< 歷代志下 18 >

1 約沙法大有尊榮資財,就與亞哈結親。
Ary Josafata nanana harena sy voninahitra be; ary ny zananilahy dia nampanambadiny ny zanakavavin’ i Ahaba.
2 過了幾年,他下到撒馬利亞去見亞哈;亞哈為他和跟從他的人宰了許多牛羊,勸他與自己同去攻取基列的拉末。
Koa nony ela dia nidina nankany amin’ i Ahaba tany Samaria izy. Ary Ahaba namono ondry aman’ osy sy omby betsaka ho azy sy ho an’ ny olona nanaraka azy, dia nitaona azy hiakatra ho any Ramota-gileada.
3 以色列王亞哈問猶大王約沙法說:「你肯同我去攻取基列的拉末嗎?」他回答說:「你我不分彼此,我的民與你的民一樣,必與你同去爭戰。」
Ary hoy Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay.
4 約沙法對以色列王說:「請你先求問耶和華。」
Ary hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isirady; Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin’ i Jehovah.
5 於是以色列王招聚先知四百人,問他們說:「我們上去攻取基列的拉末可以不可以?」他們說:「可以上去,因為上帝必將那城交在王的手裏。」
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany efajato lahy ka nanao taminy hoe: Handeha hanafika an’ i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotr’ Andriamanitra eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
6 約沙法說:「這裏不是還有耶和華的先知,我們可以求問他嗎?」
Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin’ i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
7 以色列王對約沙法說:「還有一個人,是音拉的兒子米該雅。我們可以託他求問耶和華,只是我恨他;因為他指着我所說的預言,不說吉語,常說凶言。」約沙法說:「王不必這樣說。」
Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany ahazoantsika manontany amin’ i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mbola naminany soa ho ahy izy, fa loza ihany mandrakariva; Mitaia, zanak’ i Jimla, no anarany. Dia hoy Josafata: Aza dia manao izany, ry mpanjaka.
8 以色列王就召了一個太監來,說:「你快去將音拉的兒子米該雅召來。」
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak’ i Jimla.
9 以色列王和猶大王約沙法在撒馬利亞城門前的空場上,各穿朝服坐在位上,所有的先知都在他們面前說預言。
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda, samy nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany avy teo amin’ ny famoloana eo anoloan’ ny vavahadin’ i Samaria, sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo anatrehany.
10 基拿拿的兒子西底家造了兩個鐵角,說:「耶和華如此說:『你要用這角牴觸亞蘭人,直到將他們滅盡。』」
Ary Zedekia, zanak’ i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
11 所有的先知也都這樣預言說:「可以上基列的拉末去,必然得勝,因為耶和華必將那城交在王的手中。」
Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izao koa hoe: Mandehana ho any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa hotolotr’ i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
12 那去召米該雅的使者對米該雅說:「眾先知一口同音地都向王說吉言,你不如與他們說一樣的話,也說吉言。」
Ary ilay iraka izay nandeha naka an’ i Mikaia niteny taminy hoe: Indro, fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany, ka samy milaza soa ho an’ ny mpanjaka: masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ ny anankiray amin’ ireo, ka mba mitenena soa koa.
13 米該雅說:「我指着永生的耶和華起誓,我的上帝說甚麼,我就說甚麼。」
Dia hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, izay lazain’ Andriamanitro ihany no hambarako.
14 米該雅到王面前,王問他說:「米該雅啊,我們上去攻取基列的拉末可以不可以?」他說:「可以上去,必然得勝,敵人必交在你們手裏。」
Dia nankany amin’ ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’ i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany aho? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, dia hambinina ianareo, fa hatolotra eo an-tananareo izy.
15 王對他說:「我當囑咐你幾次,你才奉耶和華的名向我說實話呢?」
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin’ ny anaran’ i Jehovah afa-tsy izay marina ihany?
