< 撒母耳記上 23 >

1 有人告訴大衛說:「非利士人攻擊基伊拉,搶奪禾場。」
Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Indro, ny Filistina mamely an’ i Keila ka mamabo ny ao amin’ ny famoloana.
2 所以大衛求問耶和華說:「我去攻打那些非利士人可以不可以?」耶和華對大衛說:「你可以去攻打非利士人,拯救基伊拉。」
Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handeha hamely izao Filistina izao va aho? Ary hoy Jehovah tamin’ i Davida: Mandehana, asio ny Filistina, ka vonjeo Keila.
3 跟隨大衛的人對他說:「我們在猶大地這裏尚且懼怕,何況往基伊拉去攻打非利士人的軍旅呢?」
Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: He! atỳ Joda aza isika matahotra, koa mainka raha mankany Keila hiady amin’ ny miaramilan’ ny Filistina?
4 大衛又求問耶和華。耶和華回答說:「你起身下基伊拉去,我必將非利士人交在你手裏。」
Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray Davida. Ary Jehovah namaly azy hoe: Miaingà, midìna hankany Keila, fa Izaho no hanolotra ny Filistina ho eo an-tananao.
5 大衛和跟隨他的人往基伊拉去,與非利士人打仗,大大殺敗他們,又奪獲他們的牲畜。這樣,大衛救了基伊拉的居民。
Dia lasa Davida sy ny olony nankany Keila ary niady tamin’ ny Filistina ka namabo ny ombiny sady nahafaty olona be dia be. Ary dia voavonjin’ i Davida ny mponina tao Keila.
6 亞希米勒的兒子亞比亞他逃到基伊拉見大衛的時候,手裏拿着以弗得。
Ary raha nandositra nankany amin’ i Davida tany Keila Abiatara, zanak’ i Ahimeleka, dia nitondra efoda teny an-tànany izy.
7 有人告訴掃羅說:「大衛到了基伊拉。」掃羅說:「他進了有門有閂的城,困閉在裏頭;這是上帝將他交在我手裏了。」
Ary nambara tamin’ i Saoly fa tonga tao Keila Davida. Dia hoy Saoly: Andriamanitra efa nanolotra azy ho eo an-tanako, satria efa voahidy izy izao noho ny nidirany amin’ ny tanàna misy vavahady mihidy.
8 於是掃羅招聚眾民,要下去攻打基伊拉城,圍困大衛和跟隨他的人。
Ary Saoly namory ny olona rehetra hidina hankany Keila hanafika ka hanao fahirano an’ i Davida sy ny olony.
9 大衛知道掃羅設計謀害他,就對祭司亞比亞他說:「將以弗得拿過來。」
Ary fantatr’ i Davida fa Saoly namorona sain-dratsy hamelezana azy; dia hoy izy tamin’ i Abiatara mpisorona: Ento etỳ ny efoda.
10 大衛禱告說:「耶和華-以色列的上帝啊,你僕人聽真了掃羅要往基伊拉來,為我的緣故滅城。
Dia hoy Davida: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, efa ren’ ny mpanomponao tokoa fa Saoly mitady hankatỳ Keila mba handrava ny tanana noho ny amiko.
11 基伊拉人將我交在掃羅手裏不交?掃羅照着你僕人所聽的話下來不下來?耶和華-以色列的上帝啊,求你指示僕人!」耶和華說:「掃羅必下來。」
Ka moa ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy ho eo an-tànany va? Hidina etỳ va Saoly toy ny efa ren’ ny mpanomponao? Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, ambarao amin’ ny mpanomponao. Ary hoy Jehovah: Hidina izy.
12 大衛又說:「基伊拉人將我和跟隨我的人交在掃羅手裏不交?」耶和華說:「必交出來。」
Dia hoy Davida: Ny mponina etỳ Keila hanolotra ahy sy ny oloko ho eo an-tànan’ i Saoly va? Ary hoy Jehovah Hanolotra anao izy.
13 大衛和跟隨他的約有六百人,就起身出了基伊拉,往他們所能往的地方去。有人告訴掃羅,大衛離開基伊拉逃走;於是掃羅不出來了。
Ary dia niainga Davida sy ny olony tokony ho enin-jato lahy ka niala tao Keila ary nandeha tamin’ izay azony naleha. Ary nolazaina tamin’ i Saoly fa efa nandositra niala tao Keila Davida, dia nijanona tsy nandeha izy.
14 大衛住在曠野的山寨裏,常在西弗曠野的山地。掃羅天天尋索大衛,上帝卻不將大衛交在他手裏。
Ary Davida nitoetra tany an-efitra tao amin’ ny batery fiarovana sy nitoetra tany amin’ ny tany havoana tany an-efitr’ i Zifa. Ary Saoly nitady azy isan’ andro, fa Andriamanitra tsy nanolotra azy ho eo an-tànany.
