< 撒母耳記下 19 >

1 有人告訴約押說:「王為押沙龍哭泣悲哀。」
Ary nambara tamin’ i Joaba hoe: Indro, mitomany sy misaona an’ i Absaloma ny mpanjaka.
2 眾民聽說王為他兒子憂愁,他們得勝的歡樂卻變成悲哀。
Ary ny famonjena dia tonga fisaonana tamin’ ny vahoaka rehetra androtrizay, satria ren’ ny vahoaka tamin’ izany andro izany hoe: Malahelo ny zanany ny mpanjaka.
3 那日眾民暗暗地進城,就如敗陣逃跑、慚愧的民一般。
Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin’ izany andro izany, toy ny fisokosokon’ ny olona menatra raha mandositra amin’ ny ady.
4 王蒙着臉,大聲哭號說:「我兒押沙龍啊!押沙龍,我兒,我兒啊!」
Fa ny mpanjaka nanarona ny tavany sady nidradradradra tamin’ ny feo mafy hoe: Ry Absaloma, zanako, ry Absaloma, zanako, zanako ô!
5 約押進去見王,說:「你今日使你一切僕人臉面慚愧了!他們今日救了你的性命和你兒女妻妾的性命,
Ary niditra tao amin’ ny mpanjaka tao an-trano Joaba ka nanao hoe: Efa nomenarinao androany ny mpanomponao rehetra izay namonjy ny ainao androany sy ny ain’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ain’ ny vadinao sy ny vaditsindranonao;
6 你卻愛那恨你的人,恨那愛你的人。你今日明明地不以將帥、僕人為念。我今日看明,若押沙龍活着,我們都死亡,你就喜悅了。
fa ny mankahala anao no tianao, ary ny tia anao kosa no halanao, ka nasehonao androany fa tsinontsinona aminao ny manamboninahitra sy ny miaramila; ary hitako izao fa raha velona Absaloma, ka izahay rehetra no maty androany, dia izany no sitrakao.
7 現在你當出去,安慰你僕人的心。我指着耶和華起誓:你若不出去,今夜必無一人與你同在一處;這禍患就比你從幼年到如今所遭的更甚!」
Koa mitsangàna ankehitriny, ka mivoaha, ary manaova teny soa amin’ ny mpanomponao; fa mianiana amin’ i Jehovah aho fa raha tsy mivoaka ianao, dia tsy hisy na dia iray akory aza hitoetra eto aminao anio alina; ka dia izany no ho mafy lavitra aminao noho ny fahoriana rehetra izay nanjo anao hatry ny fony ianao vao zaza ka ambaraka ankehitriny.
8 於是王起來,坐在城門口。眾民聽說王坐在城門口,就都到王面前。 以色列人已經逃跑,各回各家去了。
Dia nivoaka ny mpanjaka ka nijanona teo am-bavahady; ary nolazaina tamin’ ny vahoaka rehetra hoe: Indro, ny mpanjaka mijanona eo am-bavahady. Ary ny vahoaka rehetra dia nankeo anatrehan’ ny mpanjaka. Ary ny Isiraely dia samy efa lasa nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
9 以色列眾支派的人紛紛議論說:「王曾救我們脫離仇敵的手,又救我們脫離非利士人的手,現在他躲避押沙龍逃走了。
Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny firenen’ Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin’ ny tanan’ ny fahavalontsika, indrindra fa tamin’ ny tanan’ ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin’ ny tany izy noho ny amin’ i Absaloma.
10 我們膏押沙龍治理我們,他已經陣亡。現在為甚麼不出一言請王回來呢?」
Ary Absaloma, izay nohosorantsika hanjaka amintsika, dia efa maty tamin’ ny ady. Koa nahoana ianareo no tsy miteny akory ny amin’ ny hampodiana ny mpanjaka?
11 大衛王差人去見祭司撒督和亞比亞他,說:「你們當向猶大長老說:『以色列眾人已經有話請王回宮,你們為甚麼落在他們後頭呢?
