< Birinci Padşahlar 2 >

1 Davudun ölüm günü yaxınlaşanda oğlu Süleymana vəsiyyət edərək dedi:
Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’ i Davida, dia nandidy an’ i Solomona zananilahy izy hoe:
2 «Bu yaxınlarda mən də hamı kimi dünyadan köçəcəyəm. Sən möhkəm və igid ol.
Izaho efa handeha amin’ ny lalan-kalehan’ ny tany rehetra; koa mahereza ianao, ary misehoa ho lehilahy.
3 Allahın Rəbbin verdiyi buyruğu yerinə yetirib Onun yolları ilə get və Musanın Qanununda yazıldığı kimi Allahın qaydalarına, əmrlərinə, hökmlərinə və göstərişlərinə əməl et ki, elədiyin hər işdə və getdiyin hər yerdə uğur qazanasan.
Ary tandremo izay asain’ i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin’ ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
4 Onda Rəbb mənə verdiyi bu sözü yerinə yetirəcək: “Əgər övladların öz yollarına diqqət etsələr, bütün ürəkləri və canları ilə Mənə sadiq qalsalar, İsrail taxtında sənin nəslindən bir kişi əskik olmayacaq”.
mba hanatanterahan’ i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin’ ny fahamarinana amin’ ny fony rehetra sy amin’ ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely ianao.
5 Sən Seruya oğlu Yoavın mənə nə elədiyini bilirsən: İsrail ordusunun iki başçısı Ner oğlu Avnerlə Yeter oğlu Amasanı öldürərək sülh zamanı hərb qanı tökdü və belindəki kəmərlə ayağındakı çarıqları qana bulaşdırdı.
Ary ianao koa mahalala izay nataon’ i Joaba, zanak’ i Zeroia, tamiko, dia ilay nataony tamin’ izy roa lahy komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely, dia tamin’ i Abnera, zanak’ i Nera, sy tamin’ i Amasa, zanak’ i Jatera, izay novonoiny sady nalatsany rà toy ny amin’ ny ady, nefa tsy nisy ady tsinona, ka nasiany rà toy ny amin’ ny ady ny fehin-kibony teny am-balahany sy ny kapany teny an-tongony.
6 Sən öz hikmətinə görə davran, qoy onun ağarmış başı ölülər diyarına salamat enməsin. (Sheol h7585)
Koa manaova araka ny fahendrenao, ary aza avela hidina any amin’ ny fiainan-tsi-hita amin’ ny fiadanana ny volo fotsiny. (Sheol h7585)
7 Gileadlı Barzillayın oğullarına xeyirxahlıq et, qoy süfrəndə yemək yeyənlərin arasında olsunlar. Çünki mən qardaşın Avşalomun önündən qaçdığım vaxt onlar mənə kömək etdilər.
Fa ny zanak’ i Barzilay Gileadita kosa dia asio soa, ka avelao mba ho isan’ izay mihinana eo amin’ ny latabatrao izy; fa hanao soa toy izany no nankanesan’ ireo tany amiko, fony nandositra an’ i Absaloma rahalahinao aho.
8 Baxurimdən olan Binyaminli Gera oğlu Şimey də sənin yanındadır. Maxanayimə getdiyim gün o məni ağır lənətlədi. Ancaq sonra məni qarşılamaq üçün İordan çayı sahilinə endi və mən ona “səni qılıncla öldürməyəcəyəm” deyə Rəbbin haqqı üçün and içdim.
Ary indro fa ao aminao koa Simey, zanak’ i Gera, Benjamita avy any Bahorima loza loatra ny nanozonany ahy tamin’ ny andro nankanesako tany Mahanaima, nefa izy mba nidina hitsena ahy tao Jordana ihany, ary Jehovah no manianako taminy hoe: Tsy hovonoiko amin’ ny sabatra ianao.