15 大衛知道掃羅出來尋索他的命。那時,他住在西弗曠野的樹林裏;
Ary hitan’ i Davida fa Saoly nivoaka hitady ny ainy; fa Davida dia tany an-efitr’ i Zifa tany anaty ala.
16 掃羅的兒子約拿單起身,往那樹林裏去見大衛,使他倚靠上帝得以堅固,
Ary Jonatana, zanak’ i Saoly, niainga, dia nankany amin’ i Davida tany an’ ala ka nampahery ny tànany tamin’ Andriamanitra.
17 對他說:「不要懼怕!我父掃羅的手必不加害於你;你必作以色列的王,我也作你的宰相。這事我父掃羅知道了。」
Ary hoy izy tamin’ i Davida: Aza matahotra, fa tsy hahazo anao ny tànan’ i Saoly raiko; fa ianao no ho mpanjaka amin’ ny Isiraely, ary izaho no hanarakaraka anao, ary fantatr’ i Saoly raiko koa izany.
18 於是二人在耶和華面前立約。大衛仍住在樹林裏,約拿單回家去了。
Ary nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy; ary Davida dia nitoetra tany an’ ala, fa Jonatana kosa nankany an-tranony.
19 西弗人上到基比亞見掃羅,說:「大衛不是在我們那裏的樹林裏山寨中、曠野南邊的哈基拉山藏着嗎?
Ary niakatra nankany amin’ i Saoly tany Gibea ny Zifita ka nanao hoe: Tsy miery any aminay ao amin’ ny batery fiarovana any an’ ala, any amin’ ny havoana Hakila, izay atsimon’ ny efitra, va Davida?
20 王啊,請你隨你的心願下來,我們必親自將他交在王的手裏。」
Koa ankehitriny, ry mpanjaka, araka ny fanirian’ ny fonao hidina, dia midìna ianao, fa azonay hatolotra eo an-tànan’ ny mpanjaka izy.
21 掃羅說:「願耶和華賜福與你們,因你們顧恤我。
Ary hoy Saoly: Hotahin’ i Jehovah anie ianareo; fa ianareo namindra fo tamiko.
22 請你們回去,再確實查明他的住處和行蹤,是誰看見他在那裏,因為我聽見人說他甚狡猾。
Masìna ianareo, mandehana, hevero indray, ka tsongoy tsara ny diany, ary fantaro izay nahita azy tany; fa manao saina lalina dia lalina, hono, izy.
23 所以要看準他藏匿的地方,回來據實地告訴我,我就與你們同去。他若在猶大的境內,我必從千門萬戶中搜出他來。」
Koa izahao sy fantaro tsara ny fierena rehetra izay iereny, dia miverena etỳ amiko indray hilaza marimarina, ary izaho dia hiaraka aminareo; koa raha mitoetra amin’ ny tany izy, dia hotadiaviko eran’ ny arivon’ i Joda rehetra.
24 西弗人就起身,在掃羅以先往西弗去。 大衛和跟隨他的人卻在瑪雲曠野南邊的亞拉巴。
Dia niainga nankany Zifa ireo hialoha an’ i Saoly; fa Davida sy ny olony dia tany amin’ ny efitr’ i Maona, tamin’ ny tani-hay atsimon’ ny efitra.
25 掃羅和跟隨他的人去尋找大衛;有人告訴大衛,他就下到磐石,住在瑪雲的曠野。掃羅聽見,便在瑪雲的曠野追趕大衛。
Ary nandeha Saoly sy ny mpanompony hitady azy. Ary nolazaina tamin’ i Davida izany, ka dia nidina tany amin’ ny harambato izy ka nitoetra tany an-efitr’ i Maona. Ary nony ren’ i Saoly izany, dia nanenjika an’ i Davida tany an-efitr’ i Maona izy.
26 掃羅在山這邊走,大衛和跟隨他的人在山那邊走。大衛急忙躲避掃羅;因為掃羅和跟隨他的人,四面圍住大衛和跟隨他的人,要拿獲他們。
Ary Saoly nandeha tamin’ ny ilan’ ny tendrombohitra iray, fa Davida sy ny olony tamin’ ny ilany kosa; ary niezaka mafy handositra Davida noho ny tahony an’ i Saoly; fa Saoly sy ny olony saiky nahodidina an’ i Davida sy ny olony hisambotra azy.
27 忽有使者來報告掃羅說:「非利士人犯境搶掠,請王快快回去!」
Dia nisy iraka tonga tao amin’ i Saoly nanao hoe: Avia haingana ianao, fa ny Filistina efa manafika ny tany.
28 於是掃羅不追趕大衛,回去攻打非利士人。因此那地方名叫西拉‧哈瑪希羅結。
Dia niverina Saoly tamin’ ny nanenjehany an’ i Davida ary nandeha niady tamin’ ny Filistina; ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe: Sela-hamalekota.
29 大衛從那裏上去,住在隱‧基底的山寨裏。
Ary Davida niakatra niala teo ka nitoetra tao amin’ ny batery fiarovana tany En-jedy.

< 撒母耳記上 23 >