< 歷代志下 26 >

1 猶大眾民立亞瑪謝的兒子烏西雅接續他父作王,那時他年十六歲。(
Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny Joda naka an’ i Ozia, izay enina ambin’ ny folo taona, ka nampanjaka azy handimby an’ i Amazia rainy.
2 亞瑪謝與他列祖同睡之後,烏西雅收回以祿仍歸猶大,又重新修理。)
Izy no nanamboatra an’ i Elota ka nampody azy ho an’ ny Joda indray, rehefa lasa nodimandry any amin’ ny razany ny mpanajaka.
3 烏西雅登基的時候年十六歲,在耶路撒冷作王五十二年。他母親名叫耶可利雅,是耶路撒冷人。
Enina ambin’ ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.
4 烏西雅行耶和華眼中看為正的事,效法他父亞瑪謝一切所行的;
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy.
5 通曉上帝默示,撒迦利亞在世的時候,烏西雅定意尋求上帝;他尋求耶和華,上帝就使他亨通。
Ary nitady an’ Andriamanitra izy tamin’ ny andron’ i Zakaria, izay nahafantatra ny fahitana an’ Andriamanitra; ary tamin’ ny andro nitadiavany an’ i Jehovah dia nambinin’ Andriamanitra izy.
6 他出去攻擊非利士人,拆毀了迦特城、雅比尼城,和亞實突城;在非利士人中,在亞實突境內,又建築了些城。
Ary nivoaka izy ka niady tamin’ ny Filistina, dia nandrava ny mandan’ i Gata sy ny an’ i Jabne sy ny an’ i Asdoda ary nanao tanàna tany Asdoda sy tany amin’ ny Filistina.
7 上帝幫助他攻擊非利士人和住在姑珥‧巴力的阿拉伯人,並米烏尼人。
Ary Andriamanitra nanampy azy hamely ny Filistina sy ny Arabo izay nonina tao Gorabala ary ny Meonita.
8 亞捫人給烏西雅進貢。他的名聲傳到埃及,因他甚是強盛。
Ary ny Amonita nandoa hetra ho an’ i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin’ i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.
9 烏西雅在耶路撒冷的角門和谷門,並城牆轉彎之處,建築城樓,且甚堅固;
Ary Ozia nanao tilikambo tany Jerosalema, teo amin’ ny vavahady an-jorony sy teo amin’ ny vavahady mankao amin’ ny tany lemaka sy teo an-jorony ka nanamafy azy.
10 又在曠野與高原和平原,建築望樓,挖了許多井,因他的牲畜甚多;又在山地和佳美之地,有農夫和修理葡萄園的人,因為他喜悅農事。
Ary nanao tilikambo tany an-efitra koa izy sady nihady lavaka maro ho famorian-drano; fa izy nanana omby aman’ ondry betsaka teny an-tany lemaka sy teny an-tanety ary mpiasa koa sy mpamboatra tanim-boaloboka teny an-tendrombohitra sy teny Karmela koa; fa tia asa tany izy.
11 烏西雅又有軍兵,照書記耶利和官長瑪西雅所數點的,在王的一個將軍哈拿尼雅手下,分隊出戰。
Ary Ozia nanana miaramila maro, izay nanao antokony handeha hanafika, dia araka ny isany izay nandaminan’ i Jeiela mpanoratra sy Mahaseia mpifehy azy, ka nofehezin’ i Hanania, anankiray tamin’ ny komandy voatendrin’ ny mpanjaka.
12 族長、大能勇士的總數共有二千六百人,
Enin-jato amby roa rivo no isan’ ny lohan’ ny fianakaviana rehetra, dia lehilahy mahery avokoa.
13 他們手下的軍兵共有三十萬七千五百人,都有大能,善於爭戰,幫助王攻擊仇敵。
Ary ny miaramila fehezin’ ireo dia diman-jato amby fito arivo sy telo hetsy, izay nahery niady indrindra, homba ny mpanjaka hiady amin’ ny fahavalony.
14 烏西雅為全軍預備盾牌、槍、盔、甲、弓,和甩石的機弦,
Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton’ antsamotady ho an’ ireo miaramila rehetra ireo.
15 又在耶路撒冷使巧匠做機器,安在城樓和角樓上,用以射箭發石。烏西雅的名聲傳到遠方;因為他得了非常的幫助,甚是強盛。
Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan’ ny mahay zavatra, hapetraka eo amin’ ny tilikambo sy eo an-tampon’ ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan’ i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.
16 他既強盛,就心高氣傲,以致行事邪僻,干犯耶和華-他的上帝,進耶和華的殿,要在香壇上燒香。
Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
17 祭司亞撒利雅率領耶和華勇敢的祭司八十人,跟隨他進去。
Fa niditra nanaraka azy kosa Azaria mpisorona mbamin’ ny valo-polo lahy amin’ ny mpisoron’ i Jehovah, lehilahy samy mahery avokoa.
18 他們就阻擋烏西雅王,對他說:「烏西雅啊,給耶和華燒香不是你的事,乃是亞倫子孫承接聖職祭司的事。你出聖殿吧!因為你犯了罪。你行這事,耶和華上帝必不使你得榮耀。」
Ary nanohitra an’ i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: Tsy raharahanao, ry Ozia, ny handoro ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah, fa an’ ny mpisorona ihany, dia ny taranak’ i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ ny fitoerana masìna, fa nanao izay mahadiso ianao; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitra izany.
19 烏西雅就發怒,手拿香爐要燒香。他向祭司發怒的時候,在耶和華殿中香壇旁眾祭司面前,額上忽然發出大痲瘋。
Dia nisafoaka Ozia, ary nisy lovia teny an-tànany handoroany ditin-kazo manitra; koa raha mbola nisafoaka tamin’ ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra tamin’ ny handriny teo anatrehan’ ny mpisorona tao an-tranon’ i Jehovah, tanilan’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
20 大祭司亞撒利雅和眾祭司觀看,見他額上發出大痲瘋,就催他出殿;他自己也急速出去,因為耶和華降災與他。
Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.
21 烏西雅王長大痲瘋直到死日,因此住在別的宮裏,與耶和華的殿隔絕。他兒子約坦管理家事,治理國民。
Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny ka nitoetra tao an-trano mitokana, satria tsy nahazo niditra tao an-tranon’ i Jehovah intsony izy. Ka dia Jotama zanany no nanapaka tao an-dapa sady nitsara ny vahoaka.
22 烏西雅其餘的事,自始至終都是亞摩斯的兒子先知以賽亞所記的。
Ary ny tantaran’ i Ozia sisa, na ny voalohany na ny farany, dia efa nosoratan’ Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza;
23 烏西雅與他列祖同睡,葬在王陵的田間他列祖的墳地裏;因為人說,他是長大痲瘋的。他兒子約坦接續他作王。
Ary Ozia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-tsaha fandevenana izay an’ ny mpanjaka, satria hoy ny olona: Boka izy. Ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy.

< 歷代志下 26 >