< 撒母耳記下 11 >

1 過了一年,到列王出戰的時候,大衛又差派約押,率領臣僕和以色列眾人出戰。他們就打敗亞捫人,圍攻拉巴。大衛仍住在耶路撒冷。
Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia naniraka an’ i Joaba sy ny mpanompony ary ny Isiraely rehetra Davida, ka nandringana ny taranak’ i Amona ireo sady nanao fahirano an’ i Raha; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany.
2 一日,太陽平西,大衛從床上起來,在王宮的平頂上遊行,看見一個婦人沐浴,容貌甚美,
Ary nony harivariva, dia niala tao am-pandriany Davida ka nitsangantsangana teo an-tampon’ ny lapa; ary raha teo izy dia nahatazana vehivavy mandro; ary ravehivavy dia tsara tarehy maha-te-hijery.
3 大衛就差人打聽那婦人是誰。有人說:「她是以連的女兒,赫人烏利亞的妻拔示巴。」
Ary Davida dia naniraka hanontany ny amin-dravehivavy. Ary nisy nanao hoe: Tsy iny va no Batseba, zanakavavin’ i Eliama, sady vadin’ i Oria Hetita?
4 大衛差人去,將婦人接來;那時她的月經才得潔淨。她來了,大衛與她同房,她就回家去了。
Ary Davida naniraka olona ka nampaka azy; dia tonga tao aminy izy ka nandriany. Ary ravehivavy nanamasina ny tenany ho afaka tamin’ ny halotoany, dia nody tany an-tranony.
5 於是她懷了孕,打發人去告訴大衛說:「我懷了孕。」
Ary nanan’ anaka ravehivavy ka naniraka hilaza tamin’ i Davida hoe: Manan’ anaka aho.
6 大衛差人到約押那裏,說:「你打發赫人烏利亞到我這裏來。」約押就打發烏利亞去見大衛。
Ary Davida naniraka tany amin’ i Joaba hanao hoe: Asaovy mankaty amiko kely Oria Hetita. Dia nasain’ i Joaba nankany amin’ i Davida Oria.
7 烏利亞來了,大衛問約押好,也問兵好,又問爭戰的事怎樣。
Ary nony tonga teo amin’ i Davida izy, dia nanontaniany ny toetr’ i Joaba sy ny olona ary ny toetry ny ady.
8 大衛對烏利亞說:「你回家去,洗洗腳吧!」烏利亞出了王宮,隨後王送他一分食物。
Ary hoy Davida tamin’ i Oria: Andeha ary mody, ka sasao ny tongotrao. Ary Oria niala tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary dia nampanarahina nahandro avy tao amin’ ny mpanjaka izy.
9 烏利亞卻和他主人的僕人一同睡在宮門外,沒有回家去。
Nefa Oria nandry teo am-baravarana ny tranon’ ny mpanjaka, teo amin’ ny mpanompon’ ny tompony rehetra, fa tsy nidina nody tany an-tranony izy tsy akory.
10 有人告訴大衛說:「烏利亞沒有回家去。」大衛就問烏利亞說:「你從遠路上來,為甚麼不回家去呢?」
Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Tsy nidina nody tany an-tranony Oria. Dia hoy Davida tamin’ i Oria: Tsy avy lavitra va ianao? koa nahoana ianao no tsy midìna mody any an-tranonao?
11 烏利亞對大衛說:「約櫃和以色列與猶大兵都住在棚裏,我主約押和我主的僕人都在田野安營,我豈可回家吃喝、與妻子同寢呢?我敢在王面前起誓:我決不行這事!」
Fa hoy Oria tamin’ i Davida: Ny fiara sy ny Isiraely ary ny Joda mitoetra amin’ ny trano rantsan-kazo; ary Joaba tompoko sy ny mpanompon’ ny tompoko mitoby any an-tsaha, ka izaho kosa va hody any an-tranoko hihinana sy hisotro ary handry amin’ ny vadiko? Raha velona koa ianao, ary raha velona koa ny ainao, tsy hanao izany aho.
12 大衛吩咐烏利亞說:「你今日仍住在這裏,明日我打發你去。」於是烏利亞那日和次日住在耶路撒冷。
Ary hoy Davida tamin’ i Oria: Mitoera ihany ary atỳ anio, fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nitoetra tany Jerosalema androtrizay sy ny ampitson’ iny Oria.
