< 撒母耳記上 7 >

1 基列‧耶琳人就下來,將耶和華的約櫃接上去,放在山上亞比拿達的家中,分派他兒子以利亞撒看守耶和華的約櫃。
Dia tonga teo ny mponina tao Kiriata-jearima ka nitondra ny fiaran’ i Jehovah niakatra, dia nitondra azy ho ao an-tranon’ i Abinadaba teo an-kavoana, ary nanamasina an’ i Eleazara zanany mba hitandrina ny fiaran’ i Jehovah izy.
2 約櫃在基列‧耶琳許久。過了二十年,以色列全家都傾向耶和華。
Ary hatramin’ izany andro izany dia nitoetra ela tany Kiriata-jearima ny fiaran’ i Jehovah, dia roa-polo taona; ary ny taranak’ Isiraely rehetra nalahelo an’ i Jehovah.
3 撒母耳對以色列全家說:「你們若一心歸順耶和華,就要把外邦的神和亞斯她錄從你們中間除掉,專心歸向耶和華,單單地事奉他。他必救你們脫離非利士人的手。」
Ary hoy Samoela tamin’ ny taranak’ Isiraely rehetra: Raha miverina amin’ i Jehovah amin’ ny fonareo rehetra tokoa ary ianareo, dia ario hiala aminareo ny andriamani-kafa sy ireo Astarta, ka ampiomany ny fonareo ho an’ i Jehovah, ary aoka Izy ihany no hotompoinareo, dia hamonjy anareo amin’ ny tanan’ ny Filistina Izy.
4 以色列人就除掉諸巴力和亞斯她錄,單單地事奉耶和華。
Dia nanary ireo Bala sy Astarta ny Zanak’ Isiraely ka nanompo an’ i Jehovah irery ihany.
5 撒母耳說:「要使以色列眾人聚集在米斯巴,我好為你們禱告耶和華。」
Ary hoy Samoela: Vorio ny Isiraely rehetra ho any Mizpa, dia hivavaka amin’ i Jehovah ho anareo aho.
6 他們就聚集在米斯巴,打水澆在耶和華面前,當日禁食,說:「我們得罪了耶和華。」於是撒母耳在米斯巴審判以色列人。
Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan’ i Jehovah, sady nifady hanina tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak’ Isiraely tany Mizpa.
7 非利士人聽見以色列人聚集在米斯巴,非利士的首領就上來要攻擊以色列人。以色列人聽見,就懼怕非利士人。
Ary rehefa ren’ ny Filistina fa efa vory tany Mizpa ny Zanak’ Isiraely, dia niakatra hamely azy ireo andrianan’ ny Filistina. Ary nony nandre izany ny Zanak’ Isiraely, dia raiki-tahotra izy noho ny Filistina.
8 以色列人對撒母耳說:「願你不住地為我們呼求耶和華-我們的上帝,救我們脫離非利士人的手。」
Dia hoy ny Zanak’ Isiraely tamin’ i Samoela: Aza mitsahatra mitaraina amin’ i Jehovah Andriamanitsika ho anay ianao, mba hamonjeny anay amin’ ny tanan’ ny Filistina.
9 撒母耳就把一隻吃奶的羊羔獻與耶和華作全牲的燔祭,為以色列人呼求耶和華;耶和華就應允他。
Dia naka zanak’ ondry mbola minono Samoela ka nanatitra azy ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah; dia nitaraina tamin’ i Jehovah ho an’ ny Isiraely Samoela, ary nihaino azy Jehovah.
10 撒母耳正獻燔祭的時候,非利士人前來要與以色列人爭戰。當日,耶和華大發雷聲,驚亂非利士人,他們就敗在以色列人面前。
Ary raha mbola nanatitra ny fanatitra dorana Samoela, dia nanatona ny Filistina hiady amin’ ny Isiraely; fa Jehovah nampikotrokorana mafy tamin’ ny Filistina tamin’ izany andro izany ka nampifanaritaka azy, dia resy teo anoloan’ ny Isiraely izy.
11 以色列人從米斯巴出來,追趕非利士人,擊殺他們,直到伯‧甲的下邊。
Ary ny lehilahy amin’ ny Isiraely niala tany Mizpa, dia nanenjika ny Filistina ka namely azy mandra-pahatongany teo ambanin’ i Beti-kara.
12 撒母耳將一塊石頭立在米斯巴和善的中間,給石頭起名叫以便以謝,說:「到如今耶和華都幫助我們。」
Ary Samoela naka vato ka nanorina azy teo anelanelan’ i Mizpa sy Sena, ary ny anarany nataony hoe Ebenezera; fa hoy izy: Efa novonjen’ i Jehovah isika hatramin’ izao.
13 從此,非利士人就被制伏,不敢再入以色列人的境內。撒母耳作士師的時候,耶和華的手攻擊非利士人。
Dia resy ny Filistina ka tsy tafiditra teo anatin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely intsony; ary ny tànan’ i Jehovah namely ny Filistina tamin’ ny andro rehetra niainan’ i Samoela.
14 非利士人所取以色列人的城邑,從以革倫直到迦特,都歸以色列人了。屬這些城的四境,以色列人也從非利士人手下收回。那時以色列人與亞摩利人和好。
Ary ny tanàna izay efa nalain’ ny Filistina tamin’ ny Isiraely dia azon’ ny Isiraely indray, hatrany Ekrona ka hatrany Gata; ary ny faritanin’ ireo dia nalain’ ny Isiraely tamin’ ny tanan’ ny Filistina koa. Ary nihavana ny Isiraely sy ny Amorita.
15 撒母耳平生作以色列的士師。
Ary Samoela nitsara ny Isiraely tamin’ ny andro rehetra niainany.
16 他每年巡行到伯特利、吉甲、米斯巴,在這幾處審判以色列人。
Ary nandeha isan-taona isan-taona izy nitety any Betela sy Gilgala ary Mizpa ka nitsara ny Isiraely teo amin’ ireo tanàna rehetra ireo.
17 隨後回到拉瑪,因為他的家在那裏;也在那裏審判以色列人,且為耶和華築了一座壇。
Dia niverina ho any Rama indray izy, fa tao ny tranony; ary nitsara ny Isiraely tao izy sady nanorina alitara tao ho an’ i Jehovah.

< 撒母耳記上 7 >