< ՀՌՈՎՄԱՅԵՑԻՍ 4 >

1 Ուրեմն ի՞նչ պիտի ըսենք թէ գտաւ Աբրահամ՝ մարմինի համեմատ մեր նախահայրը.
Inona ary no holazaintsika ho efa azon’ i Abrahama, razantsika araka ny nofo?
2 որովհետեւ եթէ Աբրահամ արդարացած ըլլար գործերով՝ պիտի պարծենար անոնցմով, բայց ո՛չ Աստուծոյ առջեւ:
Fa raha asa no nanamarinana an’ i Abrahama, dia misy hireharehany ihany, nefa tsy amin’ Andriamanitra.
3 Արդարեւ ի՞նչ կ՚ըսէ Գիրքը. «Աբրահամ հաւատաց Աստուծոյ, եւ ատիկա արդարութիւն սեպուեցաւ իրեն»:
Fa ahoana hoy ny Soratra Masìna? Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany.
4 Բայց ա՛ն որ կը գործէ, անոր վարձատրութիւնը շնորհքէ եղած չի սեպուիր, հապա՝ պարտքէ:
Ary ho an’ izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
5 Իսկ ա՛ն որ չի գործեր, բայց կը հաւատայ անոր՝ որ կ՚արդարացնէ ամբարիշտը, իր հաւատքը արդարութիւն կը սեպուի իրեն:
Fa ho an’ izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.
6 Ինչպէս Դաւիթ ալ կը խօսի երանութեան մասին այն մարդուն, որուն Աստուած արդարութիւն կը սեպէ՝ առանց գործերու:
Dia araka izany koa no ilazan’ i Davida fa sambatra ny olona izay isain’ Andriamanitra fahamarinana tsy amin’ ny asa, hoe:
7 «Երանի՜ անոնց, - կ՚ըսէ, - որոնց անօրէնութիւնները ներուեցան, եւ որոնց մեղքերը ծածկուեցան:
Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.
8 Երանի՜ այն մարդուն, որուն մեղք չի սեպեր Տէրը»:
Sambatra izay olona tsy hisain’ i Jehovah heloka.
9 Ուրեմն այս երանութիւնը միայն թլփատուածներո՞ւն համար է, թէ անթլփատներուն համար ալ. քանի որ կ՚ըսենք թէ “հաւատքը արդարութիւն սեպուեցաւ Աբրահամի”:
Koa izany fahasambarana izany moa an’ ny voafora ihany va, sa an’ ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’ i Abrahama.
10 Ուրեմն ի՞նչպէս սեպուեցաւ. թլփատութեա՞ն մէջ եղած ատենը, թէ անթլփատութեան մէջ: Ո՛չ թէ թլփատութեան մէջ, հապա՝ անթլփատութեան:
Ary ahoana no nanisana izany? Tamin’ izy efa voafora va, sa fony izy tsy mbola voafora? Tsy tamin’ izy efa voafora tsy akory, fa fony izy tsy mbola voafora.
11 Յետոյ թլփատութեան նշանը ստացաւ՝ իբր կնիք անթլփատութեան ատենը ունեցած հաւատքին արդարութեան, որպէսզի ինք ըլլայ հայրը այն բոլոր հաւատացողներուն՝ որոնք անթլփատ են (անոնց ալ արդարութիւն սեպուելու համար),
Ary ny famorana, izay famantarana, dia noraisiny ho tombo-kasen’ ny fahamarinana amin’ ny finoana izay nananany fony izy tsy mbola voafora, mba ho rain’ ny olona rehetra izay mino izy, na dia ny tsy voafora aza, mba hisaina ho an’ ireny ny fahamarinana,
12 նաեւ հայրը թլփատութեան՝ անոնց համար, որոնք ո՛չ միայն թլփատուած են, այլ նաեւ կ՚ընթանան մեր հօր Աբրահամի անթլփատութեան ատեն ունեցած հաւատքին հետքերով:
ary ho rain’ ny voafora, dia tsy izay voafora ihany, fa izay mandeha araka ny dian’ ny finoan’ i Abrahama razantsika koa, izay nananany fony izy tsy mbola voafora.
