< 列王紀下 11 >

1 亞哈謝的母親亞她利雅見她兒子死了,就起來剿滅王室。
Ary nony hitan’ i Atalia, renin’ i Ahazia, fa maty ny zanany dia nitsangana izy ka nandringana ny zanak’ andriana rehetra.
2 但約蘭王的女兒,亞哈謝的妹子約示巴,將亞哈謝的兒子約阿施從那被殺的王子中偷出來,把他和他的乳母都藏在臥房裏,躲避亞她利雅,免得被殺。
Fa Joseba, zanakavavin’ i Jehorama mpanjaka ary anabavin’ i Ahazia, dia naka an’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, ka namonjy azy mbamin’ ny mpitaiza azy avy teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka izay novonoina ho ao an-trano fitehirizam-pandriana ary nafeniny an’ i Atalia izy, ka dia tsy mba voavono.
3 約阿施和他的乳母藏在耶和華的殿裏六年;亞她利雅篡了國位。
Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon’ i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin’ ny tany.
4 第七年,耶何耶大打發人叫迦利人和護衛兵的眾百夫長來,領他們進了耶和華的殿,與他們立約,使他們在耶和華殿裏起誓,又將王的兒子指給他們看,
Ary tamin’ ny taona fahafito Joiada naniraka haka ny kapiteny, mpifehy ny anjolofo sy ny mpiambina, dia nampiditra azy tao an-tranon’ i Jehovah ary nampanaiky sy nampianiana azy tao an-tranon’ i Jehovah, ka nasehony azy ny zanakalahin’ ny mpanjaka.
5 吩咐他們說:「你們當這樣行:凡安息日進班的三分之一要看守王宮,
Ary izy nandidy azy hoe: Izao no hataonareo: Ny ampahatelony izay milatsaka amin’ ny Sabata dia hiambina ny tranon’ ny mpanjaka;
6 三分之一要在蘇珥門,三分之一要在護衛兵院的後門。這樣把守王宮,攔阻閒人。
ary ny ampahatelony ho eo am-bavahady Sora; ary ny ampahatelony ho ao am-bavahady ivohon’ ny mpiambina, dia hiambina ny trano ianareo ka hiaro azy.
7 你們安息日所有出班的三分之二要在耶和華的殿裏護衛王;
Ary ny roa toko aminareo kosa, dia izay rehetra miala amin’ ny andro Sabata, dia hiambina ny tranon’ i Jehovah hiarovana ny mpanjaka.
8 各人手拿兵器,四圍護衛王。凡擅入你們班次的必當治死,王出入的時候,你們當跟隨他。」
Ary hanemitra manodidina ny mpanjaka ianareo, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza mamaky laharana dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na mivoaka na miditra izy.
9 眾百夫長就照着祭司耶何耶大一切所吩咐的去行,各帶所管安息日進班出班的人來見祭司耶何耶大。
Ary ny kapiteny dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Joiada mpisorona, ka samy nitondra ny olom-peheziny izay nilatsaka tamin’ ny Sabata sy izay niala tamin’ ny Sabata ary nankany amin’ i Joiada mpisorona.
10 祭司便將耶和華殿裏所藏大衛王的槍和盾牌交給百夫長。
Ary ny kapiteny nomen’ ilay mpisorona ny lefona sy ampingan’ i Davida mpanjaka izay tao an-tranon’ i Jehovah.
11 護衛兵手中各拿兵器,在壇和殿那裏,從殿右直到殿左,站在王子的四圍。
Ary ny mpiambina nitsangana, ka samy nitana ny fiadiany avy hanodidina ny mpanjaka hatramin’ ny lafiny ankavanan’ ny trano ka hatramin’ ny lafiny ankavia, hatramin’ ny alitara ka hatramin’ ny trano.
12 祭司領王子出來,給他戴上冠冕,將律法書交給他,膏他作王;眾人就拍掌說:「願王萬歲!」
Dia nentin’ i Joiada nivoaka ny zanakalahin’ ny mpanjaka ka nosatrohany ny satro-boninahitra izy, dia notolorany ny Vavolombelona; ka dia nampanjakainy sy nohosorany izy, ary ny olona nitehaka ka niantso hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka!
13 亞她利雅聽見護衛兵和民的聲音,就到民那裏,進耶和華的殿,
Ary nony ren’ i Atalia ny tabataban’ ny mpiambina sy ny vahoaka, dia mba nankao amin’ ny vahoaka tao amin’ ny tranon’ i Jehovah izy.
14 看見王照例站在柱旁,百夫長和吹號的人侍立在王左右,國中的眾民歡樂吹號;亞她利雅就撕裂衣服,喊叫說:「反了!反了!」
Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana toy ny fanao, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
15 祭司耶何耶大吩咐管轄軍兵的百夫長說:「將她趕出班外,凡跟隨她的必用刀殺死!」因為祭司說「不可在耶和華殿裏殺她」,
Fa Joiada mpisorona nandidy ny kapiteny, mpifehy ny miaramila, ka nanao taminy hoe: Avoahy eny ivelan’ ny laharana izy, ary izay manaraka azy dia vonoy amin’ ny sabatra. Fa ny mpisorona efa nandrara hoe Aza vonoina ao an-tranon’ i Jehovah izy.
16 眾兵就閃開讓她去;她從馬路上王宮去,便在那裏被殺。
Ary ny olona nisava teo an-daniny roa, dia nandeha tamin’ ny lalana fandehanan’ ny soavaly ho any an-tranon’ ny mpanjaka ravehivavy; dia novonoiny tao izy.
17 耶何耶大使王和民與耶和華立約,作耶和華的民;又使王與民立約。
Ary Joiada nampanao fanekena ny mpanjaka sy ny vahoaka tamin’ i Jehovah, mba ho olon’ i Jehovah izy, ary nampifanaiky ny mpanjaka sy ny vahoaka koa.
18 於是國民都到巴力廟,拆毀了廟,打碎壇和像,又在壇前將巴力的祭司瑪坦殺了。祭司耶何耶大派官看守耶和華的殿,
Ary ny vahoaka rehetra niditra tao an-tranon’ i Bala ka nandrava azy; ny alitara sy ny endri-javatra teo aminy dia notorotoroiny avokoa, ary Matana, mpisoron’ i Bala, novonoiny teo anoloan’ ny alitara. Ary ny mpisorona nanendry ny ho mpitandrina ny tranon’ i Jehovah.
19 又率領百夫長和迦利人與護衛兵,以及國中的眾民,請王從耶和華殿下來,由護衛兵的門進入王宮,他就坐了王位。
Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin’ ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin’ ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon’ ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin’ ny seza fiandrianan’ ny mpanjaka izy.
20 國民都歡樂,閤城都安靜。眾人已將亞她利雅在王宮那裏用刀殺了。
Dia nifaly ny vahoaka rehetra, ary nandry fahizay ny tanàna Ary Atalia novonoiny tamin’ ny sabatra tao an-tranon’ ny mpanjaka.
21 約阿施登基的時候年方七歲。
Fito taona Joasy fony izy vao nanjaka:

< 列王紀下 11 >