< 撒母耳记下 18 >

1 大卫数点跟随他的人,立千夫长、百夫长率领他们。
Ary Davida nandamina ny olona izay nomba azy ka nanendry mpifehy arivo sy mpifehy zato hifehy azy.
2 大卫打发军兵出战,分为三队:一队在约押手下,一队在洗鲁雅的儿子、约押兄弟亚比筛手下,一队在迦特人以太手下。大卫对军兵说:“我必与你们一同出战。”
Ary Davida nampandeha ny olona, ka ny ampahatelony nofehezin’ i Joaba, ary ny ampahatelony nofehezin’ i Abisay, zanak’ i Zeroia, rahalahin’ i Joaba, ary ny ampahatelony kosa nofehezin’ Itahy Gatita. Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny vahoaka: Izaho koa dia handeha hiaraka aminareo tokoa.
3 军兵却说:“你不可出战。若是我们逃跑,敌人必不介意;我们阵亡一半,敌人也不介意。因为你一人强似我们万人,你不如在城里预备帮助我们。”
Fa hoy ny vahoaka: Tsy avelanay andeha ianao; fa raha mandositra izahay, dia tsy hahoany; ary na matiny sasaka aza izahay, dia tsy hahoany akory; fa ianao no hoatra ny iray alina aminay; koa tsara raha hamonjy anay avy tao an-tanàna ianao.
4 王向他们说:“你们以为怎样好,我就怎样行。”于是王站在城门旁,军兵或百或千地挨次出去了。
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Izay sitrakareo ary no hataoko. Dia nitsangana teo anilan’ ny vavahady ny mpanjaka, ary ny vahoaka rehetra nivoaka isan-jato sy isan’ arivo.
5 王嘱咐约押、亚比筛、以太说:“你们要为我的缘故宽待那少年人押沙龙。”王为押沙龙嘱咐众将的话,兵都听见了。
Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Joaba sy Abisay ary Itahy hoe: Noho ny amiko dia mamindrà fo amin’ i Absaloma zatovo. Ary ny olona rehetra dia nahare ny nandidian’ ny mpanjaka ny mpifehy rehetra ny amin’ i Absaloma.
6 兵就出到田野迎着以色列人,在以法莲树林里交战。
Ka dia nivoaka teny an-tsaha ny vahoaka hiady amin’ ny Isiraely, ka rafitra tao amin’ ny alan’ i Efraima ny ady;
7 以色列人败在大卫的仆人面前;那日阵亡的甚多,共有二万人。
ary resy tao ny lehilahy amin’ ny Isiraely teo anoloan’ ny mpanompon’ i Davida, ka be dia be no ringana androtrizay, dia olona roa alina.
8 因为在那里四面打仗,死于树林的比死于刀剑的更多。
Fa nihahakahaka teny rehetra teny ny ady; ka ny matin’ ny ala androtrizay dia be noho ny matin’ ny sabatra.
9 押沙龙偶然遇见大卫的仆人。押沙龙骑着骡子,从大橡树密枝底下经过,他的头发被树枝绕住,就悬挂起来,所骑的骡子便离他去了。
Ary Absaloma nifanehatra tamin’ ny mpanompon’ i Davida. Ary nitaingina ampondra izy, ary ny ampondra nandeha teo ambanin’ ny rantsan-kazo mikirindro tamin’ ny hazo terebinta, ka voahazon’ ny hazo terebinta ny lohan’ i Absaloma, ka dia nikiraviravy teo anelanelan’ ny lanitra sy ny tany izy; fa lasa ny ampondra nitaingenany.
10 有个人看见,就告诉约押说:“我看见押沙龙挂在橡树上了。”
Ary nisy lehilahy anankiray nahita izany, dia nanambara tamin’ i Joaba hoe: Indro, hitako mihantona amin’ ny hazo terebinta Absaloma.
11 约押对报信的人说:“你既看见他,为什么不将他打死落在地上呢?你若打死他,我就赏你十舍客勒银子,一条带子。”
Ary hoy Joaba tamin’ ilay lehilahy nilaza taminy: Koa nahoana, raha nahita azy ianao, no tsy nasianao hianjera amin’ ny tany izy, ka dia tsy maintsy ho nomeko sekely volafotsy folo sy fehin-kibo ianao?