9 İndi onu cəzasız qoyma, çünki sən müdrik adamsan və ona nə edəcəyini bilirsən. Onun ağarmış başını qan içində ölülər diyarına göndər». (Sheol h7585)
Koa aza ataonao afa-tsiny izy; fa lehilahy hendry ianao, ka fantatrao izay tokony hanaovanao azy, ka amin’ ny fandatsahan-drà no hampidinanao ny volo fotsiny ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita. (Sheol h7585)
10 Davud ataları ilə uyudu və Davudun şəhərində basdırıldı.
Ary Davida dia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany ka nalevina ao an-Tanànan’ i Davida.
11 Davud İsrail üzərində qırx il padşah olmuşdu: yeddi il Xevronda və otuz üç il Yerusəlimdə padşahlıq etmişdi.
Ary ny andro nanjakan’ i Davida tamin’ ny Isiraely dia efa-polo taona; tao Hebrona no nanjakany fito taona, ary tao Jerosalema no nanjakany telo amby telo-polo taona.
12 Süleyman atası Davudun taxtında oturdu və onun padşahlığı çox möhkəm oldu.
Ary Solomona nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida rainy; ary ny fanjakany dia niorina tsara
13 Haqqit oğlu Adoniya Süleymanın anası Bat-Şevanın yanına gəldi. Bat-Şeva dedi: «Xeyirlə gəlirsənmi?» Adoniya «bəli» deyə cavab verdi.
Ary Adonia, zanakalahin’ i Hagita, nankany amin’ i Batseba, renin’ i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
14 Sonra dedi: «Sənə söyləyəcək sözüm var». Bat-Şeva «söylə» dedi.
Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
15 O dedi: «Sən bilirsən ki, padşahlıq mənim idi və bütün İsraillilər mənim padşah olacağımı gözləyirdilər, ancaq hər şey dəyişdi, padşahlıq qardaşımın əlinə keçdi, çünki Rəbb belə etdi.
Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan’ ny rahalahiko, fa azony avy tamin’ i Jehovah.
16 İndi səndən bir xahişim var, mənə “yox” demə». Bat-Şeva ona «söylə» dedi.
Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary.
17 O dedi: «Xahiş edirəm, padşah Süleymana söylə – o sənə “yox” deməz – qoy Şunemli Avişaqı mənə arvad olmaq üçün versin».
Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin’ i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy), mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita.
18 Bat-Şeva dedi: «Yaxşı, mən səndən ötrü padşahla danışaram».
Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin’ ny mpanjaka.
19 Bat-Şeva Adoniya barədə padşah Süleymanla danışmaq üçün onun yanına getdi. Padşah onu qarşılamaq üçün ayağa qalxdı və ona təzim etdi, sonra taxtına oturdu. Padşah anası üçün də bir taxt qoydurdu. O, padşahın sağında oturdu,
Ary Batseba nankany amin’ i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin’ i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an’ i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an’ ny renin’ ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin’ ny ankavanany izy.
20 sonra dedi: «Mənim səndən kiçik bir xahişim var, mənə “yox” demə». Padşah ona dedi: «Söylə, ana, mən sənə “yox” demərəm».
Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho.
21 Bat-Şeva dedi: «Şunemli Avişaqı qardaşın Adoniyaya arvad olmaq üçün ver».
Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin’ i Adonia rahalahinao.
22 Padşah Süleyman anasına cavab verib dedi: «Niyə Adoniya üçün Şunemli Avişaqı istəyirsən? Padşahlığı da onun üçün istə, üstəlik onunla birlikdə kahin Evyatarla Seruya oğlu Yoav üçün istə. Axı o mənim böyük qardaşımdır!»
Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an’ i Abisaga Sonemita ho an’ i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an’ i Joaba, zanak’ i Zeroia.
23 Padşah Süleyman Rəbbin haqqı üçün and içərək dedi: «Əgər Adoniya bu sözü öz həyatı bahasına söyləməmişsə, Allah mənə beləsini və bundan betərini etsin.
Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin’ i Jehovah hoe: Hataon’ Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
24 İndi məni möhkəmləndirib atam Davudun taxtında oturtmuş və söylədiyi kimi mənə bir ev qurmuş var olan Rəbbə and olsun ki, Adoniya hökmən bu gün öldürüləcək!»
Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.
