< 路加福音 18 >

1 为了鼓励大家始终进行祈祷,不可灰心,耶稣对他们讲了一个故事。
Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,
2 他说:“从前在一座城中有一个法官,不敬重上帝,也不关心其他人。
dia nanao hoe: Nisy mpitsara tao an-tanàna anankiray, izay tsy natahotra an’ Andriamanitra, na mena-maso olona.
3 城里有一个寡妇常常来到他那里,对他说:‘求你为我的敌人给出公正评判!’
Ary nisy mpitondratena tao amin’ izany tanàna izany, izay nankao aminy matetika ka nanao hoe: Omeo rariny aho amin’ ilay manana ady amiko.
4 法官一开始并不想做这件事,但后来转念一想:‘虽然我不敬重上帝,也不关心其他人,
Ary tsy nanaiky izy aloha; fa rehefa afaka izany, dia nanao anakampo hoe izy: Na dia tsy matahotra an’ Andriamanitra aza aho sady tsy mena-maso olona,
5 但这寡妇太烦人,我就给她想要的判决吧,这样她就不会不断地来烦我了。’
mba homeko rariny ihany io mpitondratena io, fa manahirana ahy izy, fandrao ho avy mandrakariva izy ka hampahasosotra ahy.
6 主说:这是个不正义的法官,但听听他说的话。”
Ary hoy ny Tompo: Henoy izay lazain’ ilay mpitsara tsy marina.
7 “你没发现吗?上帝所选的子民如果日夜向上帝哭求,上帝就会让其获得公道吗?上帝怎么会让他们等待呢?
Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy?
8 不会的,我告诉你们,他会很快主持正义。但人子到来之际,他在这世上还能找到信他的人吗?”
Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy. Kanefa, raha avy ny Zanak’ olona, moa hahita finoana etỳ ambonin’ ny tany va Izy?
9 耶稣还向那些自诩正义、轻视他人的人讲了一个故事。
Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin’ ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa;
10 “有两个人到神庙祷告,一个是法利赛人,一个是税吏。
Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra.
11 法利赛人站着为自己祷告:‘上帝啊,感谢你让我和其他人不一样,我不欺骗,不犯罪,不奸淫,甚至不像这个税吏。
Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza.
12 我一个星期禁食两次,将收入的十分之一奉献给你。’
Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin’ izay azoko rehetra aho.
13 但税吏站在远处,甚至不敢抬头看天,只是捶胸祷告:‘上帝啊,可怜我这个罪人!’
Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota.
14 我告诉你们吧,上帝会看到这税吏是正确的,但不会看到另一个人。因为高抬自己的人必会被贬低,保持谦卑的人必会被抬高。”
Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.
15 有人抱着婴孩来到耶稣面前,请他祝福。门徒见状就想要制止他们。
Ary nisy nitondra zazakely koa ho eo amin’ i Jesosy mba hotendreny; fa raha vao nahita izany ny mpianatra, dia nandrara azy.
16 耶稣却让他们把婴儿抱过来,说:“让小孩子到我这里来,不要制止他们,因为上帝之国就属于他们这样的人。
Fa Jesosy niantso ireo hankeo aminy ka nanao hoe: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
17 实话告诉你们,如果不能像小孩子一样接受上帝之国,你就永远都无法走进。”
Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no ny handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
18 有一个长官来到耶稣面前,问他:“良善的老师,我做什么才可以获得永生?” (aiōnios g166)
Ary nisy mpanapaka anankiray nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? (aiōnios g166)
19 耶稣对他说:“你为何称我良善?除了上帝以外,无人为尊。
Fa hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
20 你知道那条诫命讲着:不可奸淫,不可杀人,不可偷盗,不可作假证,当孝敬父母。”
Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, Aza mamono olona, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao.
21 那男人回答:“我从小就遵守这一切。”
Ary hoy kosa izy: Izany rehetra izany dia efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
22 耶稣听了便说:“但你还少做了一件事:把你拥有的一切都卖掉,分给穷人,你就会在天国拥有财富,然后来跟从我。”
Ary rehefa nandre izany Jesosy, dia hoy Izy taminy: Mbola diso zavatra iray loha ianao: amidio ny fanananao rehetra, ka zarao ho an’ ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia, manaraha Ahy.
