< 诗篇 105 >
1 你们要称谢耶和华,求告他的名, 在万民中传扬他的作为!
Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ataovy fantatra any amin’ ny firenena ny asany.
Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
3 要以他的圣名夸耀! 寻求耶和华的人,心中应当欢喜!
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny Katsaho mandrakariva ny tavany.
5 他仆人亚伯拉罕的后裔, 他所拣选雅各的子孙哪, 你们要记念他奇妙的作为和他的奇事, 并他口中的判语。
Tsarovy ny asa mahagaga natao-ny Dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,
Ry taranak’ i Abrahama mpanom-pony, Dia ianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.
Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
8 他记念他的约,直到永远; 他所吩咐的话,直到千代—
Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,
Eny, ilay nataony tamin’ i Abrahama, Sy ny fianianany tamin’ Isaka;
10 他又将这约向雅各定为律例, 向以色列定为永远的约,
Izay naoriny ho lalana ho an’ i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,
Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina,
12 当时,他们人丁有限,数目稀少, 并且在那地为寄居的。
Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,
Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,
14 他不容什么人欺负他们, 为他们的缘故责备君王,
Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
15 说:不可难为我受膏的人, 也不可恶待我的先知。
Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
16 他命饥荒降在那地上, 将所倚靠的粮食全行断绝,
Dia niantso ny mosary ho amin’ ny tany Izy; Notapahiny avokoa ny mofo rehetra, izay tohan’ aina;
Naniraka lehilahy hialoha azy Izy; Josefa namidy ho andevo;
Nampijaliny tamin’ ny fatorana ny tongony; Nogadrany vy izy.
Mandra-pahatongan’ ny fotoana hahatanterahan’ ny teniny; Nizaha toetra azy ny tenin’ i Jehovah.
20 王打发人把他解开, 就是治理众民的,把他释放,
Naniraka ny mpanjaka hamaha azy, Eny, ny mpanapaka ny vahoaka, mba handefa azy.
Nanao azy ho tompon’ ny tranony izy Sy ho mpanapaka ny fananany rehetra,
22 使他随意捆绑他的臣宰, 将智慧教导他的长老。
Mba hamatotra ny mpanapaka araka ny sitrapony, Sy hampianatra fahendrena ny loholony.
Ary Isiraely nankany Egypta; Eny, Jakoba nivahiny tany amin’ ny tanin’ i Hama.
24 耶和华使他的百姓生养众多, 使他们比敌人强盛,
Dia nahamaro ny taranaky ny olony ho be indrindra Izy ka nampahery azy noho ny fahavalony.
25 使敌人的心转去恨他的百姓, 并用诡计待他的仆人。
Nampiova ny fon’ ireny hankahala ny olony Izy Sy hihendry ny mpanompony.
Naniraka an’ i Mosesy mpanompony Sy Arona izay nofidiny Izy.
Ary izy ireo nanao ny famantarany teo aminy Sy fahagagana tany amin’ ny tanin’ i Hama.
Nahatonga aizina Izy ka nahamaizina; Ary tsy nandà ny teniny izy ireo.
Nahatonga ny ranony ho rà Izy Ka nahafaty ny hazandranony.
30 在他们的地上以及王宫的内室, 青蛙多多滋生。
Nisy sahona betsaka ny taniny, Eny, na dia hatrao an-trano fandrian’ ny mpanjakany aza.
31 他说一声,苍蝇就成群而来, 并有虱子进入他们四境。
Niteny Izy, dia tonga ny lalitra betsaka Sy ny moka teny amin’ ny faritaniny rehetra.
32 他给他们降下冰雹为雨, 在他们的地上降下火焰。
Nahatonga havandra ho solon’ ny ranonorana Izy Sy afo midedadeda teny amin’ ny taniny.
33 他也击打他们的葡萄树和无花果树, 毁坏他们境内的树木。
Namely ny voalobony sy ny aviaviny Izy Ka nanapatapaka ny hazo teo amin’ ny taniny.
Niteny Izy, dia tonga ny valala Sy ny sompanga tsy hita isa;
Dia nihinana ny zava-maitso rehetra teny amin’ ny taniny ireny Ka nandany ny vokatry ny taniny.
36 他又击杀他们国内一切的长子, 就是他们强壮时头生的。
Ary namely ny lahimatoa rehetra tany amin’ ny taniny Izy, Dia ny voalohan’ ainy rehetra.
37 他领自己的百姓带银子金子出来; 他支派中没有一个软弱的。
Ary dia nitondra ny olony nivoaka Izy sady nampahazo azy volafotsy sy volamena; Ary tsy nisy nangozohozo na dia iray akory aza tamin’ ny fireneny.
38 他们出来的时候,埃及人便欢喜; 原来埃及人惧怕他们。
Faly Egypta tamin’ ny nahalasanany; Fa efa nahazo azy ny fahatahorana ireo.
Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
40 他们一求,他就使鹌鹑飞来, 并用天上的粮食叫他们饱足。
Nangataka izy ireo, dia nahatonga papelika Izy, Ary mofon-danitra no namokisany azy.
41 他打开磐石,水就涌出; 在干旱之处,水流成河。
Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ ny tany maina ho renirano.
Fa nahatsiaro ny teniny masìna Sy Abrahama mpanompony Izy,
Dia nitondra ny olony nivoaka tamin’ ny fifaliana Izy Ary ny voafidiny tamin’ ny fihobiana;
44 他将列国的地赐给他们, 他们便承受众民劳碌得来的,
Ka dia nanome azy ny tanin’ ny jentilisa Izy; Ary nandova ny vitan’ ny firenena maro ireny,
45 好使他们遵他的律例, 守他的律法。 你们要赞美耶和华!
Mba hitandremany ny didiny, Sy hankatoavany ny lalàny. Haleloia.