25 Padşah Süleyman Yehoyada oğlu Benayaya əmr etdi, Benaya da gedib Adoniyanı vurdu və o öldü.
Ary Solomona mpanjaka naniraka an’ i Benaia, zanak’ i Joiada; ary izy namely azy ho faty.
26 Padşah kahin Evyatara da dedi: «Anatota, öz tarlalarına get! Sən ölümə layiqsən, amma indi səni öldürmürəm. Çünki atam Davudun önündə Xudavənd Rəbbin sandığını daşıyırdın və atamın çəkdiyi hər əzabı sən də çəkirdin».
Ary Abiatara mpisorona dia nilazan’ ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin’ izao andro izao, satria nitondra ny fiaran’ i Jehovah Tompo teo alohan’ i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin’ ny raiko tamin’ izay rehetra nampahoriana azy.
27 Beləcə Süleyman Evyatarı Rəbbin kahinliyindən qovdu. Bununla da Elinin evinə qarşı Rəbbin Şiloda söylədiyi söz yerinə yetdi.
Ary Solomona dia nanongana an’ i Abiatara tsy ho mpisoron’ i Jehovah, ka dia nahatanteraka ny tenin’ i Jehovah, ilay nolazainy tao Silo ny amin’ ny taranak’ i Ely, izy.
28 Xəbər Yoava çatdı. Yoav Avşaloma qoşulmadığı halda Adoniyanın tərəfini tutmuşdu. Buna görə də o, Rəbbin ibadət çadırına qaçdı və qurbangahın buynuzlarından yapışdı.
Ary ren’ i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an’ i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an’ i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
29 Padşah Süleymana söylədilər: «Yoav Rəbbin ibadət çadırına qaçdı və indi qurbangahın yanındadır». Süleyman «get, onu öldür» deyə Yehoyada oğlu Benayanı göndərdi.
Ary nambara tamin’ i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin’ ny trano-lain’ i Jehovah, ka, indro, eo anilan’ ny alitara izy. Dia nirahin’ i Solomona Benaia, zanak’ i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
30 Benaya Rəbbin ibadət çadırına gəlib Yoava dedi: «Çıx, padşah belə deyir!» O dedi: «Yox, burada öləcəyəm». Benaya padşaha «Yoav belə dedi və mənə bu cavabı verdi» deyə xəbər gətirdi.
Ary Benaia tonga tao amin’ ny tranolain’ i Jehovah ka nanao tamin’ i Joaba hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin’ ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain’ i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
31 Padşah ona dedi: «Onun dediyi kimi et: onu orada öldür və basdır ki, Yoavın səbəbsiz tökdüyü qanın təqsirini mənim və atamın evi üzərindən götürəsən.
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak’ i Joaba.
32 Rəbb onun qanını öz başına döndərəcək, çünki o özündən daha saleh və daha yaxşı olan iki nəfəri qılıncla vurdu: atam Davudun xəbəri olmadan İsrail ordusunun başçısı Ner oğlu Avnerlə Yəhuda ordusunun başçısı Yeter oğlu Amasanı öldürdü.
Dia hatsingerin’ i Jehovah ho amin’ ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin’ ny sabatra, dia Abnera, zanak’ i Nera, komandin’ ny miaramilan’ ny Isiraely sy Amasa, zanak’ i Jatera, komandin’ ny miaramilan’ ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
33 Beləcə onların qanı həmişəlik Yoavın və onun nəslinin üstündə qalacaq, amma Rəbb Davuda, onun nəslinə, evinə və taxtına əbədi əmin-amanlıq verəcək».
Eny, ny ran’ izy roa lahy ireo hitsingerina amin’ ny lohan’ i Joaba sy ny lohan’ ny taranany mandrakizay; fa amin’ i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin’ ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin’ i Jehovah.
34 Yehoyada oğlu Benaya yuxarıya getdi, Yoavı vurub öldürdü və onu çöldəki evində basdırdılar.
Dia niakatra Benaia, zanak’ i Joiada, ka namely azy ho faty; ary nalevina tao amin’ ny fonenany tany an-efitra izy.