23 但那人听了这番话,立刻感到情绪低落,因为他非常富有。
Ary rehefa nandre izany ralehilahy, dia nalahelo loatra; fa nanan-karena dia nanan-karena izy.
24 耶稣见他这样的反应,就说:“富有之人要进上帝之国,很难!
Ary Jesosy, raha nijery azy, dia nanao hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
25 有钱人进上帝之国,要比让骆驼穿过针眼还困难。”
Fa ho moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
26 听到这番话,大家就问:“那谁可以获得拯救呢?”
Ary izay nandre dia nanao hoe: Iza indray moa no azo hovonjena?
27 耶稣说:“人类做不到的,上帝却能。”
Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain’ ny olona dia hain’ Andriamanitra.
28 彼得说:“我们已舍弃所有跟从你!”
Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
29 耶稣说:“实话告诉你们,人为了上帝之国放弃房屋、妻子、兄弟、父母或儿女,
Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona izay efa nahafoy trano, na vady, na rahalahy, na ray, na reny, na zanaka, noho ny fanjakan’ Andriamanitra,
30 得到的要比今世多几倍,来世还会获得永生。” (aiōn g165, aiōnios g166)
izay tsy handray be lavitra amin’ izao andro ankehitriny izao, ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. (aiōn g165, aiōnios g166)
31 耶稣把十二门徒带到一边,对他们说:“我们现在去耶路撒冷,先知所写的一切,即将在人子身上成真。
Ary Jesosy naka ny roa ambin’ ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika, dia ho tanteraka ny zavatra rehetra izay voasoratry ny mpaminany ny amin’ ny Zanak’ olona.
32 他将被交给异族人,被嘲笑、被凌辱,人们会向他吐唾沫,
Fa hatolotra ho amin’ ny jentilisa Izy, dia hataony fihomehezana sy hisetrasetrany sy hororany
33 他们会鞭打他,然后杀害他,但他会在第三日复活。”
ary hokapohiny sy hovonoiny, ary amin’ ny andro fahatelo dia hitsangana Izy.
34 但门徒们并不明白耶稣这番话的意思,没有理解这句话的真意。
Nefa tsy nisy azony akory izany teny izany, fa nafenina taminy izy ka dia tsy fantany izay nolazainy.
35 耶稣快走到耶利哥的时候,一个盲人坐在路旁乞讨。
Ary raha Jesosy nanakaiky an’ i Jeriko, dia indro jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana.
36 听见人群经过,他便问发生了什么事。
Ary raha nandre ny vahoaka mandalo izy, dia nanontany hoe: Inona izany?
37 众人告诉他,“拿撒勒人耶稣正从这里走过。”
Ary hoy ny olona taminy: Jesosy avy any Nazareta no mandalo.
38 于是他喊道:“大卫的子孙耶稣啊,可怜可怜我吧!”
Dia niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
39 走在前面的人制止他喊叫,让他保持安静,但他更大声地喊叫:“大卫的子孙,可怜我吧!”
Ary izay nandeha teny aloha dia niteny mafy azy mba hangina, fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
40 耶稣停下来,让他们把盲人带过来。待他走近,耶稣就问他:
Ary Jesosy nijanona, dia nasainy ho entina eo aminy ralehilahy; ary rehefa mby akaiky izy, dia nanontany azy Jesosy
41 “你要我为你做什么?”盲人说:“主啊,求你让我看到!”
ka nanao hoe: Inona moa no tianao hataoko aminao? Ary hoy izy: Tompoko, ny mba hampahiratina ny masoko.
42 耶稣说:“那就看见!你对我的信任,让你痊愈了。”
Dia hoy Jesosy taminy: Mahirata ny masonao; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
43 盲人立刻看见了,于是就跟随耶稣,赞颂上帝。众人见此也纷纷赞美上帝。
Ary niaraka tamin’ izay dia nahiratra ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy izy sady nankalaza an’ Andriamanitra; ary ny vahoaka rehetra, raha nahita, dia nidera an’ Andriamanitra.

< 路加福音 18 >