Ary Davida mpanjaka naniraka tany amin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona ka nanao hoe: Ataovy amin’ ny loholon’ ny Joda hoe: Nahoana no dia ianareo indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka ho any an-tranony? fa ny tenin’ ny Isiraely rehetra efa tonga tao amin’ ny mpanjaka tao an-tranony
12 你們是我的弟兄,是我的骨肉,為甚麼在人後頭請王回來呢?』
rahalahiko ianareo, ary taolako sy nofoko ianareo; koa nahoana no dia ianareo Indray no ho farany amin’ ny fampodiana ny mpanjaka?
13 也要對亞瑪撒說:『你不是我的骨肉嗎?我若不立你替約押常作元帥,願上帝重重地降罰與我!』」
Ary ataovy amin’ i Amasa koa hoe: Tsy taolako sy nofoko va ianao? Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy komandin’ ny miaramila eo anatrehako mandrakariva ho solon’ i Joaba ianao.
14 如此就挽回猶大眾人的心,如同一人的心。他們便打發人去見王,說:「請王和王的一切臣僕回來。」
Ary dia nampitodika ny fon’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda ho toy ny olona iray izy; ka dia naniraka tany amin’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Modia ianao sy ny mpanomponao rehetra.
15 王就回來,到了約旦河。猶大人來到吉甲,要去迎接王,請他過約旦河。
Ary dia nody ny mpanjaka ka tonga tao Jordana; ary ny Joda tonga tao Gilgala hitsena ny mpanjaka hitondra azy hita an’ i Jordana.
16 巴戶琳的便雅憫人、基拉的兒子示每急忙與猶大人一同下去迎接大衛王。
Ary Simey, zanak’ i Gera, Benjamita avy any Bahorina, dia nidodododo nidina araka tamin’ ny lehilahy amin’ ny Joda tsena an’ i Davida mpanjaka.
17 跟從示每的有一千便雅憫人,還有掃羅家的僕人洗巴和他十五個兒子,二十個僕人;他們都詵過約旦河迎接王。
Ary nisy benjamita arivo lahy koa nanaraka azy, ary Ziba, mpanompon’ ny taranak’ i Saoly, mbamin’ ny zananilahy dimy ambin’ ny folo sy mpanompony roa-polo lahy izay nanaraka azy; ary dia nita an’ i Jordana teo alohan’ ny mpanjaka izy ireo.
18 有擺渡船過去,渡王的家眷,任王使用。 王要過約旦河的時候,基拉的兒子示每就俯伏在王面前,
Ary navoivoy teo ny lakana hampitana ny ankohonan’ ny mpanjaka sy hanaovany izay sitrany. Ary nony efa hita an’ i Jordana ny mpanjaka, dia indro Simey, zanak’ i Gera, niankohoka teo anatrehany.
19 對王說:「我主我王出耶路撒冷的時候,僕人行悖逆的事,現在求我主不要因此加罪與僕人,不要記念,也不要放在心上。
Ary hoy izy tamin’ ny mpanjaka: Aoka tsy hisain’ ny tompoko heloka aho, ary aoka tsy hotsarovanao ny ratsy nataon’ ny mpanomponao tamin’ ny andro nivoahan’ ny mpanjaka tompoko niala tany Jerosalema, ary aoka tsy ho eritreretin’ ny mpanjaka izany;
20 僕人明知自己有罪,所以約瑟全家之中,今日我首先下來迎接我主我王。」
fa fantatro, izaho mpanomponao, fa nanota aho; ka he! izaho no avy voalohany androany amin’ ny taranak’ i Josefa rehetra ka nidina hitsena ny mpanjaka tompoko.
21 洗魯雅的兒子亞比篩說:「示每既咒罵耶和華的受膏者,不應當治死他嗎?」
Fa namaly Abisay, zanak’ i Zeroia, ka nanao hoe: Tsy hovonoina va Simey noho izany, satria efa nanozona ny voahosotr’ i Jehovah izy?
22 大衛說:「洗魯雅的兒子,我與你們有何關涉,使你們今日與我反對呢?今日在以色列中豈可治死人呢?我豈不知今日我作以色列的王嗎?」
Dia hoy Davida: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak’ i Zeroia, no tonga mpanohitra ahy ianareo anio? Tokony hisy olona hatao maty va eto amin’ ny Isiraely izao? Fa moa tsy fantatra va fa izaho no mpanjakan’ ny Isiraely anio?