12 那人对约押说:“我就是得你一千舍客勒银子,我也不敢伸手害王的儿子;因为我们听见王嘱咐你和亚比筛并以太说:‘你们要谨慎,不可害那少年人押沙龙。’
Fa hoy ralehilahy tamin’ i Joaba: Na dia efa mby an-tanako aza ny sekely volafotsy arivo, tsy haninjitra ny tanako hamely ny zanaky ny mpanjaka aho; fa teo anatrehanay no nandidian’ ny mpanjaka anao sy Abisay ary Itahy hoe: Samia mitandrina an’ i Absaloma zatovo.
13 我若妄为害了他的性命,就是你自己也必与我为敌(原来,无论何事都瞒不过王。)”
Tsy misy zavatra azo afenina amin’ ny mpanjaka, koa raha nanao hafahafa taminy aho, na dia ianao io aza dia ho nitsangana hanameloka ahy.
14 约押说:“我不能与你留连。”约押手拿三杆短枪,趁押沙龙在橡树上还活着,就刺透他的心。
Dia hoy Joaba: Tsy handany andro foana eto aminao aho. Ary nitondra lefona telo teny an-tanany Izy, ka natsatony tamin’ ny fon’ i Absaloma, raha mbola velona teo amin’ ny hazo terebinta izy.
15 给约押拿兵器的十个少年人围绕押沙龙,将他杀死。
Ary nisy tovolahy folo, mpitondra ny fiadian’ i Joaba, nanodidina an’ i Absaloma ka namely azy ho faty.
16 约押吹角,拦阻众人,他们就回来,不再追赶以色列人。
Ary Joaba nitsoka ny anjomara, ka dia niverina avy nanenjika ny Isiraely ny vahoaka, satria niantran’ i Joaba izy.
17 他们将押沙龙丢在林中一个大坑里,上头堆起一大堆石头。以色列众人都逃跑,各回各家去了。
Dia nalain’ ny olona Absaloma ka natsipiny tao an-davaka lehibe anankiray tao anaty ala, dia nasiany antontam-bato lehibe teo amboniny; ary ny Isiraely rehetra samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy.
18 押沙龙活着的时候,在王谷立了一根石柱,因他说:“我没有儿子为我留名。”他就以自己的名称那石柱叫押沙龙柱,直到今日。
Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan’ ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran’ ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an’ i Absaloma no anarany mandraka androany.
19 撒督的儿子亚希玛斯说:“容我跑去,将耶和华向仇敌给王报仇的信息报与王知。”
Dia hoy Ahimaza, zanak’ i Zadoka: Aoka aho hihazakazaka hitondra teny mahafaly ho any amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny nanomezan’ i Jehovah azy ny rariny ka nahafahany tamin’ ny fahavalony.
20 约押对他说:“你今日不可去报信,改日可以报信;因为今日王的儿子死了,所以你不可去报信。”
Fa hoy Joaba taminy: Tsy ho mpitondra teny mahafaly ianao, raha mandeha anio, satria maty ny zanakalahin’ ny mpanjaka, fa andro hafa dia mbola hitondra teny mahafaly ihany ianao.
21 约押对古示人说:“你去将你所看见的告诉王。”古示人在约押面前下拜,就跑去了。
Ary hoy Joaba tamin’ ilay Kosita: Andeha, ambarao amin’ ny mpanjaka izay efa hitanao. Ary ilay Kosita niankohoka teo anatrehan’ i Joaba, dia lasa nihazakazaka.
22 撒督的儿子亚希玛斯又对约押说:“无论怎样,求你容我随着古示人跑去。”约押说:“我儿,你报这信息,既不得赏赐,何必要跑去呢?”
Fa Ahimaza, zanak’ i Zadoka, dia mbola niteny tamin’ i Joaba ihany nanao hoe: Ka nahoana aza, aoka ihany aho mba hiezaka koa hanaraka ilay Kosita. Fa hoy Joaba: Ahoana no hiezahanao, anaka; fa na dia mandeha aza ianao, tsy hisy teny mahafaly hahazoanao fitia tsinona?
23 他又说:“无论怎样,我要跑去。”约押说:“你跑去吧!”亚希玛斯就从平原往前跑,跑过古示人去了。
Ka nahoana aza, hoy izy: Aoka ihany aho hiezaka. Dia hoy Joaba taminy: Miezaha ary. Ary dia niezaka tamin’ ny lalana eny amin’ ny lemaka Ahimaza ka nihoatra an’ ilay Kosita.
