< শমূয়েলের প্রথম বই 11 >

1 পরে অম্মোনীয় নাহশ এসে যাবেশ-গিলিয়দের সামনে শিবির স্থাপন করলেন; আর যাবেশের সব লোক নাহশকে বলল, “আপনি আমাদের সঙ্গে নিয়ম তৈরী করুন; আমরা আপনার দাস হব৷”
Ary Nahasy Amonita niakatra ka nitoby tandrifin’ i Jabesi-gileada; dia hoy ny mponina rehetra tao Jabesy tamin’ i Nahasy: Manaova fanekena aminay, dia hanompo anao izahay.
2 অম্মোনীয় নাহশ তাদেরকে এই উত্তর দিলেন, “আমি এই শর্তে তোমাদের সঙ্গে নিয়ম তৈরী করব যে, তোমাদের সবার ডান চোখ তুলে ফেলতে হবে এবং তার মাধ্যমে আমি সমস্ত ইস্রায়েলের বদনাম করব৷”
Fa hoy Nahasy Amonita: Izao no hanaovako fanekena aminareo: hopotsirina ny masonareo ankavanana rehetra, ka hataoko fandatsana ny Isiraely rehetra izany.
3 তখন যাবেশের প্রাচীনেরা বললেন, “আপনি সাত দিন আমাদের প্রতি ধৈর্য ধরুন; আমরা ইস্রায়েলের সব জায়গায় দূত পাঠাই; তাতে কেউ যদি আমাদেরকে উদ্ধার না করে, তবে আমরা বেরিয়ে আপনার কাছে যাব৷”
Fa hoy ny loholon’ i Jabesy taminy: Omeo andro hafitoana izahay, mba hanirahanay olona ho any amin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely rehetra, ka raha tàhiny tsy misy olona hamonjy anay, dia hivoaka hanatona anao izahay.
4 পরে দূতেরা শৌলের [বাড়ি] গিবিয়ায় এসে লোকেদের কানের কাছে এই কথা বলল, “তাতে সব লোক খুব জোরে কাঁদতে লাগলো৷”
Dia tonga tany Gibean’ i Saoly ny iraka ka nanambara ny teniny teo anatrehan’ ny vahoaka; dia nanandratra ny feony ny vahoaka rehetra ka nitomany.
5 পরে দেখ, শৌল ক্ষেত থেকে বলদের পিছন পিছন যাচ্ছিলেন৷ শৌল জিজ্ঞাসা করলেন, “লোকেদের কি হয়েছে? ওরা কাঁদছে কেন?” লোকেরা যাবেশের লোকেদের কথা তাঁকে বলল৷
Ary, indro, Saoly tonga nandroaka ny omby avy tany an-tsaha ka nanao hoe: Inona izato nanjo ny olona, no mitomany izy? Ary nambarany azy ny tenin’ ny mponina tao Jabesy.
6 ঐ কথা শোনার পর ঈশ্বরের আত্মা শৌলের ওপর সবলে আসলেন এবং তিনি প্রচন্ড রেগে গেলেন৷
Dia nilatsaka tamin’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka nirehitra mafy ny fahatezeran’ i Saoly, raha nandre izany teny izany.
7 আর তিনি দুটি বলদ নিয়ে খন্ড খন্ড করে ঐ দূতেদের দিয়ে ইস্রায়েল দেশের সব জায়গায় পাঠিয়ে দিয়ে বললেন, “যে কেউ শৌলের ও শমূয়েলের সঙ্গে বাইরে না আসবে তার বলদের সঙ্গে এই রকম করা হবে,” তাতে সদাপ্রভুর প্রতি লোকদের ভয় উপস্থিত হওয়াতে তারা এক মানুষের মত বার হল৷
Dia naka omby roa izy, ka norasainy ireo, dia nampitondrainy ny iraka ho any amin’ ny fari-tanin’ ny Isiraely rehetra ka nataony hoe: Na iza na iza tsy mivoaka hanaraka an’ i Saoly sy Samoela, dia tahaka ireny no hanaovana ny ombiny. Dia nahazo ny olona ny fahatahorana an’ i Jehovah, ka nivoaka toy ny olona iray ihany izy.
