< 列王紀上 11 >

1 所羅門王在法老的女兒之外,又寵愛許多外邦女子,就是摩押女子、亞捫女子、以東女子、西頓女子、赫人女子。
Fa Solomona mpanjaka tia vehivavy maro hafa firenena, fa tsy ilay zanakavavin’ i Farao ihany, dia vehivavy Moabita sy Amonita sy Edomita sy Sidoniana ary Hetita,
2 論到這些國的人,耶和華曾曉諭以色列人說:「你們不可與她們往來相通,因為她們必誘惑你們的心去隨從她們的神。」所羅門卻戀愛這些女子。
dia vehivavy avy amin’ ny firenena izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin’ ireo no niraiketan’ ny fitiavan’ i Solomona.
3 所羅門有妃七百,都是公主;還有嬪三百。這些妃嬪誘惑他的心。
Ary dia nanana vady andriambavy fiton-jato sy vaditsindrano telonjato izy, ka nampivily ny fony ireo vadiny ireo.
4 所羅門年老的時候,他的妃嬪誘惑他的心去隨從別神,不效法他父親大衛誠誠實實地順服耶和華-他的上帝。
Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin’ ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
5 因為所羅門隨從西頓人的女神亞斯她錄和亞捫人可憎的神米勒公。
Fa Solomona nanaraka an’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Milkoma, fahavetavetan’ ny Amonita.
6 所羅門行耶和華眼中看為惡的事,不效法他父親大衛專心順從耶和華。
Ary Solomona nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka tsy mba tanteraka tamin’ ny fanarahana Azy tahaka an’ i Davida rainy.
7 所羅門為摩押可憎的神基抹和亞捫人可憎的神摩洛,在耶路撒冷對面的山上建築邱壇。
Ary tamin’ izany Solomona dia nanao fitoerana avo ho an’ i Kemosy, fahavetavetan’ i Moaba, teo amin’ ny havoana tandrifin’ i Jerosalema, ary ho an’ i Moloka, fahavetavetan’ ny taranak’ i Amona.
8 他為那些向自己的神燒香獻祭的外邦女子,就是他娶來的妃嬪也是這樣行。
Ary toy izany koa no nataony ho an’ izay vadiny hafa firenena rehetra, izay nandoro ditin-kazo manitra sy namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny.
9 耶和華向所羅門發怒,因為他的心偏離向他兩次顯現的耶和華-以色列的上帝。
Ary Jehovah tezitra tamin’ i Solomona noho ny nivilian’ ny fony niala tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay efa niseho taminy indroa
10 耶和華曾吩咐他不可隨從別神,他卻沒有遵守耶和華所吩咐的。
sady efa nandidy azy ny amin’ izany zavatra izany tsy hanaraka andriamani-kafa; nefa tsy nitandrina izay nandidian’ i Jehovah izy.
11 所以耶和華對他說:「你既行了這事,不遵守我所吩咐你守的約和律例,我必將你的國奪回,賜給你的臣子。
Ka dia hoy Jehovah tamin’ i Solomona: Satria efa tonga ao am-ponao izao, ka tsy notandremanao ny fanekeko sy ny didiko izay nandidiako anao, dia hendahako ho afaka aminao tokoa ny fanjakana ka homeko ny mpanomponao.
12 然而,因你父親大衛的緣故,我不在你活着的日子行這事,必從你兒子的手中將國奪回。
Kanefa kosa tsy hataoko amin’ ny andronao izany noho ny amin’ i Davida rainao; fa rehefa mby amin’ ny zanakao vao hendahako aminy.
13 只是我不將全國奪回,要因我僕人大衛和我所選擇的耶路撒冷,還留一支派給你的兒子。」
Nefa tsy dia hendahako avokoa ny fanjakana rehetra, fa mba homeko firenena iray ihany ny zanakao noho ny amin’ i Davida mpanompoko sy Jerosalema izay nofidiko.
14 耶和華使以東人哈達興起,作所羅門的敵人;他是以東王的後裔。
Ary Jehovah nanangana fahavalo hanohitra an’ i Solomona, dia Hadada Edomita, tamingan’ ny mpanjakan’ i Edoma.
