< 诗篇 109 >
1 大卫的诗,交与伶长。 我所赞美的 神啊, 求你不要闭口不言。
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.
2 因为恶人的嘴和诡诈人的口已经张开攻击我; 他们用撒谎的舌头对我说话。
Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin’ ny lela mandainga izy.
Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy.
Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka.
Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana.
6 愿你派一个恶人辖制他, 派一个对头站在他右边!
Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.
7 他受审判的时候, 愿他出来担当罪名! 愿他的祈祷反成为罪!
Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana.
Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan’ olon-kafa ny anjara raharahany.
Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny
10 愿他的儿女漂流讨饭, 从他们荒凉之处出来求食!
Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy.
11 愿强暴的债主牢笼他一切所有的! 愿外人抢他劳碌得来的!
Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany.
Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty.
Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin’ ny taranaka mandimby ny anarany.
14 愿他祖宗的罪孽被耶和华记念! 愿他母亲的罪过不被涂抹!
Aoka hotsarovan’ i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny.
15 愿这些罪常在耶和华面前, 使他的名号断绝于世!
Aoka ho eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin’ ny tany anie ny fahatsiarovana azy.
16 因为他不想施恩, 却逼迫困苦穷乏的和伤心的人, 要把他们治死。
Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy;
17 他爱咒骂,咒骂就临到他; 他不喜爱福乐,福乐就与他远离!
Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany.
18 他拿咒骂当衣服穿上; 这咒骂就如水进他里面, 像油入他的骨头。
Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin’ ny taolany tahaka ny diloilo;
Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva.
20 这就是我对头和用恶言议论我的人 从耶和华那里所受的报应。
Izany no famaliana avy amin’ i Jehovah ho an’ ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy.
21 主—耶和华啊,求你为你的名恩待我; 因你的慈爱美好,求你搭救我!
Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao.
Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko.
Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho.
24 我因禁食,膝骨软弱; 我身上的肉也渐渐瘦了。
Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin’ ny nofoko.
Ary izaho dia tonga fandatsan’ ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha.
26 耶和华—我的 神啊,求你帮助我, 照你的慈爱拯救我,
Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho;
27 使他们知道这是你的手, 是你—耶和华所行的事。
Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany.
28 任凭他们咒骂,惟愿你赐福; 他们几时起来就必蒙羞, 你的仆人却要欢喜。
Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao.
29 愿我的对头披戴羞辱! 愿他们以自己的羞愧为外袍遮身!
Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba.
30 我要用口极力称谢耶和华; 我要在众人中间赞美他;
Hidera an’ i Jehovah indrindra amin’ ny vavako aho; Eny, eo amin’ ny olona maro no hiderako Azy.
31 因为他必站在穷乏人的右边, 要救他脱离审判他灵魂的人。
Fa mitsangana eo ankavanan’ ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin’ izay manameloka ny fanahiny.