< 撒母耳記上 26 >

1 西弗人到基比亞見掃羅,說:「大衛不是在曠野前的哈基拉山藏着嗎?」
Ary ny Zifita tonga tao amin’ i Saoly tany Gibea ka nanao hoe: Tsy miery any amin’ ny havoana Hakila manandrify ny efitra va Davida?
2 掃羅就起身,帶領以色列人中挑選的三千精兵下到西弗的曠野,要在那裏尋索大衛。
Dia niainga Saoly nidina nankany an-efitr’ i Zifa, nitondra telo arivo lahy voafantina tamin’ ny Isiraely hanaraka azy hitady an’ i Davida any an-efitr’ i Zifa.
3 掃羅在曠野前的哈基拉山,在道路上安營。大衛住在曠野,聽說掃羅到曠野來追尋他,
Ary nitoby tao amin’ ny havoana Hakila manandrify ny efitra teo amoron-dalana izy. Fa Davida kosa nitoetra tany an-efitra, ary hitany fa tonga nanaraka azy tany an-efitra Saoly.
4 就打發人去探聽,便知道掃羅果然來到。
Dia naniraka mpisafo Davida, ka fantany fa tonga tokoa Saoly.
5 大衛起來,到掃羅安營的地方,看見掃羅和他的元帥尼珥的兒子押尼珥睡臥之處;掃羅睡在輜重營裏,百姓安營在他周圍。
Dia niainga Davida ka tonga teo amin’ ny nitobian’ i Saoly; ary hitan’ i Davida izay nandrian’ i Saoly sy Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilany; fa Saoly nandry teo anatin’ ny sehatra-sariety, sady nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
6 大衛對赫人亞希米勒和洗魯雅的兒子約押的兄弟亞比篩說:「誰同我下到掃羅營裏去?」亞比篩說:「我同你下去。」
Ary hoy Davida tamin’ i Ahimeleka Hetita sy Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba; Iza no hidina hiaraka amiko ho any amin’ i Saoly any an-toby? Dia hoy Abisay: Izaho hidina hiaraka aminao.
7 於是大衛和亞比篩夜間到了百姓那裏,見掃羅睡在輜重營裏;他的槍在頭旁,插在地上。押尼珥和百姓睡在他周圍。
Ary tonga tao amin’ ny vahoaka Davida sy Abisay nony alina; ary, indro, Saoly nandry ka natory teo anatin’ ny sehatra-sariety, ary ny lefony nitsatoka amin’ ny tany teo anilan’ ny lohany; fa Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
8 亞比篩對大衛說:「現在上帝將你的仇敵交在你手裏,求你容我拿槍將他刺透在地,一刺就成,不用再刺。」
Ary hoy Abisay tamin’ i Davida: Efa voahidin’ Andriamanitra eo an-tananao ny fahavalonao izao; koa, masìna ianao, aoka holefoniko indray mandeha monja hataoko miboroaka amin’ ny tany izy, fa tsy hamely azy indroa akory aho.
9 大衛對亞比篩說:「不可害死他。有誰伸手害耶和華的受膏者而無罪呢?」
Fa hoy Davida tamin’ i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin’ ny voahosotr’ i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
10 大衛又說:「我指着永生的耶和華起誓,他或被耶和華擊打,或是死期到了,或是出戰陣亡;
Ary hoy koa Davida: Raha velona koa Jehovah, dia aoka Jehovah no hamely azy; na ho tonga ny androny, ka ho faty izy; na hirotsaka ho amin’ ny ady izy, ka any no hahafaty azy.
11 我在耶和華面前,萬不敢伸手害耶和華的受膏者。現在你可以將他頭旁的槍和水瓶拿來,我們就走。」
Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha haninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho; fa masìna ianao, ny lefona eo anilan’ ny lohany sy ny tavoara fitondran-drano no alao, dia andeha isika handeha.
12 大衛從掃羅的頭旁拿了槍和水瓶,二人就走了,沒有人看見,沒有人知道,也沒有人醒起,都睡着了,因為耶和華使他們沉沉地睡了。
Dia nalain’ i Davida ny lefona sy ny tavoara izay teo anilan’ ny lohan’ i Saoly ka dia lasa izy, ary tsy nisy olona nahita, na nahalala, na nahatsiaro; fa natory izy rehetra, satria nataon’ i Jehovah renoky ny torimaso izy.
