< 民数记 16 >

1 利未的曾孙、哥辖的孙子、以斯哈的儿子可拉,和吕便子孙中以利押的儿子大坍、亚比兰,与比勒的儿子安,
Ary Kora, zanak’ i Jizara, zanak’ i Kehata, zanak’ i Levy, ary Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba, sy Ona, zanak’ i Peleta, izay samy taranak’ i Robena, dia nandrendri-bahoaka,
2 并以色列会中的二百五十个首领,就是有名望选入会中的人,在摩西面前一同起来,
ka nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy izy ireo sy ny Zanak’ Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan’ ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin’ ny fiangonana sady nanan-daza;
3 聚集攻击摩西、亚伦,说:“你们擅自专权!全会众个个既是圣洁,耶和华也在他们中间,你们为什么自高,超过耶和华的会众呢?”
koa niangona hiodina amin’ i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masìna avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ ny fiangonan’ i Jehovah ianareo?
4 摩西听见这话就俯伏在地,
Ary raha nandre izany Mosesy, dia niankohoka izy
5 对可拉和他一党的人说:“到了早晨,耶和华必指示谁是属他的,谁是圣洁的,就叫谁亲近他;他所拣选的是谁,必叫谁亲近他。
ka niteny tamin’ i Kora sy ny namany rehetra nanao hoe: Rahampitso dia hasehon’ i Jehovah izay Azy sy izay masìna ka hampanakekeny Azy; dia izay fidiny no hampanakekeny Azy.
6 可拉啊,你们要这样行,你和你的一党要拿香炉来。
Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran’ afo ho anareo rahampitso.
7 明日,在耶和华面前,把火盛在炉中,把香放在其上。耶和华拣选谁,谁就为圣洁。你们这利未的子孙擅自专权了!”
dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan’ i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin’ i Jehovah, dia izy no ho masìna; fa aoka izay ianareo, ry taranak’ i Levy!
8 摩西又对可拉说:“利未的子孙哪,你们听我说!
Dia hoy koa Mosesy tamin’ i Kora: Henoy, ry taranak’ i Levy:
9 以色列的 神从以色列会中将你们分别出来,使你们亲近他,办耶和华帐幕的事,并站在会众面前替他们当差。
Moa ataonareo ho zavatra kely va ny nampisarahan’ Andriamanitry ny Isiraely anareo tamin’ ny fiangonan’ ny Isiraely hitondrany anareo ho akaiky Azy, hanaovanareo ny fanompoam-pivavahana momba ny tabernakelin’ i Jehovah sy hitoeranareo eo anatrehan’ ny fiangonana hanompo azy?
10 耶和华又使你和你一切弟兄—利未的子孙—一同亲近他,这岂为小事?你们还要求祭司的职任吗?
Dia napanakekeny Azy ianao sy ny rahalahinao taranak’ i Levy rehetra miaraka aminao, ary mitady ho mpisorona koa va ianareo?
11 你和你一党的人聚集是要攻击耶和华。亚伦算什么,你们竟向他发怨言呢?”
Ary noho izany ianao sy ny namanao rehetra dia tafangona hiodina amin’ i Jehovah; fa Arona moa no inona, no imonomononanareo?
12 摩西打发人去召以利押的儿子大坍、亚比兰。他们说:“我们不上去!
Ary Mosesy naniraka nampaka an’ i Datana sy Abìrama, zanak’ i Eliaba; fa hoy izy roa lahy: Tsy hiakatra izahay.
13 你将我们从流奶与蜜之地领上来,要在旷野杀我们,这岂为小事?你还要自立为王辖管我们吗?
Moa zavatra kely va ny nitondranao anay niakatra niala tany amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely hahafaty anay atỳ an-efitra, no dia manao anao ho lehibenay koa ianao?
14 并且你没有将我们领到流奶与蜜之地,也没有把田地和葡萄园给我们为业。难道你要剜这些人的眼睛吗?我们不上去!”
Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason’ ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.
15 摩西就甚发怒,对耶和华说:“求你不要享受他们的供物。我并没有夺过他们一匹驴,也没有害过他们一个人。”
Dia tezitra indrindra Mosesy ka nanao tamin’ i Jehovah hoe: Aza mijery ny fanatiny akory Hianao; tsy naka na dia boriky iray akory aza taminy aho, ary tsy nanisy ratsy na dia tamin’ ny anankiray aminy akory aza.
16 摩西对可拉说:“明天,你和你一党的人,并亚伦,都要站在耶和华面前;
Dia hoy Mosesy tamin’ i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan’ i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.