8 পরে তিনি বেষকে তাদের গণনা করলেন; তাতে ইস্রায়েল সন্তানদের তিন লক্ষ ও যিহূদার ত্রিশ হাজার লোক হল৷
Ary nandamina azy tany Bezeka izy, dia telo hetsy no isan’ ny Zanak’ Isiraely, ary telo alina no isan’ ny lehilahy amin’ ny Joda.
9 পরে তারা সেই আগত দূতেদের বলল, “তোমরা যাবেশ-গিলিয়দের লোকদের কে বলবে, কাল কড়া রোদের দিন তোমরা উদ্ধার পাবে৷” তখন দূতেরা এসে যাবেশের লোকেদের ঐ খবর দিল ও তারা আনন্দ পেল৷
Ary hoy izy tamin’ ny iraka izay tonga teo: Izao no holazainareo amin’ ny mponina ao Jabesi-gileada: Rahampitso ilay efa mafampana iny dia hisy famonjena ho anareo. Dia tonga ny iraka ka nanambara izany tamin’ ny mponina tao Jabesy; ka dia faly ireo.
10 ১০ পরে যাবেশের লোকেরা [নাহশকে] বলল, “কাল আমরা আপনাদের কাছে যাব; আপনাদের চোখে যা ভালো মনে হয়, আমাদের প্রতি তাই করবেন৷”
Ary hoy ny mponina tao Jabesy: Rahampitso no hivoahanay ho eny aminareo, dia hataonareo aminay izay rehetra sitrakareo.
11 ১১ পরের দিন শৌল নিজের লোকদেরকে তিন দল করে খুব ভোরে [শত্রুদের] শিবিরের মধ্যে এসে কড়া রোদ পর্যন্ত অম্মোনীয়দেরকে হত্যা করলেন; আর তাদের অবশিষ্ট লোকেরা এমন ছিন্ন-ভিন্ন হল যে, তাদের দুজন এক জায়গায় থাকল৷
Ary nony maraina, dia nozarain’ i Saoly ho telo toko ny olona, ka tonga teo amin’ ny toby tamin’ ny fiambenana maraina izy ary namely ny Amonita mandra-pahafampanan’ ny andro; koa izay sisa dia niely patrana, ka tsy nisy olona tafaraka na dia hatramin’ ny roa aza.
12 ১২ পরে লোকেরা শমূয়েলকে বলল, “কে বলেছে, শৌল কি আমাদের ওপর রাজা হবে? সেই লোকেদের আন, আমরা তাদেরকে হত্যা করি৷”
Ary hoy ny vahoaka tamin’ i Samoela: Iza moa no nanao hoe: Saoly va no hanjaka aminay? Atolory ireny olona ireny hataonay maty.
13 ১৩ কিন্তু শৌল বললেন, “আজ কারো প্রাণদন্ড হবে না, কারণ আজ সদাপ্রভু ইস্রায়েলের মধ্যে উদ্ধার কাজ করলেন৷”
Fa hoy Saoly: Tsy hisy olona hatao maty anio; fa androany no nanaovan’ i Jehovah famonjena teo amin’ ny Isiraely.
14 ১৪ পরে শমূয়েল লোকদেরকে বললেন, “চল, আমরা গিলগলে গিয়ে সেখানে পুনরায় রাজত্ব তৈরী করি৷”
Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka: Andeha isika hankany Gilgala hanavao ny fanjakana any.
15 ১৫ তাতে সমস্ত লোক গিলগলে গিয়ে সেই গিলগলে সদাপ্রভুর সামনে শৌলকে রাজা করল এবং সে স্থানে সদাপ্রভুর সামনে মঙ্গলার্থক বলি উত্সর্গ করল, আর সেই জায়গায় শৌল ও ইস্রায়েলের সমস্ত লোক খুব আনন্দ করল৷
Dia lasa ny vahoaka nankany Gilgala; ary tany Gilgala no nananganany an’ i Saoly ho mpanjaka teo anatrehan’ i Jehovah; ary tany no nanaterany fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah, dia nifaly indrindra teo Saoly mbamin’ ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely.

< শমূয়েলের প্রথম বই 11 >