
4 有人告訴你,你也聽見了,就要細細地探聽,果然是真,準有這可憎惡的事行在以色列中,
ka voalaza aminao izany, ary efa renao, dia diniho tsara, ka indro, raha nisy marina tokoa izany zavatra izany, ka natao teo amin’ ny Isiraely izany fahavetavetana izany:
5 你就要將行這惡事的男人或女人拉到城門外,用石頭將他打死。
dia avoahy ho eo am-bavahadinao izay lehilahy na vehivavy efa nanao izany zava-dratsy izany, ka torahy vato ho faty.
6 要憑兩三個人的口作見證將那當死的人治死;不可憑一個人的口作見證將他治死。
Amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hamonoana izay tokony ho faty; fa ny tenin’ ny vavolombelona iray monja dia tsy hahafaty azy.
7 見證人要先下手,然後眾民也下手將他治死。這樣,就把那惡從你們中間除掉。
Ny tanan’ ny vavolombelona no ho voalohany hamono azy, dia vao ny tanan’ ny vahoaka rehetra; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
8 「你城中若起了爭訟的事,或因流血,或因爭競,或因毆打,是你難斷的案件,你就當起來,往耶和華-你上帝所選擇的地方
Raha misy teny sarotra loatra amin’ ny fitsarana ka tsy efanao, na ny amin’ ny mahafaty aina, na ny ady na ny vonoana, izay iadiana ao an-tanànanao, dia miaingà ianao, ka miakara any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao.
9 去見祭司利未人,並當時的審判官,求問他們,他們必將判語指示你。
ary mankanesa amin’ ireo Levita mpisorona sy amin’ ny anankiray izay mpitsara amin’ izany andro izany, ka manontania, dia hambarany aminao ny teny fitsarana.
10 他們在耶和華所選擇的地方指示你的判語,你必照着他們所指教你的一切話謹守遵行。
Ary araho ny teny izay hambarany aminao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, ka mitandrema hanao araka izay rehetra hatorony anao.
11 要按他們所指教你的律法,照他們所斷定的去行;他們所指示你的判語,你不可偏離左右。
Araka ny lalàna izay hatorony anao sy araka ny fitsarana izay holazainy aminao no hataonao; aza mivily miala amin’ ny teny izay hambarany aminao, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
12 若有人擅敢不聽從那侍立在耶和華-你上帝面前的祭司,或不聽從審判官,那人就必治死;這樣,便將那惡從以色列中除掉。
Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy.
13 眾百姓都要聽見害怕,不再擅敢行事。」
Ary ny vahoaka rehetra handre, dia hatahotra ka tsy hiavonavona intsony.
14 「到了耶和華-你上帝所賜你的地,得了那地居住的時候,若說:『我要立王治理我,像四圍的國一樣。』
Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao ka mandova azy sy monina eo ary manao hoe: Hanangana mpanjaka ho ahy aho, mba ho tahaka ny firenena rehetra izay manodidina ahy,
15 你總要立耶和華-你上帝所揀選的人為王。必從你弟兄中立一人;不可立你弟兄以外的人為王。
dia izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao ihany no hatsanganao ho mpanjakanao: anankiray amin’ ny rahalahinao no hatsanganao ho mpanjakanao, fa tsy mahazo mifidy olona hafa firenena izay tsy avy amin’ ny rahalahinao ianao.
16 只是王不可為自己加添馬匹,也不可使百姓回埃及去,為要加添他的馬匹,因耶和華曾吩咐你們說:『不可再回那條路去。』
Kanefa aoka tsy hanana soavaly maro izy, na hampiverina ny olona ho any Egypta mba hahazoany soavaly maro, satria hoy Jehovah taminareo: Aza miverina amin’ izany lalana izany intsony.
17 他也不可為自己多立妃嬪,恐怕他的心偏邪;也不可為自己多積金銀。
Ary aoka tsy hamporafy maro izy, fandrao hivily ny fony; ary aoka tsy hamory volafotsy na volamena be ho azy izy.
18 他登了國位,就要將祭司利未人面前的這律法書,為自己抄錄一本,
Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ ireo Levita mpisorona.
19 存在他那裏,要平生誦讀,好學習敬畏耶和華-他的上帝,謹守遵行這律法書上的一切言語和這些律例,
Ary ho ao aminy izany ka hovakiny amin’ ny andro rehetra hiainany, mba hianarany hatahotra an’ i Jehovah Andriamaniny ka hitandrina ny teny rehetra amin’ izao lalàna izao sy ireto didy ireto hankatoavany azy,
20 免得他向弟兄心高氣傲,偏左偏右,離了這誡命。這樣,他和他的子孫便可在以色列中,在國位上年長日久。」
mba tsy hiavonavonan’ ny fony amin’ ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ ny lalàna, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba ho maro andro amin’ ny fanjakany eo amin’ ny Isiraely; izy sy ny taranany.

< 申命記 17 >