13 大衛過到那邊去,遠遠地站在山頂上,與他們相離甚遠。
Dia nita nankeny an-dafin-tsaha Davida ka nijanona teo an-tampon’ ny tendrombohitra lavidavitra (lavidavitra ihany ny elanelan’ izy roa tonta);
14 大衛呼叫百姓和尼珥的兒子押尼珥說:「押尼珥啊,你為何不答應呢?」押尼珥說:「你是誰?竟敢呼叫王呢?」
ary Davida niantso ny olona sy Abnera, zanak’ i Nera, hoe: Tsy mamaly va ianao, ry Abnera? Ary Abnera dia namaly hoe: Iza moa ianao, no miantso ho re eto anatrehan’ ny mpanjaka?
15 大衛對押尼珥說:「你不是個勇士嗎?以色列中誰能比你呢?民中有人進來要害死王-你的主,你為何沒有保護王-你的主呢?
Ary hoy Davida tamin’ i Abnera: Tsy lehilahy mahery va ianao, ary iza no tahaka anao amin’ ny Isiraely? Koa nahoana ianao no tsy miambina ny mpanjaka tomponao? fa nisy anankiray tamin’ ny olona tonga teo hamono ny mpanjaka tomponao.
16 你這樣是不好的!我指着永生的耶和華起誓,你們都是該死的;因為沒有保護你們的主,就是耶和華的受膏者。現在你看看王頭旁的槍和水瓶在哪裏。」
Tsy mety izany nataonao izany. Raha velona koa Jehovah, dia tokony ho faty ianareo, satria tsy miambina ny tomponareo, ilay voahosotr’ i Jehovah Ary izahao ange, fa aiza moa ny lefon’ ny mpanjaka sy ny tavoara fitondran-drano teo anilan’ ny lohany?
17 掃羅聽出是大衛的聲音,就說:「我兒大衛,這是你的聲音嗎?」大衛說:「主-我的王啊,是我的聲音」;
Ary fantatr’ i Saoly ny feon’ i Davida ka hoy izy: Feonao moa izany, ry Davida zanako? Ary hoy Davida: Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko.
18 又說:「我做了甚麼?我手裏有甚麼惡事?我主竟追趕僕人呢?
Ary hoy koa izy: Nahoana ny tompoko no manenjika ny mpanompony? Inona no nataoko, ary inona no ratsy amin’ ny tanako?
19 求我主我王聽僕人的話:若是耶和華激發你攻擊我,願耶和華收納祭物;若是人激發你,願他在耶和華面前受咒詛;因為他現今趕逐我,不容我在耶和華的產業上有分,說:『你去事奉別神吧!』
Ary ankehitriny masìna ianao, ry mpanjaka tompoko, mihainoa ny tenin’ ny mpanomponao. Raha Jehovah no nanesika anao hamely ahy, dia aoka handray fanatitra mani-pofona Izy; fa raha zanak’ olona kosa, dia aoka ho voaozona eo anatrehan’ i Jehovah izy, satria efa nandroaka ahy androany tsy hanana anjara amin’ ny lova nomen’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mandehana, manompoa andriamani-kafa.
20 現在求王不要使我的血流在離耶和華遠的地方。以色列王出來是尋找一個虼蚤,如同人在山上獵取一個鷓鴣一般。」
Koa aza avela ho latsaka amin’ ny tany lavitra an’ i Jehovah ny rako; fa ny mpanjakan’ ny Isiraely nivoaka nitady parasy iray, tahaka ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra.
21 掃羅說:「我有罪了!我兒大衛,你可以回來,因你今日看我的性命為寶貴;我必不再加害於你。我是糊塗人,大大錯了。」
Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.
22 大衛說:「王的槍在這裏,可以吩咐一個僕人過來拿去。
Ary Davida namaly hoe: Indro ny lefon’ ny mpanjaka! koa asaovy misy zatovo anankiray mankety haka azy.
23 今日耶和華將王交在我手裏,我卻不肯伸手害耶和華的受膏者。耶和華必照各人的公義誠實報應他。
Ny lehilahy izay nanoloran’ i Jehovah anao teo an-tànany androany dia hovaliany araka ny fahitsiany sy ny fahamarinany, fa tsy nety naninjitra ny tanako hamely ny voahosotr’ i Jehovah aho.
24 我今日重看你的性命,願耶和華也重看我的性命,並且拯救我脫離一切患難。」
Ary, indro, fa tahaka ny nanaovako ny aina ho lehibe androany no mba hanaovan’ i Jehovah ny aiko ho lehibe kosa ka hanafahany ahy amin’ ny fahoriana rehetra.
25 掃羅對大衛說:「我兒大衛,願你得福!你必做大事,也必得勝。」於是大衛起行,掃羅回他的本處去了。
Ary hoy Saoly tamin’ i Davida: Hotahina anie ianao, ry Davida zanako; hanao dia hanao ianao sady hahatontosa. Dia lasa Davida, fa Saoly kosa nitodi-doha hiverina.

< 撒母耳記上 26 >