< 歷代志下 16 >

1 亞撒三十六年,以色列王巴沙上來攻擊猶大,修築拉瑪,不許人從猶大王亞撒那裏出入。
Tamin’ ny taona fahenina amby telo-polo nanjakan’ i Asa dia niakatra Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, hamely ny Joda, ka nanamboatra an’ i Rama izy mba tsy hisy hahazo hivoaka na hiditra ho an’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda.
2 於是亞撒從耶和華殿和王宮的府庫裏拿出金銀來,送與住大馬士革的亞蘭王便‧哈達,說:
Ary Asa namoaka volafotsy sy volamena avy tamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny tranon’ ny mpanjaka, dia nampitondra azy tany amin’ i Beni-hadada, mpanjakan’ i Syria, izay nitoetra tany Damaskosy, ka nanao hoe:
3 「你父曾與我父立約,我與你也要立約。現在我將金銀送給你,求你廢掉你與以色列王巴沙所立的約,使他離開我。」
Misy fanekena amiko sy aminao, dia ilay tamin’ ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho anao aho, ka andeha, tsoahy ny fanekenao amin’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, mba hialany amiko.
4 便‧哈達聽從亞撒王的話,派軍長去攻擊以色列的城邑。他們就攻破以雲、但、亞伯‧瑪音,和拿弗他利一切的積貨城。
Ary Beni-hadada nanaiky ny tenin’ i Asa mpanjaka ka naniraka ireo komandin’ ny miaramilany hamely ny tanànan’ ny Isiraely; dia nandrava an’ Iona sy Dana sy Abela-maima ary ny trano fitehirizana rehetra izay teny amin’ ny tanànan’ ny Naftaly izy.
5 巴沙聽見就停工,不修築拉瑪了。
Ary nony ren’ i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an’ i Rama intsony izy, fa natsahany ny asany.
6 於是亞撒王率領猶大眾人,將巴沙修築拉瑪所用的石頭、木頭都運去,用以修築迦巴和米斯巴。
Ary Asa mpanjaka namory ny Joda rehetra; ary dia nesorin’ ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’ i Basa, ka nentiny nanamboatra an’ i Geba sy Mizpa.
7 那時,先見哈拿尼來見猶大王亞撒,對他說:「因你仰賴亞蘭王,沒有仰賴耶和華-你的上帝,所以亞蘭王的軍兵脫離了你的手。
Ary tamin’ izany andro izany dia nankeo amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, Hanany mpahita ka nanao taminy hoe: Noho ny niankinanao tamin’ ny mpanjakan’ i Syria fa tsy niankina tamin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia afa-nandositra ny tananao ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Syria.
8 古實人、路比人的軍隊不是甚大嗎?戰車馬兵不是極多嗎?只因你仰賴耶和華,他便將他們交在你手裏。
Tsy maro be va ny Etiopiana sy ny Lobita, ary tsy maro be koa va ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny? Nefa noho ny niankinanao tamin’ i Jehovah, dia natolony teo an-tananao ireo.
9 耶和華的眼目遍察全地,要顯大能幫助向他心存誠實的人。你這事行得愚昧;此後,你必有爭戰的事。」
Fa ny mason’ i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra, mba hisehoany aman-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy. Adala ianao tamin’ izany, ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’ izao.
10 亞撒因此惱恨先見,將他囚在監裏。那時亞撒也虐待一些人民。
Dia tezitra tamin’ ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin’ i Asa tamin’ izay.
11 亞撒所行的事,自始至終都寫在猶大和以色列諸王記上。
Ary, indro, ny tantaran’ i Asa, na ny voalohany na ny farany, dia efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely.
12 亞撒作王三十九年,他腳上有病,而且甚重。病的時候沒有求耶和華,只求醫生。
Tamin’ ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan’ i Asa dia narary tamin’ ny tongony izy, ka nihamafy indrindra ny aretiny; nefa na dia narary aza izy, dia tsy nitady an’ i Jehovah, fa ny mpanao fanafody ihany.
13 他作王四十一年而死,與他列祖同睡,
Ary Asa lasa nodi-mandry any amin’ ny razany; maty izy tamin’ ny taona fahiraika amby efa-polo nanjakany.
14 葬在大衛城自己所鑿的墳墓裏,放在床上,其床堆滿各樣馨香的香料,就是按做香的作法調和的香料,又為他燒了許多的物件。
Dia nalevina tao amin’ ny fasany ihany izy, izay nolavahany tao an-Tanànan’ i Davida, ka nampandrina teo amin’ ny fandriana efa nofenoina zava-manitra samy hafa voaharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, ary nandoroany zavatra betsaka ho fisaonana azy.

< 歷代志下 16 >