< Luke 5 >

1 Ba he u gbugbu ndji ba ye ka Yesu ndi ba wo tre Irji, u wa k'li ni nyu kikle ma teku Janisaret.
Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ ny Farihin’ i Genesareta Jesosy;
2 A toh mmri jirgi harhi bari ba zi ba ni nyu ma. Bi vu lambe'a ba rju kaki ngla rjirji u vu lambe'a.
ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.
3 Yesu ari mi jirgi ri wa a u Siman nda hla wu ndu tru rju ma ye gban me ni kora. A kuson nimi nda tsro ndji ba tre Irji ni jirgi'a.
Ary niditra teo amin’ ny sambokely anankiray izay an’ i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
4 Da a hla kle bawu a tre ni Siman, “Nji jirgi'a hi mima ndi kata hi ni honlon ma.”
Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin’ i Simona: Mandrosoa ho any amin’ ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
5 Siman kasa wu nda tre, “Tie koh mu, ki tie ya kle cu'a ndi na vu ko pke na, amma ni wa u tre'a mi kayo.”
Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.
6 Da ba tie to wa a hla, ba vu lambebabran u rjirji u vu lambe'a ti su.
Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
7 Mlen baka tie wo ni mbru mba nimi jirgi rima ndu ba ye zo ba. Ba ye nda vu lambe shu ni jirgi harli ba u jirgi ba bata grji hi nci ma.
Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin’ ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
8 Amma Siman Bitrus, da'a to a he toyi, wa gbru ku ni Yesu ngbarju, nda tre hi don me, Bachi, me ndji u la tre.
Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
9 A tie sissri, wawu ni biwa bana he niwu, don gbugbu lambe wa ba vu'a.
Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ ny hazandrano izay azony.
10 Ba Yakubu mba Yohana imri Zabadi, bana kpukpan Siman. Yesu a hla ni Siman, na klu sissri na, don rji ni zizanyi hi ko shishi, u ta vu ndji.
Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’ i Simona. Dia hoy Jesosy tamin’ i Simona: Aza matahotra; hatramin’ izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.
11 Da ba nji jirgi ba ye ni ra, ba ka kpi mba don wawu nda huu.
Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’ i Jesosy.
12 Ba zihe u wa he ni gburi, indji ri u lilo kpurju a he ni ki. Da a toh Yesu, a tie gbru kugru ni shishi nda bre Yesu nda tre “Bachi, u tie kpanyime u toh kpa me tie ndindi.
Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
13 Yesu n'me wo ma ka gbire nda tre, “Mi nhime. Kpa den.” Gbla me lilo ka rju donwu.
Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary ny habokany niala taminy niaraka tamin’ izay.
14 Amma ndu na hla dio ti na nda hla wu, “Hi kpame ndi hi tsro tume ni Pirist ndi nno hadaya u wa ba tsarkake wu'a na wa dokaMusa tre, ndu sheda bawu.”
Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
15 Amma itre ma vra shu hi gbugbanmu u gbugbu ndji baka nji kamba ye wo'u babu tsuro nda den bi lilo.
Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin’ ny aretiny.
16 Amma ana k'ma hi miji nda bre Irji.
Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
17 Aye ni viri aka si tsro, u farisawa ni bi tsro Ataurat ba ye rji ni mmri gbu bi Galili ni Yahudiya u Wurishelima ba ki ni kii. Ngbengble Bachi ndu den a he ni wu.
Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin’ ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin’ ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
18 Indji bari baka ban indji wa a qu kpa ni ta ba nda ye, ba wa nkoh u nji rihi hama wa ba nji hi zi ni k'bu Yesu.
Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin’ ny fandriana, izay mararin’ ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
19 Don ikpe ndi wa ba he'a, ba to me nda hon ni tu tra nda grji wu hi ni meme zu ni ndo a ri ni tsutsu ndji ni ko shishi Yesu.
Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin’ ny fandriany ho eo afovoan’ ny olona, dia teo anatrehan’ i Jesosy.
20 Ni toh bangaskiya mba, Yesu tre, “Iwu ndji, ba wru la tre me hlega wu.”
Ary raha hitan’ i Jesosy ny finoan’ ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
21 Bi nha ni Farisawa baka wlu mye nd tre, “Ahi nha mu si tre la tre ba? Ahi nha ni wru latre ndji hle wu hamma ni Irji kima.
Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?
22 Amma Yesu a toh mre dri mba nda sa bawu, “A ngyeri ti rhi u bi mye kpame kpe yi ni suron?
Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
23 A rime na ti di tre'u na? 'Ba wru latre me hle' 'wu ka wlunde ndi zren?'
Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
24 Amma ndu yi to ndi vivren ndjiahe ni gbengble ni ngbungblu u wru latre hle, a hla ni ndji u qu kpa- me hla wu wlunde, ban tabli me ndi hi koh.'”
Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka ― dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
25 A ti wru wlunde ni shishi mba nda ban tabli wa ana kru ni tuma. A vu gon hi kpama ni koh ma, nda ni gbre Irji san.
Ary tamin’ izay dia nitsangana teo anatrehan’ ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an’ Andriamanitra.
26 Ko nha a tie sissri nda gbre Irji San. Sissri shu bawu suron u ba tre, “Ki toh ikpi wa ba nna gbengble tre.
Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’ Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
27 Ni wa a kle'a, Yesu a rju niki naka toh indji u kpa haraji wa indema hi Lawi, son ni mi bru u kpa haraji. A tre ni wu, “Hu me.”
Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
28 Lawi a wlu nda hu nda ka kpi ma wawuu don.
Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
29 Lawi hi ka tie ngan ni Yesu ni koh ma. Bi kpa haraji ba ka gbugbu niki ni ndi bari wa ba ka rhi biri ni tebru riri ni Yesu.
Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’ i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
30 Amma Farisawa ni bi nha ba renyu ni mri koh ma nda, Ingye sa bi ki rhi ndi ni so ni bi kpa haraji ni bi latre bayi?
Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ ny mpianatr’ i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?
31 Yesu sa bawu, “Indji wa ba he piyan me bana du'u den na, sai bi wa ba lo'a.
Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
32 Mi na ye yo bi ndindi na amma mi ye ni bi latre ndu kpa tre Irji.
tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
33 Ba tre wu, mri ko Yohana ba zan son hlan ma ni bre Irji, u mri koh Farisawa ngame. Amma mri koh me ba rhi nda ni so.”
Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr’ i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an’ ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
34 Yesu aka tre ni ba, “Ahi ndji rime ni yo kpukpan iwa sa vu nyu u iwasa rhi he ni ba rhi?
Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan’ ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?
35 Amma ivi ni ye wa ba ban iwasa'a hi nda ka ba don u ni nton ki ba vu nyu.
Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’ izany andro izany vao hifady izy.
36 Yesu a tre mba ngaoli ni misali. “Bana nha pli sama ka mla wran k'mo mana. Ani ta tie toki, ani y'ba pli sa, u plisa na k'li niwu k'mo'a na.
Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin’ ny vaovao dia tsy hifanaraka amin’ ny tonta.
37 Ba ndi wa ani wine sama ni mi cice imbu - ntan. Ini ta tie toki u wine sa ani yra mbu'a u wine ka kuhle, u imbu - ntan ni tie me.
Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;
38 Amma wine sama ba suru ni mi mbu-ntan sama.
Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
39 Indji wa'a so wine rji mi cice imbu-ntan ani son so don ani tre wine k'mo'a abi zan.
Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.

< Luke 5 >