< 撒母耳記下 7 >

1 王住在自己宮中,耶和華使他安靖,不被四圍的仇敵擾亂。
Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin’ i Jehovah tamin’ ny fahavalony rehetra manodidina azy izy,
2 那時,王對先知拿單說:「看哪,我住在香柏木的宮中,上帝的約櫃反在幔子裏。」
dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
3 拿單對王說:「你可以照你的心意而行,因為耶和華與你同在。」
Dia hoy Natana tamin’ ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao.
4 當夜,耶和華的話臨到拿單說:
Ary tamin’ ny alin’ iny ihany dia tonga tamin’ i Natana ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
5 「你去告訴我僕人大衛,說耶和華如此說:『你豈可建造殿宇給我居住呢?
Andeha, lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianao va no hanao trano hitoerako?
6 自從我領以色列人出埃及直到今日,我未曾住過殿宇,常在會幕和帳幕中行走。
Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ ny nitondrako ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.
7 凡我同以色列人所走的地方,我何曾向以色列一支派的士師,就是我吩咐牧養我民以色列的說:你們為何不給我建造香柏木的殿宇呢?』
Ary tamin’ izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ ny Zanak’ Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen’ Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo?
8 「現在,你要告訴我僕人大衛,說萬軍之耶和華如此說:『我從羊圈中將你召來,叫你不再跟從羊群,立你作我民以色列的君。
Koa lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin’ ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
9 你無論往哪裏去,我常與你同在,剪除你的一切仇敵。我必使你得大名,好像世上大大有名的人一樣。
Ary nomba anao tamin’ izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
10 我必為我民以色列選定一個地方,栽培他們,使他們住自己的地方,不再遷移;凶惡之子也不像從前擾害他們,
Ary hifidy tany ho an’ ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin’ ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha
11 並不像我命士師治理我民以色列的時候一樣。我必使你安靖,不被一切仇敵擾亂,並且我-耶和華應許你,必為你建立家室。
sy tahaka ny hatramin’ ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin’ ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain’ i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.
12 你壽數滿足、與你列祖同睡的時候,我必使你的後裔接續你的位;我也必堅定他的國。
Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
13 他必為我的名建造殿宇;我必堅定他的國位,直到永遠。
dia io no hanao trano ho an’ ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan’ ny fanjakany ho mandrakizay.
14 我要作他的父,他要作我的子;他若犯了罪,我必用人的杖責打他,用人的鞭責罰他。
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin’ ny tsorakazon’ ny olona sy ny kapoky ny zanak’ olombelona;
15 但我的慈愛仍不離開他,像離開在你面前所廢棄的掃羅一樣。
nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin’ i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.
16 你的家和你的國必在我面前永遠堅立。你的國位也必堅定,直到永遠。』」
Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.
17 拿單就按這一切話,照這默示,告訴大衛。
Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain’ i Natana tamin’ i Davida.
18 於是大衛王進去,坐在耶和華面前,說:「主耶和華啊,我是誰?我的家算甚麼?你竟使我到這地步呢?
Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?
19 主耶和華啊,這在你眼中還看為小,又應許你僕人的家至於久遠。主耶和華啊,這豈是人所常遇的事嗎?
Ary mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany dia fanaon’ ny olona, Jehovah Tompo ô.
20 主耶和華啊,我還有何言可以對你說呢?因為你知道你的僕人。
Ka inona intsony no holazain’ i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, no mahalala ny mpanomponao.
21 你行這大事使僕人知道,是因你所應許的話,也是照你的心意。
Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, hampahalalanao ny mpanomponao.
22 主耶和華啊,你本為大,照我們耳中聽見,沒有可比你的;除你以外再無上帝。
Koa amin’ izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren’ ny sofinay.
23 世上有何民能比你的民以色列呢?你從埃及救贖他們作自己的子民,又在你贖出來的民面前行大而可畏的事,驅逐列邦人和他們的神,顯出你的大名。
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an’ ny taninao teo anatrehan’ ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin’ ny firenen’ i Egypta sy ny andriamaniny?
24 你曾堅立你的民以色列作你的子民,直到永遠;你-耶和華也作了他們的上帝。
Dia nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
25 「耶和華上帝啊,你所應許僕人和僕人家的話,求你堅定,直到永遠;照你所說的而行。
Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin’ ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
26 願人永遠尊你的名為大,說:『萬軍之耶和華是治理以色列的上帝。』這樣,你僕人大衛的家必在你面前堅立。
Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon’ ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’ i Davida mpanomponao.
27 萬軍之耶和華-以色列的上帝啊,因你啟示你的僕人說:『我必為你建立家室』,所以僕人大膽向你如此祈禱。
Fa Hianao, Jehovah Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin’ ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.
28 「主耶和華啊,惟有你是上帝。你的話是真實的;你也應許將這福氣賜給僕人。
Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ ny mpanomponao,
29 現在求你賜福與僕人的家,可以永存在你面前。主耶和華啊,這是你所應許的。願你永遠賜福與僕人的家!」
dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.

< 撒母耳記下 7 >