< 歷代志上 15 >

1 大衛在大衛城為自己建造宮殿,又為上帝的約櫃預備地方,支搭帳幕。
Ary Davida nanao trano ho azy tao an-Tanànan’ i Davida sady namboatra fitoerana sy nanorin-day ho an’ ny fiaran’ Andriamanitra.
2 那時大衛說:「除了利未人之外,無人可抬上帝的約櫃;因為耶和華揀選他們抬上帝的約櫃,且永遠事奉他。」
Ary tamin’ izay dia hoy Davida: Tsy misy tokony hitondra ny fiaran’ Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany, satria izy no efa nofidin’ i Jehovah hitondra ny fiaran’ Andriamanitra sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy mandrakizay.
3 大衛招聚以色列眾人到耶路撒冷,要將耶和華的約櫃抬到他所預備的地方。
Dia novorin’ i Davida tany Jerosalema ny Isiraely rehetra hampakatra ny fiaran’ i Jehovah ho any amin’ ny fitoerana izay namboariny ho azy.
4 大衛又聚集亞倫的子孫和利未人。
Ary novorin’ i Davida ny taranak’ i Arona sy ny Levita:
5 哥轄子孫中有族長烏列和他的弟兄一百二十人。
tamin’ ny taranak’ i Kehata dia Oriela lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby zato;
6 米拉利子孫中有族長亞帥雅和他的弟兄二百二十人。
tamin’ ny taranak’ i Merary dia Asaia lehibeny sy ny rahalahiny roa-polo amby roan-jato;
7 革順子孫中有族長約珥和他的弟兄一百三十人。
tamin’ ny taranak’ i Gersona dia Joela lehibeny sy ny rahalahiny telo-polo amby zato;
8 以利撒反子孫中有族長示瑪雅和他的弟兄二百人。
tamin’ ny taranak’ i Elizafana dia Semaia lehibeny sy ny rahalahiny roan-jato;
9 希伯崙子孫中有族長以列和他的弟兄八十人。
tamin’ ny taranak’ i Hebrona dia Eliala lehibeny sy ny rahalahiny valo-polo,
10 烏薛子孫中有族長亞米拿達和他的弟兄一百一十二人。
tamin’ ny taranak’ i Oziela dia Aminadaba lehibeny sy ny rahalahiny roa ambin’ ny folo amby zato.
11 大衛將祭司撒督和亞比亞他,並利未人烏列、亞帥雅、約珥、示瑪雅、以列、亞米拿達召來,
Ary Davida niantso an’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona sy ny Levita, dia Oriela sy Asaia sy Joela sy Semaia sy Eliala ary Aminadaba,
12 對他們說:「你們是利未人的族長,你們和你們的弟兄應當自潔,好將耶和華-以色列上帝的約櫃抬到我所預備的地方。
ka nanao taminy hoe: Hianareo lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, mba hampakaranareo ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho ao amin’ ilay namboariko ho azy.
13 因你們先前沒有抬這約櫃,按定例求問耶和華-我們的上帝,所以他刑罰我們。」
Satria tsy ianareo no tamin’ ilay teo, dia nasian’ i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.
14 於是祭司利未人自潔,好將耶和華-以色列上帝的約櫃抬上來。
Dia nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita hampakatra ny fiaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
15 利未子孫就用槓,肩抬上帝的約櫃,是照耶和華藉摩西所吩咐的。
Ary ny Levita nilanja ny fiaran’ Andriamanitra tamin’ ny hazo, tahaka ny nandidian’ i Mosesy araka ny tenin’ i Jehovah.
16 大衛吩咐利未人的族長,派他們歌唱的弟兄用琴瑟和鈸作樂,歡歡喜喜地大聲歌頌。
Ary ireo lehiben’ ny Levita dia nasain’ i Davida nanendry ny mpihira rahalahiny hitondra ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary hampaneno ny kipantsona, mba hanandra-peo amin’ ny fifaliana.