17 各人要拿一个香炉,共二百五十个,把香放在上面,到耶和华面前。你和亚伦也各拿自己的香炉。”
Ary samia maka ny fitondrana fony avy ianareo rehetra, ka asio ditin-kazo manitra eo anatiny, ary samia mitondra ny fitondran’ afony avy ianareo rehetra ho eo anatrehan’ i Jehovah, dia fitondran’ afo dimam-polo amby roan-jato; dia ianao sy Arona samy hitondra ny fitondran’ afony avy.
18 于是他们各人拿一个香炉,盛上火,加上香,同摩西、亚伦站在会幕门前。
Ary samy naka ny fitondran’ afony avy izy rehetra ka nanisy afo teo anatiny, dia nanisy ditin-kazo manitra teo anatiny; ary nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana izy mbamin’ i Mosesy sy Arona.
19 可拉招聚全会众到会幕门前,要攻击摩西、亚伦;耶和华的荣光就向全会众显现。
Ary Kora nanangona ny namany rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hanohitra azy roa lahy; dia niseho tamin’ ny fiangonana rehetra ny voninahitr’ i Jehovah.
20 耶和华晓谕摩西、亚伦说:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
21 “你们离开这会众,我好在转眼之间把他们灭绝。”
Mihataha amin’ ity fiangonana ity ianareo handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja.
22 摩西、亚伦就俯伏在地,说:“神,万人之灵的 神啊,一人犯罪,你就要向全会众发怒吗?”
Dia niankohoka izy roa lahy ka nanao hoe: Andriamanitra ô, Andriamanitry ny fanahin’ ny nofo rehetra, olona iray no nanota, ka ho tezitra amin’ ny fiangonana rehetra va Hianao?
23 耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
24 “你吩咐会众说:‘你们离开可拉、大坍、亚比兰帐棚的四围。’”
Mitenena amin’ ny fiangonana, ka lazao hoe: Mihataha tsy hanodidina ny lain’ i Kora sy Datana ary Abìrama.
25 摩西起来,往大坍、亚比兰那里去;以色列的长老也随着他去。
Dia nitsangana Mosesy ka nankeo amin’ i Datana sy Abìrama; ary nanaraka azy ny loholon’ ny Isiraely.
26 他吩咐会众说:“你们离开这恶人的帐棚吧,他们的物件,什么都不可摸,恐怕你们陷在他们的罪中,与他们一同消灭。”
Dia niteny tamin’ ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin’ ny lain’ ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.
27 于是众人离开可拉、大坍、亚比兰帐棚的四围。大坍、亚比兰带着妻子、儿女、小孩子,都出来,站在自己的帐棚门口。
Dia nihataka ny olona mba tsy ho eo akaikin’ ny lain’ i Kora sy Datana ary Abìrama; ary Datana sy Abìrama nivoaka ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lainy mbamin’ ny vadiny sy ny zananilahy ary ny zanany madinika.
28 摩西说:“我行的这一切事本不是凭我自己心意行的,乃是耶和华打发我行的,必有证据使你们知道。
Dia hoy Mosesy: Izao no hahafantaranareo fa Jehovah no naniraka ahy hanao ireny asa rehetra ireny, fa tsy avy tamin’ ny saiko izany:
29 这些人死若与世人无异,或是他们所遭的与世人相同,就不是耶和华打发我来的。
Raha maty toy ny fahafatin’ ny olona rehetra ireo olona ireo, na valiana araka ny famaliana ny olona rehetra izy, dia tsy Jehovah no naniraka ahy.
30 倘若耶和华创作一件新事,使地开口,把他们和一切属他们的都吞下去,叫他们活活地坠落阴间,你们就明白这些人是藐视耶和华了。” (Sheol h7585)
Fa raha hanao zavatra vaovao kosa Jehovah, ka hisokatra ny tany ary hitelina azy mbamin’ izay azy rehetra, ka ho latsaka velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita’ izy, dia ho fantatrareo fa efa nandà an’ i Jehovah ireo lehilahy ireo. (Sheol h7585)
31 摩西刚说完了这一切话,他们脚下的地就开了口,
Ary rehefa tapitra voalazany izany teny rehetra izany, dia nivava ny tany izay teo ambaniny;
32 把他们和他们的家眷,并一切属可拉的人丁、财物,都吞下去。
eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ ny olona rehetra izay an’ i Kora ary ny fananany rehetra.