15 先前大衛攻擊以東,元帥約押上去葬埋陣亡的人,將以東的男丁都殺了。
Fa rehefa nanafika an’ i Edoma Davida, ary Joaba, komandin’ ny miaramila, niakatra handevina ny maty ary efa namono ny lehilahy rehetra tany
16 約押和以色列眾人在以東住了六個月,直到將以東的男丁盡都剪除。
(fa enim-bolana no nitoeran’ i Joaba sy ny Isiraely rehetra tany Edoma mandra-pandringany ny lehilahy rehetra tany),
17 那時哈達還是幼童;他和他父親的臣僕,幾個以東人逃往埃及。
dia nandositra Hadada sy ny Edomita, sasany mpanompon-drainy izay nanaraka azy ka nankany Egypta; fa mbola zazalahy kely Hadada tamin’ izay.
18 他們從米甸起行,到了巴蘭;從巴蘭帶着幾個人來到埃及見埃及王法老;法老為他派定糧食,又給他房屋田地。
Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
19 哈達在法老面前大蒙恩惠,以致法老將王后答比匿的妹子賜他為妻。
Ary Hadada nahita fitia fatratra teo imason’ i Farao, ka dia ny rahavavin’ i Tapanesa, vadin’ ny mpanjaka, no nomeny ho vadiny.
20 答比匿的妹子給哈達生了一個兒子,名叫基努拔。答比匿使基努拔在法老的宮裏斷奶,基努拔就與法老的眾子一同住在法老的宮裏。
Ary ny rahavavin’ i Tapanesa niteraka zazalahy tamin’ i Hadada, dia Genobata, izay notazan’ i Tapanesa tao an-tranon’ i Farao; ary Genobata niara-nitoetra tamin’ ny zanakalahin’ i Farao tao an-dapa.
21 哈達在埃及聽見大衛與他列祖同睡,元帥約押也死了,就對法老說:「求王容我回本國去。」
Ary rehefa ren’ i Hadada tany Egypta fa Davida lasa nody mandry any amin’ ny razany, sady maty koa Joaba, komandin’ ny miaramila, dia hoy izy tamin’ i Farao: Alefaso aho hody any amin’ ny tanin-drazako.
22 法老對他說:「你在我這裏有甚麼缺乏,你竟要回你本國去呢?」他回答說:「我沒有缺乏甚麼,只是求王容我回去。」
Fa hoy Farao taminy: Fa inona moa no zavatra mahory anao atỳ amiko, no dia mitady hody any amin’ ny tanin-drazanao indray ianao? Ary hoy ny navaliny: Tsy misy mahory ahy tsy akory; nefa alefaso ihany aho.
23 上帝又使以利亞大的兒子利遜興起,作所羅門的敵人。他先前逃避主人瑣巴王哈大底謝。
Ary Andriamanitra nanangana fahavalo koa hanohitra an’ i Solomona, dia Rezona, zanak’ i Eliada, izay efa nandositra an’ i Hadadezera tompony, mpanjakan’ i Zoba.
24 大衛擊殺 瑣巴人的時候,利遜招聚了一群人,自己作他們的頭目,往大馬士革居住,在那裏作王。
Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin’ ny namonoan’ i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
25 所羅門活着的時候,哈達為患之外,利遜也作以色列的敵人。他恨惡以色列人,且作了亞蘭人的王。
Ary izy koa dia fahavalon’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Solomona rehetra ka nanampy ny ratsy izay nataon’ i Hadada; eny, nankahala ny Isiraely izy ary nanjaka tany Syria.
26 所羅門的臣僕、尼八的兒子耶羅波安也舉手攻擊王。他是以法蓮支派的洗利達人,他母親是寡婦,名叫洗魯阿。
Ary Jerobeama, zanak’ i Nebata, Efraimita avy any Zareda, mpanompon’ i Solomona (Zeroa no anaran-dreniny, vehivavy mpitondratena), dia nanainga tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka.
27 他舉手攻擊王的緣故,乃由先前所羅門建造米羅,修補他父親大衛城的破口。
Ary izao no fototry ny nanaingany tanàna hikomy tamin’ ny mpanjaka: Solomona nanorina an’ i Milo ary nanampina ny lohasaha tao an-Tanànan’ i Davida rainy;
28 耶羅波安是大有才能的人。所羅門見這少年人殷勤,就派他監管約瑟家的一切工程。
ary Jeroboama dia lehilahy mahay; koa nony hitan’ i Solomona fa zatovo mahavita raharaha izy, dia nataony mpifehy ny taranak’ i Josefa tamin’ ny fanompoany rehetra.