35 Padşah Yoavın yerinə Yehoyada oğlu Benayanı ordu başçısı qoydu. Evyatarın yerinə isə kahin Sadoqu təyin etdi.
Ary Benaia, zanak’ i Joiada, no notendren’ ny mpanjaka ho solony ho komandin’ ny miaramila; ary Zadota mpisorona no notendren’ ny mpanjaka ho solon’ i Abiatara.
36 Padşah Şimeyi çağırtdırıb ona dedi: «Yerusəlimdə özünə bir ev tik və orada yaşa, heç yerə getmə.
Ary ny mpanjaka naniraka naka an’ i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
37 Oradan çıxıb Qidron vadisini keçdiyin gün, bil ki, hökmən öləcəksən və qanın öz üstündə qalacaq».
Fa amin’ izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin’ ny lohanao ihany.
38 Şimey padşaha dedi: «Sözünlə razıyam, ağam padşah necə dedisə, qulun elə də edəcək». Şimey uzun müddət Yerusəlimdə yaşadı.
Ary hoy Simey tamin’ ny mpanjaka: Tsara izany teny izany; araka izany nolazain’ ny mpanjaka tompoko Izany no hataon’ ny mpanomponao. Ary Simey nitoetra ela tany Jerosalema.
39 Üçüncü ilin sonunda Şimeyin iki qulu Qat padşahı Maaka oğlu Akişin yanına qaçdı. Şimeyə xəbər gəldi ki, qulları Qatdadır.
Ary nony afaka telo taona mipaka, dia nisy roa lahy mpanompon’ i Simey, nandositra ho any amin’ i Akisy, zanak’ i Maka mpanjakan’ i Gata. Ary nisy nanambara tamin’ i Simey hoe: Indreo, any Gata ny mpanomponao.
40 O qalxıb eşşəyini palanladı, qullarını axtarmaq üçün Qata, Akişin yanına gedib onları Qatdan gətirdi.
Dia nitsangana Simey nanisy lasely ny borikiny ka nankany Gata ho any amin’ i Akisy hitady ny mpanompony, dia lasa nody Simey nitondra ny mpanompony avy tany Gata.
41 Şimeyin Yerusəlimdən Qata gedib-gəlmək xəbəri Süleymana çatdı.
Ary nambara tamin’ i Solomona ny nialan’ i Simey tany Jerosalema hankany Gata sy ny niveranany indray.
42 Padşah Şimeyi çağırtdırıb ona dedi: «Səni Rəbbin haqqına and içdirmədimmi? “Çıxıb bir yerə getdiyin gün, bil ki, hökmən öləcəksən!” deyə sənə xəbərdarlıq etmədimmi? Sən də mənə “yaxşı, sözünlə razıyam” demədinmi?
Ary ny mpanjaka naniraka naka an’ i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin’ i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin’ izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
43 Elə isə Rəbbə içdiyin anda və sənə verdiyim əmrə niyə əməl etmədin?»
Koa nahoana ianao no tsy nitandrina ny fianianana tamin’ i Jehovah sy ny didy izay nandidiako anao?
44 Sonra padşah Şimeyə dedi: «Sən atam Davuda qarşı ürəyində saxladığın və etdiyin pisliklərin hamısını bilirsən. Pisliyini Rəbb sənin öz başına döndərəcək.
Ary hoy koa ny mpanjaka tamin’ i Simey: ianao mahalala ny ratsy rehetra nataonao tamin’ i Davida raiko, eny, tsaroan’ ny fonao izany, ka dia hatsingerin’ i Jehovah amin’ ny lohanao ny haratsianao.
45 Amma qoy padşah Süleyman xeyir-dua alsın və Davudun taxtı Rəbbin önündə əbədi möhkəmlənsin».
Fa hotahina kosa Solomona mpanjaka, ary ny seza fiandrianan’ i Davida hampitoerina eo anatrehan’ i Jehovah mandrakizay.
46 Padşah Yehoyada oğlu Benayaya əmr etdi, Benaya da gedib Şimeyi vurdu və o öldü. Beləliklə, Süleymanın padşahlığı möhkəmləndi.
Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Benaia, zanak’ i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an’ i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan’ i Solomona.

< Birinci Padşahlar 2 >