23 於是王對示每說:「你必不死。」王就向他起誓。
Ary dia hoy ny mpanjaka tamin’ i simey: Tsy ho faty ianao. Ary ny mpanjaka dia nianiana taminy.
24 掃羅的孫子米非波設也下去迎接王。他自從王去的日子,直到王平平安安地回來,沒有修腳,沒有剃鬍鬚,也沒有洗衣服。
Ary Mefiboseta, zanakalahin’ i Saoly, nidina hitsena ny mpanjaka, ary tsy nanasa tongotra na namboatra volom-bava na nanasa lamba izy hatramin’ ny andro nialan’ ny mpanjaka ka hatramin’ ny andro nahatongavany soa aman-tsara.
25 他來到耶路撒冷迎接王的時候,王問他說:「米非波設,你為甚麼沒有與我同去呢?」
Ary nony efa tonga hitsena ny mpanjaka ny avy any Jerosalema, dia hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no tsy mba nandeha niaraka tamiko ianao, ry Mefiboseta?
26 他回答說:「我主我王,僕人是瘸腿的。那日我想要備驢騎上,與王同去,無奈我的僕人欺哄了我,
Fa hoy izy: Ry mpanjaka tompoko, nofitahin’ ny mpanompoko aho: Hanisy lasely ny boriky aho hitaingenako ka hankany amin’ ny mpanjaka; fa malemy tongotra ny mpanomponao.
27 又在我主我王面前讒毀我。然而我主我王如同上帝的使者一般,你看怎樣好,就怎樣行吧!
Nefa nendrikendrehiny tamin’ ny mpanjaka tompoko izaho mpanomponao; fa ny mpanjaka tompoko dia hoy Ilay Anjelin’ Andriamanitra; koa ataovy izay sitrakao.
28 因為我祖全家的人,在我主我王面前都算為死人,王卻使僕人在王的席上同人吃飯,我現在向王還能辨理訴冤嗎?」
Fa ny taranaky ny raiko rehetra dia samy olona tokony ho faty teo anatrehan’ ny mpanjaka tompoko; nefa ianao nampitoetra ahy mpanomponao ho isan’ izay mihinana amin’ ny latabatrao. Koa inona intsony no rariny ho ahy, ary inona no mbola hitarainako amin’ ny mpanjaka?
29 王對他說:「你何必再提你的事呢?我說,你與洗巴均分地土。」
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Nahoana no lazainao indray ny raharahanao? Nefa izaho efa nilaza hoe: Hianao sy Ziba no hizara ny tany.
30 米非波設對王說:「我主我王既平平安安地回宮,就任憑洗巴都取了也可以。」
Ary hoy Mefiboseta tamin’ ny mpanjaka: Aoka dia ho azy avokoa izy rehetra, fa ianao mpanjaka tompoko efa tonga soa aman-tsara ao amin’ ny tranonao indray.
31 基列人巴西萊從羅基琳下來,要送王過約旦河,就與王一同過了約旦河。
Ary Barzilay Gileadita nidina avy tany Rogelima, dia niara-nita an’ i Jordana tamin’ ny mpanjaka izy mba hanatitra azy hita an’ i Jordana.
32 巴西萊年紀老邁,已經八十歲了。王住在瑪哈念的時候,他就拿食物來供給王;他原是大富戶。
Ary Barzilay dia lehilahy antitra, efa valo-polo taona; ary izy efa nanome hanina ny mpanjaka, raha nitoetra tany Mahanaima izy; fa mpanjatobe indrindra izy.
33 王對巴西萊說:「你與我同去,我要在耶路撒冷那裏養你的老。」
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Barzilay: Andeha hiara-mita amiko ianao hovelomiko any amiko any Jerosalema.
34 巴西萊對王說:「我在世的年日還能有多少,使我與王同上耶路撒冷呢?