13 Արդարեւ Աբրահամի եւ անոր զարմին՝ աշխարհը ժառանգելու համար տրուած խոստումը ո՛չ թէ Օրէնքով եղաւ, հապա հաւատքին արդարութեամբ:
Fa tsy lalàna, fa fahamarinana amin’ ny finoana, no nahazoan’ i Abrahama sy ny taranany ny teny fikasana ho mpandova izao tontolo izao izy.
14 Քանի որ եթէ Օրէնքէն եղողները ժառանգորդ ըլլային, հաւատքը պիտի փճանար, եւ խոստումը ոչնչանար:
Fa raha izay amin’ ny lalàna no mpandova, dia efa foana ny finoana, ary efa tsinontsinona ny teny fikasana;
15 Որովհետեւ Օրէնքը բարկութիւն կը գործադրէ. քանի որ ուր Օրէնք չկայ, օրինազանցութիւն ալ չկայ:
fa ny lalàna mahatonga fahatezerana; fa raha tsy misy lalàna, dia tsy misy fandikan-dalàna.
16 Ուստի ժառանգորդ ըլլալը հաւատքէն է, որ շնորհքով եղած ըլլայ, որպէսզի խոստումը մնայուն ըլլայ ամբողջ զարմին. ո՛չ միայն անոր՝ որ Օրէնքէն է, այլ նաեւ անո՛ր՝ որ Աբրահամի հաւատքէն է: Ան մեր բոլորին հայրն է
Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an’ ny taranaka rehetra, ― tsy ho an’ izay amin’ ny lalàna ihany, fa ho an’ izay amin’ ny finoan’ i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra ―
17 (ինչպէս գրուած է. “Քեզ շատ ազգերու հայր ըրի”) Աստուծոյ առջեւ՝ որուն ինք հաւատաց, որ կեանք կու տայ մեռելներուն ու չեղած բաները կը կոչէ եղածներու պէս:
araka ny voasoratra hoe: Nataoko ho rain’ ny firenena maro ianao ― teo anatrehan’ izay ninoany, dia Andriamanitra Izay mamelona ny maty sy miantso ny tsy misy toy ny misy.
18 Չյուսացուած բանին՝ յոյսով հաւատաց, թէ ինք շատ ազգերու հայր պիտի ըլլայ (ինչպէս ըսուեցաւ ալ թէ “քու զարմդ այսպէս պիտի ըլլայ”).
Ary na dia efa tsy nisy fanantenana aza, dia nanantena ihany izy ka nino, mba ho rain’ ny firenena maro; araka ny voalaza hoe: Ho tahaka izany ny taranakao.
19 եւ հաւատքի մէջ չտկարանալով՝ ուշադիր չեղաւ իր մարմինին, որ արդէն մեռածի պէս էր, (որովհետեւ ինք հարիւր տարեկանի չափ էր, ) ո՛չ ալ Սառայի արգանդին մեռած ըլլալուն:
Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ ny kibon’ i Saraha,
20 Անհաւատութեամբ չտատամսեցաւ Աստուծոյ խոստումին հանդէպ, հապա հաւատքով զօրացած՝ փառք տուաւ Աստուծոյ,
ary tsy niahanahana ny amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra tamin’ ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ ny finoana ka nanome voninahitra an’ Andriamanitra
21 եւ լման համոզուեցաւ թէ ի՛նչ որ ան խոստացաւ՝ կարող է նաեւ իրագործել:
ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa.
22 Ուստի արդարութիւն սեպուեցաւ իրեն:
Dia nisaina ho fahamarinany izany.
23 Բայց գրուեցաւ ո՛չ միայն անոր համար՝ թէ “սեպուեցաւ իրեն”,
Nefa tsy ho azy ihany no nanoratana fa nisaina ho azy izany,
24 այլ նաեւ մեզի համար, որոնց պիտի սեպուի՝ քանի որ կը հաւատանք անո՛ր՝ որ մեռելներէն յարուցանեց Յիսուսը՝ մեր Տէրը,
fa ho antsika izay hanisana izany koa, dia isika izay mino Ilay nanangana an’ i Jesosy Tompontsika tamin’ ny maty,
25 որ մատնուեցաւ մեր յանցանքներուն համար ու յարութիւն առաւ մեզ արդարացնելու համար:
Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika.

< ՀՌՈՎՄԱՅԵՑԻՍ 4 >