29 一日,耶羅波安出了耶路撒冷,示羅人先知亞希雅在路上遇見他; 亞希雅身上穿着一件新衣。他們二人在田野,以外並無別人。
Ary tamin’ izany andro izany, raha nivoa: ka avy tany Jerosalema Jeroboama, dia nahita azy teny an-dalana Ahia Silonita mpaminany; ary Ahia nitafy lamba vaovao, ary izy roa lahy ihany no tany an-tsaha.
30 亞希雅將自己穿的那件新衣撕成十二片,
Dia noraisin’ i Ahia ny lamba vaovao-izay notafiny, ka notriatriariny ho roa ambin’ ny folo.
31 對耶羅波安說:「你可以拿十片。耶和華-以色列的上帝如此說:『我必將國從所羅門手裏奪回,將十個支派賜給你。(
Ary hoy izy tamin’ i Jeroboama: Raiso ho anao ny tapatapany folo; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, Izaho efa hanendaka ny fanjakana ho afaka amin’ ny tànan’ i Solomona, ary homeko anao ny firenena folo
32 我因僕人大衛和我在以色列眾支派中所選擇的耶路撒冷城的緣故,仍給所羅門留一個支派。)
(nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin’ i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely),
33 因為他離棄我,敬拜西頓人的女神亞斯她錄、摩押的神基抹,和亞捫人的神米勒公,沒有遵從我的道,行我眼中看為正的事,守我的律例典章,像他父親大衛一樣。
satria efa nahafoy Ahy izy ka niankohoka teo anatrehan’ i Astarta, andriamani-bavin’ ny Sidoniana, sy Kemosy andriamanitr’ i Moaba, ary Milkoma, andriamanitry ny taranak’ i Amona, fa tsy nandeha tamin’ ny lalako hanao izay mahitsy eo imasoko sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko tahaka an’ i Davida rainy.
34 但我不從他手裏將全國奪回;使他終身為君,是因我所揀選的僕人大衛謹守我的誡命律例。
Nefa tsy hesoriko eo an-tanany avokoa ny fanjakana rehetra; fa hampitoeriko ho mpanjaka ihany izy amin’ ny andro rehetra hiainany noho ny amin’ i Davida mpanompoko izay nofidiko, satria izy nitandrina ny lalàko sy ny didiko;
35 我必從他兒子的手裏將國奪回,以十個支派賜給你,
fa hesoriko eo an-tànan’ ny zanany kosa ny fanjakana ka homeko anao, nefa ny firenena folo ihany.
36 還留一個支派給他的兒子,使我僕人大衛在我所選擇立我名的耶路撒冷城裏,在我面前長有燈光。
Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an’ i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
37 我必揀選你,使你照心裏一切所願的,作王治理以色列。
Ary ianao no halaiko, ka hanjaka amin’ izay rehetra irin’ ny fanahinao ary ho mpanjaka amin’ ny Isiraely.
38 你若聽從我一切所吩咐你的,遵行我的道,行我眼中看為正的事,謹守我的律例誡命,像我僕人大衛所行的,我就與你同在,為你立堅固的家,像我為大衛所立的一樣,將以色列人賜給你。
Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin’ ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon’ i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’ i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.
39 我必因所羅門所行的使大衛後裔受患難,但不至於永遠。』」
Ary hampietry ny taranak’ i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
40 所羅門因此想要殺耶羅波安。耶羅波安卻起身逃往埃及;到了埃及王示撒那裏,就住在埃及,直到所羅門死了。
Ary Solomona nitady hamono an’ i Jeroboama. Fa Jeroboama niainga, dia nandositra nankany Egypta ho any amin’ i Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, ka nitoetra tany mandra-pahafatin’ i Solomona.
41 所羅門其餘的事,凡他所行的和他的智慧都寫在所羅門記上。
Ary ny tantaran’ i Solomona sisa mbamin’ izay rehetra nataony ary ny fahendreny, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ i Solomona va izany?
42 所羅門在耶路撒冷作以色列眾人的王共四十年。
Ary ny andro nanjakan’ i Solomona tamin’ ny Isiraely rehetra tany Jerosalema dia efa-polo taona.
43 所羅門與他列祖同睡,葬在他父親大衛的城裏。他兒子羅波安接續他作王。
Ary Solomona lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Rehoboama zanany no nanjaka nandimby azy.

< 列王紀上 11 >