17 於是利未人派約珥的兒子希幔和他弟兄中比利家的兒子亞薩,並他們族弟兄米拉利子孫裏古沙雅的兒子以探。
Ka dia notendren’ ny Levita Hemana, zanak’ i Joela; ary tamin’ ny rahalahiny dia Asafa, zanak’ i Berekia; ary tamin’ ny taranak’ i Merary rahalahiny dia Etana, zanak’ i Kosaia;
18 其次還有他們的弟兄撒迦利雅、便雅薛、示米拉末、耶歇、烏尼、以利押、比拿雅、瑪西雅、瑪他提雅、以利斐利戶、彌克尼雅,並守門的俄別‧以東和耶利。
ary naman’ ireo ihany koa ny rahalahiny manarakaraka, dia Zakaria sy Bena sy Jaziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Benaia sy Mahaseia sy Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma ary Jeiela, mpiandry varavarana.
19 這樣,派歌唱的希幔、亞薩、以探敲銅鈸,大發響聲;
Ary Hemana sy Asafa ary Etana mpihira dia nasaina nitondra kipantsona varahina hampanenoina.
20 派撒迦利雅、雅薛、示米拉末、耶歇、烏尼、以利押、瑪西雅、比拿雅鼓瑟,調用女音;
Ary Zakaria sy Aziela sy Semiramota sy Jehiela sy Ony sy Eliaba sy Mahaseia sy Benaia no nasaina nitendry valiha tamin’ ny Alamota.
21 又派瑪他提雅、以利斐利戶、彌克尼雅、俄別‧以東、耶利、亞撒西雅領首彈琴,調用第八。
Ary Matitia sy Elifeleho sy Mikneia sy Obed-edoma sy Jeiela ary Azazia no nasaina nitendry ny lokanga tamin’ ny Seminita ho mpitarika.
22 利未人的族長基拿尼雅是歌唱人的首領,又教訓人歌唱,因為他精通此事。
Ary Kenania, lehiben’ ny Levita, no tonian’ ny fitondrana; ary nampianatra ny fitondrana izy, fa nahay.
23 比利家、以利加拿是約櫃前守門的。
Ary Berekia sy Elikana no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
24 祭司示巴尼、約沙法、拿坦業、亞瑪賽、撒迦利雅、比拿亞、以利以謝在上帝的約櫃前吹號。俄別‧以東和耶希亞也是約櫃前守門的。
Ary Sebania sy Josafata sy Netanela sy Amasay sy Zakaria sy Benaia ary Eliezera, izay samy mpisorona, no nitsoka ny trompetra teo alohan’ ny fiaran’ Andriamanitra, ary Obed-edoma sy Jehia koa no mpiandry varavarana amin’ ny fiara.
25 於是,大衛和以色列的長老,並千夫長都去從俄別‧以東的家歡歡喜喜地將耶和華的約櫃抬上來。
Ary Davida sy ny loholon’ ny Isiraely mbamin’ ny mpifehy arivo no nandeha hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy tao an-tranon’ i Obed-edoma tamin’ ny fifaliana.
26 上帝賜恩與抬耶和華約櫃的利未人,他們就獻上七隻公牛,七隻公羊。
Ary rehefa nomban’ Andriamanitra ny Levita izay nilanja ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia namono vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito hatao fanatitra izy.
27 大衛和抬約櫃的利未人,並歌唱人的首領基拿尼雅,以及歌唱的人,都穿着細麻布的外袍;大衛另外穿着細麻布的以弗得。
Ary niakanjo akanjo rongony fotsy madinika Davida, ary niakanjo toy izany koa ny Levita rehetra izay nitondra ny fiara ary ny mpihira sy Kenania, tonian’ ny fitondrana, mbamin’ ny mpihira; ary Davida nisalotra efoda rongony fotsy koa.
28 這樣,以色列眾人歡呼吹角、吹號、敲鈸、鼓瑟、彈琴,大發響聲,將耶和華的約櫃抬上來。
Toy izany no nampakaran’ ny Isiraely rehetra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah tamin’ ny fihobiana sy ny feon’ ny anjomara sy ny trompetra ary ny kipantsona sy tamin’ ny fitendrena ny valiha sy ny lokanga.
29 耶和華的約櫃進了大衛城的時候,掃羅的女兒米甲從窗戶裏觀看,見大衛王踴躍跳舞,心裏就輕視他。
Ary nony tonga tao an-Tanànan’ i Davida ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, dia nitsirika teo am-baravarankely Mikala, zanakavavin’ i Saoly, ka nahita an’ i Davida mpanjaka nibitaka sy nitsinjaka; ka dia nikizaka azy tao am-pony izy.

< 歷代志上 15 >