< Genesis 9 >

1 Sithaw mah Noah hoi a caanawk to tahamhoihaih paek, nihcae khaeah, athaih athai oh, pung oh loe, long ah koi oh, tiah a naa.
Ary Andriamanitra nitso-drano an’ i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
2 Long nui ih moi boih, van ih tavaa boih, kavak angtawt thaih long nui ih moi boih, tuipui nui ih tanganawk boih mah, nangcae to zii o ueloe, tasoeh o tih; to moinawk to nangcae ban ah kang paek boih boeh.
Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin’ ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo.
3 Kangtawt moe, hinghaih tawn angtawt thaih hmuen boih to nang hanah buh ah om tih; kahing aannawk hoi hmuen boih nangcae hanah kang paek boeh.
Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra.
4 Toe hinghaih tawn moi ih athii to caa o hmah.
Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo.
5 Na hing o haih, nangcae ih athii to ka suk han; kami hoi moinawk to lok ka caek boih han; kami boih mah angmacae nawkamya ih athii to palong o pongah lok ka caek han.
Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin’ ny tanan’ ny manan’ aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin’ ny tanan’ ny olona, dia eo amin’ ny tanan’ ny olona avy, no hanadinako ny ain’ ny olona.
6 Sithaw angmah ih krang hoi kanghmong ah kami to sak pongah, kami ih athii palong kami loe, anih doeh kami mah athii longsak toeng tih.
Izay mandatsaka ny ran’ olona, dia mba halatsak’ olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik’ Andriamanitra no nanaovany ny olona.
7 Toe nang loe, thingthai athai ah loe, pung ah; long ah caa sah o mang ah loe, pung oh, tiah a naa.
Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin’ ny tany sy mihabetsaha eny.
8 To pacoengah Sithaw mah Noah hoi a caanawk khaeah,
Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Noa sy tamin’ ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe:
9 Khenah, nang hoi lokmaihaih to ka sak moe, nang pacoeng kaom na caanawk,
Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin’ ny taranakareo mandimby anareo
10 nang hoi nawnto kaom hinghaih tawn moinawk, tavaanawk, pacah ih moinawk, long ih moisannawk boih, palong thung hoi tacawt moinawk boih, long ih moinawk boih hoiah doeh, lokmaihaih to ka sak.
sy amin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra.
11 Nang hoi ka sak ih lokmaihaih to ka caksak han; hinghaih tawn moinawk boih loe natuek naah doeh tui uemhaih hoiah kam rosak mak ai boeh; long amrosak hanah natuek naah doeh tui uemhaih thok mak ai boeh.
Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin’ ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony.
12 Sithaw mah, Hae loe nang hoi kai salak, nang hoi nawnto kaom moinawk boih salakah dungzan khoek to ka sak ih lokmaih angmathaih ah om tih.
Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina rehetra eo aminareo hatramin’ ny taranaka fara mandimby:
13 Tamai thungah khungzae to ka suek, to loe kai hoi long salakah lokmaih angmathaih ah om tih.
Ny avako efa napetrako eo amin’ ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ ny tany.
14 Long ah tamai to ka taboksak naah, tamai nuiah khungzae to amtueng tih;
Ary raha mampiangona rahona eo ambonin’ ny tany Aho, ka hita eo amin’ ny rahona ny avana,
15 moinawk amrosak boih hanah tui uemhaih om let mak ai boeh, tiah aihnik salak hoi hinghaih tawn moinawk boih salakah ka sak ih, lokmaihaih to ka pahnet mak ai.
dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan’ aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony.
16 Tamai thungah khungzae kamzam ka hnuk nathung, long nui ih hinghaih tawn moinawk boih hoi Sithaw salakah sak ih dungzan lokmaihaih to ka poek poe han, tiah thuih.
Ary ho eo amin’ ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny zava-manan’ aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
17 Sithaw mah Noah khaeah, Hae loe kai hoi long nuiah kaom hinghaih tawn moinawk boih salakah ka sak ih, lokmaihaih ah oh, tiah a naa.
Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin’ ny nofo rehetra ambonin’ ny tany.
18 Palong thung hoi tacawt Noah ih capa thumtonawk loe, Shem, Ham hoi Japheth; Ham loe Kanan ih ampa ah oh.
Ary ny zanakalahin’ i Noa izay izay nivoaka avy tamin’ ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain’ i Kanana.
19 Nichae loe Noah ih caa ah oh o moe, nihcae thung hoiah ni long boih ah kaminawk to pung o.
Ireo telo lahy ireo no zanak’ i Noa; ary avy tamin’ ireo no nielezan’ ny olona tambonin’ ny tany rehetra.
20 Noah loe lawk phrawk kami ah oh pongah, misur takha to sak;
Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka.
21 anih loe misurtui to naek moe, misurtui paquih pongah, angmah ih kahni imthung ah bangkrai ah angsong sut.
Ary nisotro tamin’ ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ ny lainy.
22 Kanaan ampa Ham loe bangkrai ah kaom ampa to hnuk naah, tasa bangah kaom amya hnik khaeah a thuih pae.
Ary hitan’ i Hama, rain’ i Kanana ny fitanjahan’ ny rainy, dia nambarany tamin’ ny rahalahiny roa lahy teo ivelany.
23 Toe Shem hoi Japheth mah loe kahni to lak hoi moe, palaeng ah a thuengh hoi tahang pacoengah, hnukbang angqoi hoi moe, bangkrai ah kaom ampa to a khuk hoi; hnukbang angqoi hoi pongah bangkrai ah kaom ampa to hnu hoi ai.
Ary nalain’ i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin’ izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan’ ny rainy.
24 Noah misurtui paquihaih cai naah loe, a capa kanawk mah a nuiah sak ih hmuen to panoek.
Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon’ ny zanany faralahy taminy.
25 To naah Kanaan loe tangoenghaih to zok nasoe loe, amya hnik ih tamna ah om nasoe, tiah a naa.
Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon’ ny rahalahiny izy.
26 To pacoengah anih mah, Shem ih Angraeng Sithaw loe tahamhoihaih om nasoe loe, Kanaan loe Shem ih tamna ah om nasoe.
Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony.
27 Sithaw mah Japheth ih prae to kawksak nasoe loe, Japheth loe Shem ih kahni im ah om nasoe; Kanaan loe anih ih tamna ah om nasoe, tiah a naa.
Hataon’ Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain’ i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony.
28 Noah loe tui uemhaih phak pacoengah, saning cumvai thum, qui pangato hing vop.
Ary ny andro niainan’ i Noa taorian’ ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona.
29 Noah loe saning cumvai takawt, qui pangato hing pacoengah duek.
Ary ny andro rehetra niainan’ i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy.

< Genesis 9 >