< 列王紀下 4 >

1 有一個先知門徒的妻哀求以利沙說:「你僕人-我丈夫死了,他敬畏耶和華是你所知道的。現在有債主來,要取我兩個兒子作奴僕。」
Ary nisy vehivavy anankiray, vadin’ ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’ i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an’ i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony
2 以利沙問她說:「我可以為你做甚麼呢?你告訴我,你家裏有甚麼?」她說:「婢女家中除了一瓶油之外,沒有甚麼。」
Dia hoy Elisa taminy: Inona ary no hataoko ho anao? Lazao amiko: inona avy no anananao ao an-trano? Fa hoy ravehivavy: Ny ankizivavinao tsy manana na inona na inona ao an-trano afa-tsy diloilo iray tavoara monja.
3 以利沙說:「你去,向你眾鄰舍借空器皿,不要少借;
Ary hoy izy: Andeha mindram-bilany amin’ ny namanao rehetra manodidina, dia vilany tsy misy zavatra, nefa aza atao vitsy.
4 回到家裏,關上門,你和你兒子在裏面將油倒在所有的器皿裏,倒滿了的放在一邊。」
Ary rehefa tafiditra ianao, dia aoka hirindrim-baravarana ianao sy izy mirahalahy zanakao, ary manidina amin’ izany vilany rehetra izany, dia atokàny izay feno.
5 於是,婦人離開以利沙去了,關上門,自己和兒子在裏面;兒子把器皿拿來,她就倒油。
Dia niala teo aminy ravehivavy ka nirindrim-baravarana mbamin’ izy mirahalahy zanany, ary izy mirahalahy nitondra ny vilany ho any aminy, fa reniny kosa nanidina ny diloilo.
6 器皿都滿了,她對兒子說:「再給我拿器皿來。」兒子說:「再沒有器皿了。」油就止住了。
Ary nony feno ny vilany, dia hoy izy tamin’ ny zanany: Itondray vilany iray koa aho. Fa hoy kosa ireo taminy: Tsy misy vilany intsony. Ary dia nitsahatra ny diloilo.
7 婦人去告訴神人,神人說:「你去賣油還債,所剩的你和你兒子可以靠着度日。」
Dia avy ravehivavy ka nilaza tamin’ ny lehilahin’ Andriamanitra. Ary hoy kosa izy: Mandehana, amidio ny diloilo, ka anefao izay trosan’ olona aminao, ary izay sisa dia hivelomanao sy ny zanakao.
8 一日,以利沙走到書念,在那裏有一個大戶的婦人強留他吃飯。此後,以利沙每從那裏經過就進去吃飯。
Ary tamin’ ny indray andro Elisa dia nankany Sonema, ary nisy vehivavy mpanankarena teo izay nanery azy hihinan-kanina. Ary isaky ny mandalo izy, dia nivily nankao aminy hihinan-kanina.
9 婦人對丈夫說:「我看出那常從我們這裏經過的是聖潔的神人。
Ary hoy ravehivavy tamin’ ny lahy; Indro, fantatro fa masìna sady lehilahin’ Andriamanitra ilay mpandalo eto amintsika mandrakariva.
10 我們可以為他在牆上蓋一間小樓,在其中安放床榻、桌子、椅子、燈臺,他來到我們這裏,就可以住在其間。」
Masìna ianao, andeha isika hanao efi-trano kely ambony rihana; ary hasiantsika fandriana sy latabatra sy seza ary fanaovan-jiro ho azy ao; ary raha tonga eto amintsika izy, dia ao no hipetraka.
11 一日,以利沙來到那裏,就進了那樓躺臥。
Ary tamin’ ny indray andro dia tonga tao Elisa ka nipetraka tao amin’ ilay efi-trano ambony ary nandry tao.
12 以利沙吩咐僕人基哈西說:「你叫這書念婦人來。」他就把婦人叫了來,婦人站在以利沙面前。
Ary hoy izy tamin’ i Gehazy zatovony: Antsoy ilay Sonemita. Ary rehefa nantsoiny ravehivavy, dia nitsangana teo anatrehany izy.
13 以利沙吩咐僕人說:「你對她說:你既為我們費了許多心思,可以為你做甚麼呢?你向王或元帥有所求的沒有?」她回答說:「我在我本鄉安居無事。」
Ary hoy Elisa tamin’ i Gehazy: Mba lazao amin-dravehivavy hoe: Indro, efa niahy anay tamin’ izao fiahiana rehetra izao ianao, koa inona kosa no mba hatao ho anao? Tianao holazaina amin’ ny mpanjaka va ianao, na amin’ ny komandin’ ny miaramila? Dia namaly ravehivavy hoe: Mitoetra atỳ amin’ ny fireneko aho.
