< 加拉太书 1 >

1 本信函来自保罗,我的使徒身份并非由人类组织或人类权力所指认,恰恰相反,我是由耶稣基督和让耶稣复活的天父上帝所指认。
Paoly Apostoly ― tsy avy tamin’ olona, na tamin’ ny alalan’ olona, fa tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin’ ny maty ―
2 这封写给加拉太众教会的信函,由与我同在的所有兄弟姐妹共同写就。
mbamin’ ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia:
3 愿上帝天父以及主耶稣基督的恩惠和平安与你们同在。
ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika,
4 基督遵循我们天父上帝的旨意,因我们的罪而献出自己的生命,让我们脱离现在这个邪恶的时代。 (aiōn g165)
Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’ izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon’ Andriamanitra Raintsika; (aiōn g165)
5 愿荣耀归给他,直到永远。阿门。 (aiōn g165)
ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn g165)
6 让我震惊的是,你们借由耶稣恩惠的召唤信了上帝,却又如此快速将其放弃,转向其他福音,
Gaga aho, raha mifindra faingana toy izao ianareo hiala amin’ izay efa niantso anareo tamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ho amin’ ny filazantsara hafa,
7 而那根本不是福音,只是其他人用于迷惑你们,想要曲解基督的福音。
izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’ i Kristy.
8 但无论是谁,即使是我们自己或天堂的天使,如果所传“福音”并非我们之前传给你们的福音,就该受到谴责。
Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy.
9 我们想再重复这一点:如果有人所传并非我们之前传给你们的福音,就该受到谴责。
Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy,
10 你们认为我需要谁的认可?来自人或是来自上帝?你认为我试图取悦人?如果我想要取悦人,就不是基督的仆人。
Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy.
11 朋友们,让我明确地告诉你们,我所传的福音并非来自任何人类。
Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin’ ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon’ ny olona izany.
12 因为我并非从人那里获得这福音,也并非由人教导,而是通过耶稣基督的启示获取。
Fa izaho tsy nandray azy tamin’ olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin’ ny fanambaran’ i Jesosy Kristy ihany.
13 你们都听过,我过去曾是犹太宗教的追随者,听说过我如何疯狂迫害上帝的教会,残忍地想要破坏它。
Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan’ Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy;
14 我在犹太宗教中的经历超过了许多同代人,因为我对祖先的传统格外热情。
ary nandroso tamin’ ny fivavahan’ ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin’ ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra.
15 但当上帝在我出生时就让我与他人有所区别,他通过其恩典呼唤我,并很高兴地
Fa raha sitrak’ Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon’ ineny ny niantso ahy tamin’ ny fahasoavany,
16 将他的儿子向我显化,让我向所有国家宣扬福音,我便没有与任何人商量。
ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin’ ny jentilisa, niaraka tamin’ izay dia tsy naka saina tamin’ ny nofo aman-drà aho,
17 我没有到耶路撒冷与先于我成为使徒的人谈话,而是去了阿拉伯,然后再回到大马士革。
ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin’ izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray.
18 三年后我才上耶路撒冷去见彼得,和他住了两个星期。
Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an’ i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin’ ny folo andro.
19 我也没有见其他的使徒,除了主的兄弟雅各。
Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin’ ny Tompo.
20 (在上帝面前,我向你们保证所写之事绝非谎言!)
Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan’ Andriamanitra fa tsy mandainga aho.
21 后来我去了叙利亚和基利家。
Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Syria sy Kilikia aho;
22 尽管如此,犹太教会中的众人并未见过我的面。
ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin’ i Kristy, ny tarehiko.
23 他们只听人说“那个从前迫害我们的人,现在开始传播他曾经想要破坏的信仰!”
Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny.
24 他们因我而颂赞上帝。
Ary dia nankalazany an’ Andriamanitra aho.

< 加拉太书 1 >