33 这样,他们和一切属他们的,都活活地坠落阴间;地口在他们上头照旧合闭,他们就从会中灭亡。 (Sheol h7585)
Dia latsaka velona ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy mbamin’ izay azy rehetra; ary ny tany dia nikatona taminy, ka fongotra tsy ho amin’ ny fiangonana intsony izy. (Sheol h7585)
34 在他们四围的以色列众人听他们呼号,就都逃跑,说:“恐怕地也把我们吞下去。”
Ary ny Isiraely rehetra izay nanodidina azy dia nandositra noho ny fidradradradrany; fa hoy izy: Andrao hitelina antsika koa ny tany.
35 又有火从耶和华那里出来,烧灭了那献香的二百五十个人。
Ary nisy afo nivoaka avy tamin’ i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
36 耶和华晓谕摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
37 “你吩咐祭司亚伦的儿子以利亚撒从火中捡起那些香炉来,把火撒在别处,因为那些香炉是圣的。
Mitenena amin’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, mba hotsimponiny eo anatin’ ny may ny fitondran’ afo, ary ny afo dia aelezo lavitra; fa masìna ireny;
38 把那些犯罪、自害己命之人的香炉,叫人锤成片子,用以包坛。那些香炉本是他们在耶和华面前献过的,所以是圣的,并且可以给以色列人作记号。”
ary ny fitondran’ afon’ ireo mpanota nanimba tena ireo dia aoka hatao takelaka manify hapetaka amin’ ny alitara; fa nateriny teo anatrehan’ i Jehovah ireny ka masìna; ary ho famantarana ho an’ ny Zanak’ Isiraely ireny.
39 于是祭司以利亚撒将被烧之人所献的铜香炉拿来,人就锤出来,用以包坛,
Ary nalain’ i Eleazara mpisorona ny fitondran’ afo varahina, izay efa nanateran’ ireo olona may ireo, ka nofisahiny ho takelaka hapetaka amin’ ny alitara
40 给以色列人作纪念,使亚伦后裔之外的人不得近前来在耶和华面前烧香,免得他遭可拉和他一党所遭的。这乃是照耶和华借着摩西所吩咐的。
ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak’ i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah; fandrao ho tahaka an’ i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
41 第二天,以色列全会众都向摩西、亚伦发怨言说:“你们杀了耶和华的百姓了。”
Ary nony ampitso dia nimonomonona tamin’ i Mosey sy Arona ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanao hoe: Hianareo efa nahafaty ny olon’ i Jehovah.
42 会众聚集攻击摩西、亚伦的时候,向会幕观看,不料,有云彩遮盖了,耶和华的荣光显现。
Ary raha niangona hanome tsiny an’ i Mosesy sy Arona ny fiangonana, dia nijery ny trano-lay fihaonana izy, ka, indro, nanarona azy ny rahona, ary niseho ny voninahitr’ i Jehovah.
43 摩西、亚伦就来到会幕前。
Ary Mosesy sy Arona dia nankeo anoloan’ ny trano-lay fihaonana.
44 耶和华吩咐摩西说:
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
45 “你们离开这会众,我好在转眼之间把他们灭绝。”他们二人就俯伏于地。
Mialà amin’ io fiangonana io handringanako azy amin’ ny indray mipi-maso monja. Dia niankohoka izy roa lahy.
46 摩西对亚伦说:“拿你的香炉,把坛上的火盛在其中,又加上香,快快带到会众那里,为他们赎罪;因为有忿怒从耶和华那里出来,瘟疫已经发作了。”
Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Alao ny fitondran’ afo, ka asio afo avy eo ambonin’ ny alitara izy, dia asio ditin-kazo manitra, ka ento faingana eo amin’ ny fiangonana, ka manaova fanavotana ho azy; fa efa mivoaka avy tamin’ i Jehovah ny fahatezerana, ary efa miantomboka ny areti-mandringana.
47 亚伦照着摩西所说的拿来,跑到会中,不料,瘟疫在百姓中已经发作了。他就加上香,为百姓赎罪。
Dia nalain’ i Arona izany, araka izay nandidian’ i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan’ ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin’ ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ ny olona.
48 他站在活人死人中间,瘟疫就止住了。
Dia nijanona teo anelanelan’ ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.
49 除了因可拉事情死的以外,遭瘟疫死的,共有一万四千七百人。
Ary izay efa matin’ ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin’ i Kora.
50 亚伦回到会幕门口,到摩西那里,瘟疫已经止住了。
Ary Arona niverina ho eo amin’ i Mosesy teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra.

< 民数记 16 >