14 以利沙對僕人說:「究竟當為她做甚麼呢?」基哈西說:「她沒有兒子,她丈夫也老了。」
Ary hoy Elisa: Fa inona ary no hatao ho anao? Dia namaly Gehazy hoe: Tsy hitanao va fa tsy manan-janaka izy, sady efa antitra ny lahy?
15 以利沙說:「再叫她來。」於是叫了她來,她就站在門口。
Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
16 以利沙說:「明年到這時候,你必抱一個兒子。」她說:「神人,我主啊,不要那樣欺哄婢女。」
Dia hoy izy: Raha mby amin’ ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin’ Andriamanitra, aza mandainga amin’ ny ankizivavinao.
17 婦人果然懷孕,到了那時候,生了一個兒子,正如以利沙所說的。
Koa nefa nanan’ anaka tokoa ravehivavy, ka nony niherina ny taona, dia tera-dahy izy tamin’ ilay fotoana nolazain’ i Elisa taminy.
18 孩子漸漸長大,一日到他父親和收割的人那裏,
Ary nony efa lehibe ny zaza, dia nankany amin’ ny rainy tany amin’ ny mpijinja vary izy indray andro,
19 他對父親說:「我的頭啊,我的頭啊!」他父親對僕人說:「把他抱到他母親那裏。」
Ary hoy izy tamin-drainy: Edrey! ny an-dohako! ny an-dohako! Ary hoy rainy tamin’ ny zatovo anankiray: Ento ho any amin-dreniny izy.
20 僕人抱去,交給他母親;孩子坐在母親的膝上,到晌午就死了。
Dia notrotroin’ ilay zatovo izy ka nentiny ho any amin-dreniny, ary nampofoiny izy mandra-pitataovovonan’ ny andro, dia maty.
21 他母親抱他上了樓,將他放在神人的床上,關上門出來,
Ary ravehivavy niakatra ka nampandry azy teo amin’ ny fandrian’ ilay lehilahin’ Andriamanitra, dia narindriny ny trano, ka nivoaka izy.
22 呼叫她丈夫說:「你叫一個僕人給我牽一匹驢來,我要快快地去見神人,就回來。」
Ary niantso ny vadiny izy ka nanao hoe: Masìna ianao, asaovy misy zatovo anankiray mankaty amiko mitondra borikivavy anankiray, fa handeha faingana ho any amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra aho, dia hiverina indray.
23 丈夫說:「今日不是月朔,也不是安息日,你為何要去見他呢?」婦人說:「平安無事。」
Fa hoy ny lahy: Inona no hankanesanao any aminy anio, nefa tsy mba andro tsinam-bolana na Sabata tsinona izao? Ary hoy ravehivavy: Ka nahoana aza?
24 於是備上驢,對僕人說:「你快快趕着走,我若不吩咐你,就不要遲慢。」
Ary ravehivavy dia nanisy lasely ny borikivavy, ka hoy izy tamin’ ny zatovony: Ampandehano, izy ka mizora; aza miahotrahotra akory amin’ ny fampandehananao azy, raha tsy ampijanoniko ianao.
25 婦人就往迦密山去見神人。 神人遠遠地看見她,對僕人基哈西說:「看哪,書念的婦人來了!
Dia lasa ravehivavy nankany amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra tany an-tendrombohitra Karmela. Ary raha vao tazan’ ny lehilahin’ Andriamanitra avy erỳ izy, dia hoy izy tamin’ i Gehazy zatovony: Ilay Sonemita lahy iry;
26 你跑去迎接她,問她說:你平安嗎?你丈夫平安嗎?孩子平安嗎?」她說:「平安。」
masìna ianao, mihazakazaha hitsena azy, ka ataovy aminy hoe: Tsara ihany va ianao: Tsara ihany va ny vadinao? Tsara ihany va ny zazalahy? Ary hoy ny famaliny: Tsara ihany.
27 婦人上了山,到神人那裏,就抱住神人的腳。基哈西前來要推開她,神人說:「由她吧!因為她心裏愁苦,耶和華向我隱瞞,沒有指示我。」
Ary rehefa tonga tany amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
28 婦人說:「我何嘗向我主求過兒子呢?我豈沒有說過,不要欺哄我嗎?」
Dia hoy ravehivavy: Moa naniry zaza taminao va aho, tompoko? Tsy hoy va aho: Aza mamitaka ahy?
29 以利沙吩咐基哈西說:「你束上腰,手拿我的杖前去;若遇見人,不要向他問安;人若向你問安,也不要回答;要把我的杖放在孩子臉上。」
Ary hoy izy tamin’ i Gehazy: Misikìna, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin’ olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin’ ny tavan’ ny zazalahy ny tehiko.
