< 歷代志上 19 >

1 此後,亞捫人的王拿轄死了,他兒子接續他作王。
Ary rehefa afaka izany, dia maty Nahasy, mpanjakan’ ny taranak’ i Amona, ary ny zanany no nanjaka nandimby azy.
2 大衛說:「我要照哈嫩的父親拿轄厚待我的恩典厚待哈嫩。」於是大衛差遣使者為他喪父安慰他。大衛的臣僕到了亞捫人的境內見哈嫩,要安慰他,
Ary hoy Davida: Hanisy soa an’ i Hanona, zanak’ i Nahasy, aho, fa soa no nataon’ ny rainy tamiko. Ary Davida naniraka olona hitsapa alahelo azy noho ny amin-drainy. Ary tonga tany amin’ i Hanona tany amin’ ny tanin’ ny Amonita ny mpanompon’ i Davida hitsapa alahelo azy.
3 但亞捫人的首領對哈嫩說:「大衛差人來安慰你,你想他是尊敬你父親嗎?他的臣僕來見你不是為詳察窺探、傾覆這地嗎?」
Ary hoy ireo mpanapaka ny taranak’ i Amona tamin’ i Hanona: Moa ataonao ho fanajana ny rainao no anirahan’ i Davida hitsapa alahelo anao? Fa tsy hizaha sy handrava ary hisafo ny tany va no nalehan’ ireo mpanompony ireo atỳ aminao?
4 哈嫩便將大衛臣僕的鬍鬚剃去一半,又割斷他們下半截的衣服,使他們露出下體,打發他們回去。
Dia nosamborin’ i Hanona ny mpanompon’ i Davida ka noharatany, sady nofolonany hatreo amin’ ny foto-peny ny akanjony, ka dia nalefany hody izy.
5 有人將臣僕所遇的事告訴大衛,他就差人去迎接他們,因為他們甚覺羞恥;告訴他們說:「可以住在耶利哥,等到鬍鬚長起再回來。」
Ary dia nisy lasa nanambara tamin’ i Davida izay natao tamin’ ireo lehilahy ireo; ary izy naniraka hitsena azy, fa afa-baraka loatra izy, ka dia hoy ny mpanjaka: Mitoera any Jeriko aloha ambara-panirin’ ny somotrareo, vao mody ianareo.
6 亞捫人知道大衛憎惡他們,哈嫩和亞捫人就打發人拿一千他連得銀子,從美索不達米亞、亞蘭、瑪迦、瑣巴雇戰車和馬兵,
Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa nanao izay nampangidy hoditra azy tamin’ i Davida izy, dia naniraka nampanatitra talenta volafotsy arivo hakaramany kalesy sy mpitaingin-tsoavaly any Mesopotamia sy Syriamaka ary Zoba Hanona sy ny taranak’ i Amona.
7 於是雇了三萬二千輛戰車和瑪迦王並他的軍兵;他們來安營在米底巴前。亞捫人也從他們的城裏出來,聚集交戰。
Dia nanakarama kalesy roa arivo amby telo alina mbamin’ ny mpanjakan’ i Maka sy ny olony izy; ary tonga ireo ka nitoby tandrifin’ i Medeba. Ary nivory ny taranak’ Amona niala tany amin’ ny tanànany avy ka tamy hiady.
8 大衛聽見了,就差派約押統帶勇猛的全軍出去。
Ary nony ren’ i Davida izany, dia naniraka an’ i Joaba sy ny miaramila rehetra izy, dia ny lehilahy mahery.
9 亞捫人出來在城門前擺陣,所來的諸王另在郊野擺陣。
Ary ny taranak’ i Amona nivoaka ka nilahatra hiady teo anoloan’ ny vavahadin’ ny tanàna; fa ireo mpanjaka tonga ireo kosa dia nitokana teny an-tsaha.
10 約押看見敵人在他前後擺陣,就從以色列軍中挑選精兵,使他們對着亞蘭人擺陣;
Ary rehefa hitan’ i Joaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny fahavalo, dia nifidy olona tamin’ ireo voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra izy, ka nalahany hiady tamin’ ny Syriana.
11 其餘的兵交與他兄弟亞比篩,對着亞捫人擺陣。
Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin’ i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin’ ny taranak’ i Amona ireo.
12 約押對亞比篩說:「亞蘭人若強過我,你就來幫助我;亞捫人若強過你,我就去幫助你。
Ary hoy Joaba: Raha tsy tohako ny Syriana, dia vonjeo aho; fa raha tsy tohanao kosa ny taranak’ i Amona, dia hovonjeko ianao;
13 我們都當剛強,為本國的民和上帝的城邑作大丈夫,願耶和華憑他的意旨而行。」
mahereza, ary aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ireo tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
14 於是約押和跟隨他的人前進攻打亞蘭人;亞蘭人在約押面前逃跑。
Ary nandroso hiady tamin’ ny Syriana Joaba sy ny olona nanaraka azy; ka dia nandositra niala teo anoloany ireo.
15 亞捫人見亞蘭人逃跑,他們也在約押的兄弟亞比篩面前逃跑進城。約押就回耶路撒冷去了。
Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa nandositra ny Syriana, dia mba nandositra niala teo anoloan’ i Abisay, rahalahin’ i Joaba, koa izy ka niditra tao an-tanàna. Ary dia tonga tany Jerosalema Joaba.
16 亞蘭人見自己被以色列人打敗,就打發使者將大河那邊的亞蘭人調來,哈大利謝的將軍朔法率領他們。
Ary nony hitan’ ny Syriana fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin’ ny Ony; ary Sobaka, komandin’ ny miaramilan’ i Hadarezera, no nitarika azy.
17 有人告訴大衛,他就聚集以色列眾人過約旦河,來到亞蘭人那裏,迎着他們擺陣。大衛既擺陣攻擊亞蘭人,亞蘭人就與他打仗。
Ary nony nambara tamin i Davida izany, dia namory ny Isiraely rehetra izy ka lasa nita an’ i Jordana, dia tonga teo aminy ka nilahatra hiady aminy. Ary nony nilahatra hiady amin’ ny Syriana Davida, dia niady taminy ireo.
18 亞蘭人在以色列人面前逃跑。大衛殺了亞蘭七千輛戰車的人,四萬步兵,又殺了亞蘭的將軍朔法。
Fa vaky nandositra teo anoloan’ ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny teo amin’ ny kalesy fito arivo sy miaramila an-tongotra efatra alina tamin’ ny Syriana Davida; ary matiny koa Sobaka, komandin’ ny miaramila.
19 屬哈大利謝的諸王見自己被以色列人打敗,就與大衛和好,歸服他。於是亞蘭人不敢再幫助亞捫人了。
Ary nony hitan’ ireo nanoa an’ i Hadarezera fa resy teo anoloan’ ny Isiraely izy, dia nanao fihavanana tamin’ i Davida izy ka nanompo azy; ary tsy nety nanampy ny taranak’ i Amona intsony ny Syriana.

< 歷代志上 19 >