24 大卫正坐在城瓮里。守望的人上城门楼的顶上,举目观看,见有一个人独自跑来。
Ary Davida nipetraka teo anelanelan’ ny vavahady roa; ary ny mpitily niakatra teo ambony vavahady teo amin’ ny manda, ka nanopy ny masony, dia nahita, ka indry misy lehilahy iray mihazakazaka.
25 守望的人就大声告诉王。王说:“他若独自来,必是报口信的。”那人跑得渐渐近了。
Ary ny mpitily niantso ka nilaza tamin’ ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka: Raha irery izy, dia ho teny mahafaly no entiny. Ary mbola nanatona anatona ihany ralehilahy.
26 守望的人又见一人跑来,就对守城门的人说:“又有一人独自跑来。”王说:“这也必是报信的。”
Ary ny mpitily nahita lehilahy iray koa nihazakazaka, dia niantso ny mpiandry vavahady izy nanao hoe: Indry koa misy lehilahy iray tamy mihazakazaka. Dia hoy ny mpanjaka: Mitondra teny mahafaly ihany koa izy.
27 守望的人说:“我看前头人的跑法,好像撒督的儿子亚希玛斯的跑法一样。”王说:“他是个好人,必是报好信息。”
Ary hoy ny mpitily: Raha toa ahy, dia tahaka ny fihazakazak’ i Ahimaza, zanak’ i Zadoka, no fihazakazak’ iny aloha. Ary hoy ny mpanjaka: Lehilahy tsara fanahy iny, ka hitondra teny soa mahafaly no ihaviany.
28 亚希玛斯向王呼叫说:“平安了!”就在王面前脸伏于地叩拜,说:“耶和华—你的 神是应当称颂的,因他已将那举手攻击我主我王的人交给王了。”
Ary Ahimaza niantso ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Fiadanana! sady niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ ny mpanjaka izy ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah Andriamanitrao, Izay efa nanolotra ny olona nanainga tanana hikomy amin’ ny mpanjaka tompoko.
29 王问说:“少年人押沙龙平安不平安?”亚希玛斯回答说:“约押打发王的仆人,那时仆人听见众民大声喧哗,却不知道是什么事。”
Dia hoy ny mpanjaka: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy Ahimaza: Tamin’ ny nanirahan’ i Joaba ny mpanompon’ ny mpanjaka sy izaho mpanomponao koa dia nandre tabataba be aho, nefa tsy fantatro izay antony.
30 王说:“你退去,站在旁边。”他就退去,站在旁边。
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Mitanilà kely ary, ka mijanòna etsy; dia nitanila izy ka nitoetra teo.
31 古示人也来到,说:“有信息报给我主我王!耶和华今日向一切兴起攻击你的人给你报仇了。”
Ary, indro, avy ilay Kosita ka nanao hoe: Aoka ny mpanjaka tompoko hihaino teny mahafaly; fa Jehovah efa nanome anao ny rariny ka nahafaka anao ankehitriny tamin’ izay rehetra nitsangana hikomy aminao.
32 王问古示人说:“少年人押沙龙平安不平安?”古示人回答说:“愿我主我王的仇敌,和一切兴起要杀害你的人,都与那少年人一样。”
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ilay Kosita: Tsara ihany va Absaloma zatovo? Fa hoy ilay Kosita: Aoka ny fahavalon’ ny mpanjaka tompoko sy izay rehetra mitsangana hanisy ratsy anao ho tahaka iny zatovo iny.
33 王就心里伤恸,上城门楼去哀哭,一面走一面说:“我儿押沙龙啊!我儿,我儿押沙龙啊!我恨不得替你死,押沙龙啊,我儿!我儿!”
Ary dia niontana terỳ ny fon’ ny mpanjaka, ka niakatra nankeo amin’ ny efi-trano teo ambony vavahady izy sady nitomany teny am-pandehanana ka nanao hoe: Ry Absaloma, zanako, zanako, ry Absaloma, zanako ô! Inay anie aho no maty nisolo anao, ry Absaloma zanako, zanako ô!

< 撒母耳记下 18 >