30 孩子的母親說:「我指着永生的耶和華,又敢在你面前起誓,我必不離開你。」於是以利沙起身,隨着她去了。
Ary hoy ny renin’ ny zazalahy: Raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny ainao, dia tsy hiala aminao mihitsy aho. Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra nitsangana ka nanaraka azy.
31 基哈西先去,把杖放在孩子臉上,卻沒有聲音,也沒有動靜。基哈西就迎着以利沙回來,告訴他說:「孩子還沒有醒過來。」
Ary Gehazy nialoha azy ka nametraka ny tehina teo amin’ ny tavan’ ny zazalahy; fa tsy nisy feo na faharenesana. Dia niverina nitsena azy indray izy ka nilaza taminy hoe: Tsy mahatsiaro akory ny zazalahy.
32 以利沙來到,進了屋子,看見孩子死了,放在自己的床上。
Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany.
33 他就關上門,只有自己和孩子在裏面,他便祈禱耶和華,
Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin’ i Jehovah.
34 上床伏在孩子身上,口對口,眼對眼,手對手;既伏在孩子身上,孩子的身體就漸漸溫和了。
Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin’ ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin’ ny vavany, ary ny masony tamin’ ny masony, ary ny tànany tamin’ ny tànany, ka dia nafana ny tenan’ ny zazalahy.
35 然後他下來,在屋裏來往走了一趟,又上去伏在孩子身上,孩子打了七個噴嚏,就睜開眼睛了。
Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony.
36 以利沙叫基哈西說:「你叫這書念婦人來」;於是叫了她來。以利沙說:「將你兒子抱起來。」
Ary Elisa niantso an’ i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao.
37 婦人就進來,在以利沙腳前俯伏於地,抱起她兒子出去了。
Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin’ ny tongony sady niankohoka tamin’ ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.
38 以利沙又來到吉甲,那地正有饑荒。先知門徒坐在他面前,他吩咐僕人說:「你將大鍋放在火上,給先知門徒熬湯。」
Ary Elisa niverina nankany Gilgala; ary nisy mosary tamin’ ny tany; ary ny zanakalahin’ ny mpaminany nipetraka teo anatrehany, ka hoy izy tamin’ ny zatovony: Ataovy eo an-tokoana ny vilany lehibe, ary mahandroa hanina ho an’ ny zanakalahin’ ny mpaminany.
39 有一個人去到田野掐菜,遇見一棵野瓜籐,就摘了一兜野瓜回來,切了擱在熬湯的鍋中,因為他們不知道是甚麼東西;
Ary ny anankiray nivoaka tany an-tsaha hitsongo anana ka nahita voantangomboalavo maniry ho azy, dia nanangona voany iray trotroana avy amin’ io; ary nony tonga izy, dia nosolatsolarany narotsany tao amin’ ny vilany nisy ny hanina, fa tsy nisy nahafantatra.
40 倒出來給眾人吃,吃的時候,都喊叫說:「神人哪,鍋中有致死的毒物!」所以眾人不能吃了。
Ka dia noloarany hohanin’ ny olona izany. Ary raha mbola nihinana izy, dia nitaraina hoe: Ry lehilahin’ Andriamanitra ô, misy mahafaty ao am-bilany. Ary tsy azony nohanina.
41 以利沙說:「拿點麵來」,就把麵撒在鍋中,說:「倒出來,給眾人吃吧!」鍋中就沒有毒了。
Fa hoy Elisa: Itondray koba. Dia narotsany tao am-bilany ny koba, ka hoy izy: Andoary amin’ izao ny olona hohaniny. Ary dia tsy nisy zavatra nampaninona intsony tao am-bilany.
42 有一個人從巴力‧沙利沙來,帶着初熟大麥做的餅二十個,並新穗子,裝在口袋裏送給神人。神人說:「把這些給眾人吃。」
Ary nisy lehilahy avy tany Bala-salisa nitondra mofo avy amin’ ny voaloham-bokatra ho an’ ny lehilahin’ Andriamanitra, dia mofo vary hordea roa-polo sy salohim-bary maitso tao an-kitapo. Dia hoy Elisa: Omeo ny olona hohaniny ireny.
43 僕人說:「這一點豈可擺給一百人吃呢?」以利沙說:「你只管給眾人吃吧!因為耶和華如此說,眾人必吃了,還剩下。」
Fa hoy kosa ny mpanompony: Hataoko ahoana no fametraka ity eo anoloan’ ny zato lahy? Ary hoy indray Elisa: Omeo ihany ny olona hohaniny; fa izao no lazain’ i Jehovah: Hihinana izy, ary mbola hisy sisa tsy lany.
44 僕人就擺在眾人面前,他們吃了,果然還剩下,正如耶和華所說的。
Dia narosony teo anoloany, ka dia nihinana izy, ary mbola nisy sisa tsy lany aza araka ny tenin’ i Jehovah.

< 列王紀下 4 >