16 米該雅說:「我看見以色列眾民散在山上,如同沒有牧人的羊群一般。耶和華說:『這民沒有主人,他們可以平平安安地各歸各家去。』」
Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
17 以色列王對約沙法說:「我豈沒有告訴你,這人指着我所說的預言,不說吉語,單說凶言嗎?」
Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ ny Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
18 米該雅說:「你們要聽耶和華的話。我看見耶和華坐在寶座上,天上的萬軍侍立在他左右。
Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
19 耶和華說:『誰去引誘以色列王亞哈上基列的拉末去陣亡呢?』這個就這樣說,那個就那樣說。
Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, handeha ho any Ramota-gileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
20 隨後,有一個神靈出來,站在耶和華面前說:『我去引誘他。』耶和華問他說:『你用何法呢?』
Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin’ inona anefa?
21 他說:『我去,要在他眾先知口中作謊言的靈。』耶和華說:『這樣,你必能引誘他,你去如此行吧!』
Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaka ary, ka ataovy izany.
22 現在耶和華使謊言的靈入了你這些先知的口,並且耶和華已經命定降禍與你。」
Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ ireto mpaminaninao ireto, ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
23 基拿拿的兒子西底家前來打米該雅的臉,說:「耶和華的靈從哪裏離開我與你說話呢?」
Fa Zedekia, zanak’ i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’ i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no lalana nialan’ ny Fanahin’ i Jehovah tamiko hiteny aminao?
24 米該雅說:「你進嚴密的屋子藏躲的那日,就必看見了。」
Dia hoy Mitaia: Indro, ho hitanao izany amin’ ny andro hidiranao ao amin’ ny efi-trano anatiny hierenao.
25 以色列王說:「將米該雅帶回,交給邑宰亞們和王的兒子約阿施,說:
Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin’ i Amona, komandin’ ny tanana, sy ho any amin’ i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
26 『王如此說:把這個人下在監裏,使他受苦,吃不飽喝不足,等候我平平安安地回來。』」
ka lazao hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
27 米該雅說:「你若能平安回來,那就是耶和華沒有藉我說這話了」;又說:「眾民哪,你們都要聽!」
Fa hoy Mikaia: Raha tahìny ho tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin’ i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany, ry firenena rehetra.
28 以色列王和猶大王約沙法上基列的拉末去了。
Dia niatatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda.
29 以色列王對約沙法說:「我要改裝上陣,你可以仍穿王服。」於是以色列王改裝,他們就上陣去了。
Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ ny Isiraely ka nitsarapata tany anatin’ ny ady.
30 先是亞蘭王吩咐車兵長說:「他們的兵將,無論大小,你們都不可與他們爭戰,只要與以色列王爭戰。」
Fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandidy Ireo komandin’ ny kalesiny nanao hoe: Aza miady na amin’ ny kely na amin’ ny lehibe, afa-tsy amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ihany.
31 車兵長看見約沙法便說,這必是以色列王,就轉過去與他爭戰。約沙法一呼喊,耶和華就幫助他,上帝又感動他們離開他。
Ary nony nahita an’ i Josafata ireo komandin’ ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan’ ny Isiraely. Dia nohodidininy hasiany izy, ka dia niantsoantso Josafata, ary Jehovah namonjy azy; eny, Andriamanitra nampiala ireo teo aminy;
32 車兵長見不是以色列王,就轉去不追他了。
ary rehefa hitan’ ireo komandin’ ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
33 有一人隨便開弓,恰巧射入以色列王的甲縫裏。王對趕車的說:「我受了重傷,你轉過車來,拉我出陣吧!」
Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’ ny Isiraely teo anelenalen’ ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny, ka dia hoy izy tamin’ ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin’ ny mpiady aho, fa voa.
34 那日陣勢越戰越猛,以色列王勉強站在車上抵擋亞蘭人,直到晚上。約在日落的時候,王就死了。
Ary nihamafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nihafy nitsangana teo amin’ ny kalesiny tandrifin’ ny Syriana mandra-paharivan’ ny andro; fa nony efa hilentika ny masoandro, dia maty izy.

< 歷代志下 18 >