13 大衛召了烏利亞來,叫他在自己面前吃喝,使他喝醉。到了晚上,烏利亞出去與他主的僕人一同住宿,還沒有回到家裏去。
Ary nasain’ i Davida izy, dia nihinana sy nisotro teo anatrehany, ka nomamoiny, ary nony hariva dia nivoaka izy ka nandry teo amin’ ilay nandriany teo amin’ ny mpanompon’ ny tompony ihany, fa tsy nidina nody tany an-tranony.
14 次日早晨,大衛寫信與約押,交烏利亞隨手帶去。
Ary nony maraina, Davida dia nanoratra taratasy ho any amin’ i Joaba, ka nampitondrainy an’ i Oria izany.
15 信內寫着說:「要派烏利亞前進,到陣勢極險之處,你們便退後,使他被殺。」
Ary izao no soratra nataony tao amin’ ny taratasy: Arosoinareo amin’ ny ady mafy Oria; dia ilaozy izy mba hasiany ho faty.
16 約押圍城的時候,知道敵人那裏有勇士,便將烏利亞派在那裏。
Ary raha mbola nanao fahirano ny tanàna Joaba, dia nanendry an’ i Oria ho eo amin’ izay hitany misy lehilahy mahery.
17 城裏的人出來和約押打仗;大衛的僕人中有幾個被殺的,赫人烏利亞也死了。
Ary ny mponina tao an-tanàna nivoaka hiady amin’ i Joaba, ka nahafatesana ny mpanompon’ i Davida, ary maty koa Oria Hetita.
18 於是,約押差人去將爭戰的一切事告訴大衛,
Ary Joaba naniraka hilaza tsara any amin’ i Davida ny toetry ny ady;
19 又囑咐使者說:「你把爭戰的一切事對王說完了,
ary nandidy ilay iraka izy hoe: Rehefa voalazanao tsara amin’ ny mpanjaka ny toetry ny ady,
20 王若發怒,問你說:『你們打仗為甚麼挨近城牆呢?豈不知敵人必從城上射箭嗎?
ka tezitra ny mpanjaka ary manao aminao hoe: Nahoana no nanakaiky ny tanàna toy izany ianareo raha niady? Tsy fantatrareo va fa hitifitra eo amin’ ny manda izy?
21 從前打死耶路‧比設兒子亞比米勒的是誰呢?豈不是一個婦人從城上拋下一塊上磨石來,打在他身上,他就死在提備斯嗎?你們為甚麼挨近城牆呢?』你就說:『王的僕人-赫人烏利亞也死了。』」
Fa iza no namely an’ i Abimeleka, zanak’ i Jerobeseta? Moa tsy vehivavy va no nanjera vato fikosoham-bary taminy avy teo amin’ ny manda, ka dia maty tao Tebeza izy? Koa nahoana no nanakaiky ny manda ianareo? dia ataovy hoe: Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
22 使者起身,來見大衛,照着約押所吩咐他的話奏告大衛。
Ary nandeha ilay iraka, dia tonga tamin’ i Davida ka nanambara taminy izay rehetra nanirahan’ i Joaba azy.
23 使者對大衛說:「敵人強過我們,出到郊野與我們打仗,我們追殺他們,直到城門口。
Ary hoy ny iraka tamin’ i Davida: Nahery noho izahay ireny, ary nivoahany tany an-tsaha izahay, ka dia nenjehinay hatreo anoloan’ ny vavahady kosa izy.
24 射箭的從城上射王的僕人,射死幾個,赫人烏利亞也死了。」
Ary ny mpitifitra teo amin’ ny manda nitifitra ny mpanomponao; ary nahafatesana ny mpanompon’ ny mpanjaka, ary Oria Hetita mpanomponao mba maty koa.
25 王向使者說:「你告訴約押說:『不要因這事愁悶,刀劍或吞滅這人或吞滅那人,沒有一定的;你只管竭力攻城,將城傾覆。』可以用這話勉勵約押。」
Dia hoy Davida tamin’ ny iraka: Izao no holazainao amin’ i Joaba: Aza malahelo amin’ izany ianao, fa ny sabatra tsy mifidy hasiana; herezo ihany ny adinao amin’ ny tanàna, ka ravao izy. Ary omeo toky Joaba.
26 烏利亞的妻聽見丈夫烏利亞死了,就為他哀哭。
Ary nony ren’ ny vadin’ i Oria fa maty ny lahy, dia nisaona azy izy.
27 哀哭的日子過了,大衛差人將她接到宮裏,她就作了大衛的妻,給大衛生了一個兒子。但大衛所行的這事,耶和華甚不喜悅。
Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain’ i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany nataon’ i Davida izany.

< 撒母耳記下 11 >