Fa hoy Barzilay tamin’ ny mpanjaka: Hoatrinona intsony moa no andro hahavelomako, no hiara-miakatra amin’ ny mpanjaka hankany Jerosalema aho?
35 僕人現在八十歲了,還能嘗出飲食的滋味、辨別美惡嗎?還能聽男女歌唱的聲音嗎?僕人何必累贅我主我王呢?
Valo-polo taona izay ny andro nahavelomako, ka mahalala izay soa sy ratsy intsony va aho? Mahatsiaro ny tsiron-javatra haniko sy sotroiko intsony va aho mpanomponao? Mahare izay feon’ ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy intsony va aho? Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho enta-mavesatra amin’ ny mpanjaka tompoko?
36 僕人只要送王過約旦河,王何必賜我這樣的恩典呢?
Kely foana no handehanan’ ny mpanomponao eo an-dafin’ i Jordana hiaraka amin’ ny mpanjaka; koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy loatra toy izany?
37 求你准我回去,好死在我本城,葬在我父母的墓旁。這裏有王的僕人金罕,讓他同我主我王過去,可以隨意待他。」
Trarantitra ianao, aoka aho mpanomponao hody ihany ka ho fety any amin’ ny vohitro ao akaikin’ ny fasan’ ikaky sy ineny. Fa indro Kimama mpanomponao; aoka izy no hiaraka amin’ ny mpanjaka tompoko, ary ataovy aminy izay sitrakao.
38 王說:「金罕可以與我同去,我必照你的心願待他。你向我求甚麼,我都必為你成就。」
Dia hoy ny mpanjaka: Handeha hiaraka amiko tokoa Kimama, ka hataoko aminy izay sitrakao, ary izay angatahinao dia hataoko ho anao.
39 於是眾民過約旦河,王也過去。王與巴西萊親嘴,為他祝福,巴西萊就回本地去了。
Ary ny vahoaka rehetra nita an’ i Jordana. Ary nony tafita ny mpanjaka, dia norohan’ ny mpanjaka Barzilay sady notsofiny rano, ary dia lasa nody ho any amin’ ny fonenany izy.
40 王過去,到了吉甲,金罕也跟他過去。猶大眾民和以色列民的一半也都送王過去。
Dia nandroso nankany Gilgala mpanjaka, ary Kimama niaraka taminy; ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny antsasaky ny lehilahy amin’ ny Isiraely koa nanatitra ny mpanjaka.
41 以色列眾人來見王,對他說:「我們弟兄猶大人為甚麼暗暗送王和王的家眷,並跟隨王的人過約旦河?」
Ary, indreo, ny lehilahy rehetra amin’ Isiraely nankao amin’ ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Nahoana ny lehilahy amin’ ny Joda, rahalahinay, no nangalatra anao ka nitondra ny mpanjaka sy ny ankohonany ary ny olon’ i Davida rehetra teny aminy hita an’ i Jordana?
42 猶大眾人回答以色列人說:「因為王與我們是親屬,你們為何因這事發怒呢?我們吃了王的甚麼呢?王賞賜了我們甚麼呢?」
Ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda dia namaly ny lehilahy amin’ ny Isiraely hoe: Satria havanay akaiky ny mpanjaka; ka ahoana no mahatezitra anareo amin’ izany? Nadany ny mpanjaka va izahay? Na nanome zavatra anay akory va izy?
43 以色列人回答猶大人說:「按支派,我們與王有十分的情分;在大衛身上,我們也比你們更有情分。你們為何藐視我們,請王回來不先與我們商量呢?」 但猶大人的話比以色列人的話更硬。
Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely kosa namaly ny lehilahy amin’ ny Joda hoe: Izahay manana anjaram-polo amin’ ny mpanjaka; eny, izahay manana an’ i Davida mihoatra noho ianareo; koa ahoana ianareo no nanao tsinontsinona anay? Tsy izahay va no niteny talohanareo nampody ny mpanjakanay? Ary ny tenin’ ny lehilahy amin’ ny Joda dia lozaloza kokoa noho ny tenin’ ny lehilahy amin’ ny Isiraely.

< 撒母耳記下 19 >