< 歷代志下 14 >

1 亞比雅與他列祖同睡,葬在大衛城裏。他兒子亞撒接續他作王。亞撒年間,國中太平十年。
Ary Abia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tanànan’ i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy. Ary tamin’ ny andron’ i Asa dia nandry folo taona ny tany.
2 亞撒行耶和華-他上帝眼中看為善為正的事,
Ary Asa nanao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitra;
3 除掉外邦神的壇和邱壇,打碎柱像,砍下木偶,
fa nandrava ny alitaran’ ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.
4 吩咐猶大人尋求耶和華-他們列祖的上帝,遵行他的律法、誡命;
Ary nandidy ny Joda hitady an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy ary hankatò ny lalàna sy ny didy.
5 又在猶大各城邑除掉邱壇和日像,那時國享太平;
Ary nandrava ny fitoerana avo sy ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro teny amin’ ny tanànan’ ny Joda rehetra izy; dia nandry fahizay ny fanjakana teo anatrehany.
6 又在猶大建造了幾座堅固城。國中太平數年,沒有戰爭,因為耶和華賜他平安。
Ary nanao tanàna mimanda tany Joda izy; ka dia nandry fahizay ny tany, fa tsy nisy ady tamin’ izany andro izany; fa Jehovah no nanome azy fiadanana.
7 他對猶大人說:「我們要建造這些城邑,四圍築牆,蓋樓,安門,做閂;地還屬我們,是因尋求耶和華-我們的上帝;我們既尋求他,他就賜我們四境平安。」於是建造城邑,諸事亨通。
Dia hoy izy tamin’ ny Joda: Andeha hamboarintsika ireto tanana ireto ka hasiantsika manda manodidina sy tilikambo ary vavahady mihidy, raha mbola azontsika zakaina ny tany; fa efa nitady an’ i Jehovah Andriamanitsika isika; eny, nitady Azy isika, ka nanome antsika fiadanana amin’ ny manodidina Izy. Ary dia namboariny avokoa izany ka tontosa tsara.
8 亞撒的軍兵,出自猶大拿盾牌拿槍的三十萬人;出自便雅憫拿盾牌拉弓的二十八萬人。這都是大能的勇士。
Ary Asa nanana miaramila, dia telo hetsy mpitana ampinga lehibe sy lefona avy tamin’ ny Joda, ary valo alina amby roa hetsy mpitana ampinga sy tsipìka avy amin’ ny Benjamina; ireo rehetra ireo dia lehilahy mahery avokoa.
9 有古實王謝拉率領軍兵一百萬,戰車三百輛,出來攻擊猶大人,到了瑪利沙。
Ary Zera Etiopiana nivoaka hiady tamin’ ireo ka nitondra miaramila iray tapitrisa sy kalesy telon-jato, ka dia tonga tao Maresa.
10 於是亞撒出去與他迎敵,就在瑪利沙的洗法谷彼此擺陣。
Ary Asa nivoaka hiady taminy, dia samy nilahatra hiady teo an-dohasaha Zefata akaikin’ i Maresa izy.
11 亞撒呼求耶和華-他的上帝說:「耶和華啊,惟有你能幫助軟弱的,勝過強盛的。耶和華-我們的上帝啊,求你幫助我們;因為我們仰賴你,奉你的名來攻擊這大軍。耶和華啊,你是我們的上帝,不要容人勝過你。」
Ary Asa nitaraina tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, tsy misy afa-tsy Hianao no mahavonjy ny tsy manan-kery, raha iadian’ ny maro izy, ka vonjeo izahay, Jehovah Andriamanitray ô, fa Hianao no iankinanay, ary ny anaranao no andehananay hiady amin’ ireto olona ireto. Jehovah ô. Hianao no Andriamanitray; aza avela hisy olona haharesy Anao.
12 於是耶和華使古實人敗在亞撒和猶大人面前,古實人就逃跑了;
Ary Jehovah namely ny Etiopiana teo anoloan’ i Asa sy ny Joda, ka dia nandositra ireny.
13 亞撒和跟隨他的軍兵追趕他們,直到基拉耳。古實人被殺的甚多,不能再強盛,因為敗在耶和華與他軍兵面前。猶大人就奪了許多財物,
Ary Asa sy ny vahoaka teo aminy nanenjika azy hatrany Gerara, ka dia nahafatesana be ny Etiopiana ka tsy naharina intsony; fa voaringana teo anoloan’ i Jehovah sy ny miaramilany izy, ka nahazoan’ ny Joda babo betsaka.
14 又打破基拉耳四圍的城邑;耶和華使其中的人都甚恐懼。猶大人又將所有的城擄掠一空,因其中的財物甚多,
Ary namely ny tanàna rehetra manodidina an’ i Gerara izy; fa ny fahatahorana an’ i Jehovah nahazo ireo, ka nobaboiny ny tanana rehetra, fa be ny babo tao.
15 又毀壞了群畜的圈,奪取許多的羊和駱駝,就回耶路撒冷去了。
Ary namely ny vala izy ka nahazo babo betsaka, dia ondry aman’ osy sy rameva, ary dia niverina ho any Jerosalema izy.

< 歷代志下 14 >