< 创世记 6 >

1 当人在世上多起来、又生女儿的时候,
Ary raha vao nihamaro ny olona tambonin’ ny tany ka teraka zazavavy maro,
2 神的儿子们看见人的女子美貌,就随意挑选,娶来为妻。
dia hitan’ ny zanak’ Andriamanitra fa tsara tarehy ny zanakavavin’ ny olona; ka dia nifidy vady ho azy tamin’ izy rehetra araka izay tiany izy.
3 耶和华说:“人既属乎血气,我的灵就不永远住在他里面;然而他的日子还可到一百二十年。”
Ary hoy Jehovah: Tsy mba hanapaka mandrakariva ao amin’ ny olona ny Fanahiko, fa amin’ ny faniavany dia nofo izy; nefa ho roa-polo amby zato taona ny androny.
4 那时候有伟人在地上,后来 神的儿子们和人的女子们交合生子;那就是上古英武有名的人。
Ny Nefilima nitoetra tambonin’ ny tany tamin’ izany andro izany, sy taorian’ izany koa, raha nivady tamin’ ny zanakavavin’ ny olona ny zanak’ Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
5 耶和华见人在地上罪恶很大,终日所思想的尽都是恶,
Ary hitan’ i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro.
6 耶和华就后悔造人在地上,心中忧伤。
Ary Jehovah nanenina noho ny nanaovany ny olona tambonin’ ny tany, ka nalahelo ny fony.
7 耶和华说:“我要将所造的人和走兽,并昆虫,以及空中的飞鸟,都从地上除灭,因为我造他们后悔了。”
Dia hoy Jehovah: Haringako tsy hisy ambonin’ ny tany ny olona izay noforoniko, hatramin’ ny olona ka hatramin’ ny biby fiompy sy ny biby mandady na mikisaka mbamin’ ny voro-manidina; fa manenina Aho noho ny nanaovako azy.
8 惟有挪亚在耶和华眼前蒙恩。
Fa Noa kosa nahita fitia teo imason’ i Jehovah.
9 挪亚的后代记在下面。挪亚是个义人,在当时的世代是个完全人。挪亚与 神同行。
Ary izao no tantaran’ i Noa: Noa dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny teo amin’ ny olona niara-belona taminy; eny, niara-nandeha tamin’ Andriamanitra Noa.
10 挪亚生了三个儿子,就是闪、含、雅弗。
Ary Noa niteraka zanaka telo mirahalahy, dia Sema sy Hama ary Jafeta.
11 世界在 神面前败坏,地上满了强暴。
Ary simba ny tany teo anatrehan’ Andriamanitra sady heni-doza;
12 神观看世界,见是败坏了;凡有血气的人在地上都败坏了行为。
dia hitan’ Andriamanitra ny tany, ka, indro, efa simba izy; fa ny nofo rehetra samy efa nanimba ny lalany avy tambonin’ ny tany.
13 神就对挪亚说:“凡有血气的人,他的尽头已经来到我面前;因为地上满了他们的强暴,我要把他们和地一并毁灭。
Dia hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Ny faran’ ny nofo rehetra efa mby eto anatrehako, satria efa heni-doza ny tany noho ny amin’ olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ ny tany Aho.
14 你要用歌斐木造一只方舟,分一间一间地造,里外抹上松香。
Koa manaova sambo-fiara ho anao amin’ ny hazo gofera; ary hasianao efitrefitra ny sambo-fiara, ka hopetahanao dity ao anatiny sy eo ivelany izy.
15 方舟的造法乃是这样:要长三百肘,宽五十肘,高三十肘。
Ary toy izao no hanaovanao azy: hakiho telon-jato ny lavan’ ny sambo-fiara, hakiho dimam-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahavony.
16 方舟上边要留透光处,高一肘。方舟的门要开在旁边。方舟要分上、中、下三层。
Ary hasianao fidiran’ ny mazava ny sambo-fiara, ary amin’ ny hakiho iray no hahavitanao azy hatreo ambony; ary hasianao varavarana ny rindrin’ ny sambo-fiara; hataonao efitra telo mifanongoa izy.
17 看哪,我要使洪水泛滥在地上,毁灭天下;凡地上有血肉、有气息的活物,无一不死。
Ary, indro, Izaho efa hahatonga ny safo-drano ambonin’ ny tany handringana ny nofo rehetra izay manam-nofonaina ambanin’ ny lanitra; dia ho faty izay rehetra eo amin’ ny tany.
18 我却要与你立约;你同你的妻,与儿子儿妇,都要进入方舟。
Nefa kosa haoriko ny fanekeko aminao; ary hiditra ao anatin’ ny sambo-fiara ianao sy ny vadinao aman-janakao mbamin’ ny vinantonao vavy miaraka aminao.
19 凡有血肉的活物,每样两个,一公一母,你要带进方舟,好在你那里保全生命。
Ary ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra, hitondranao roa avy isan-karazany ho ao anatin’ ny sambo-fiara, hovelomina miaraka aminao; ho lahy sy vavy avy ireo.
20 飞鸟各从其类,牲畜各从其类,地上的昆虫各从其类,每样两个,要到你那里,好保全生命。
Ny vorona, samy araka ny karazany avy; ary ny biby, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy, dia, roa avy samy araka ny karazany avy, dia roa avy isan-karazany no hankeo aminao hovelomina.
21 你要拿各样食物积蓄起来,好作你和它们的食物。”
Ary analao ho anao ny zavatra rehetra izay mety ho fihinana, ka angòny ho eo aminao; dia ho fihinana ho anao sy ho an’ ireo koa izany.
22 挪亚就这样行。凡 神所吩咐的,他都照样行了。
Dia nataon’ i Noa izany; araka izay rehetra nandidian’ Andriamanitra azy no nataony.

< 创世记 6 >

The World is Destroyed by Water
The World is Destroyed by Water